Accueil Forums Photos Interviews Actualites Mada Kool Peeps
Agenda Billets d'avion Petites annonces Kool Shopping Annuaire Videos clips
Retour au forumNouveau sujetInscriptionIdentificationFaire une rechercheListe des membres

Pages:  << [11-20] 21 22 23 24 25 26 27 28 >>

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18049]

tany

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 06/05/2010 à 00:52 (Lu 2413 fois)
Répondre
Citer

Citation : Ampandrana

Nisy namako izay mantsy avy eo Ambohimalaza(teneniko eto fa tsy mikritika akory aho sao lazaina oe manmbany na manambony) ary Andriatompokoindrindra ry zareo. Ka nafaran'ny bebeny mafy oe aza manambady ireo olona mipetraka etsy ambony iretsy fa menakely ireo. Ka tsy aiko ny tiany lazaian @ zany sao fantatrao.


Miarahaba anao ry Ampandrana.
Ity ny valin'io fanontaniana manahirana ano io:( 2ième définition du mot menakely):
-Rehefa misy andriambe miamboho, dia ny" menakely" no manao ny fikarakarana rehetra @ ilay razana (izay tsy azon'olon-kafa ,ankoatran'izy ireo , kasihina).Ary tena sarompiaro @ io adidiny io
mihintsy ry zareo.
Ohatra : Raha miamboho ny zanak'Andriana eny Fiakarana, dia ireo Andriandranando eny irery ihany no mahazo mikarakara sy mikasika ilay razana raha ny tena izy.


Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18050]

mpandalo

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 06/05/2010 à 11:16 (Lu 1331 fois)
Répondre
Citer

Citation
Minoa ahy ihanao fa avy amina " concours de circonstance " hafa dia hafa sy fisainana lalim-paka, asa,azo lazaina hoe "méditation" , tsy eritreretina akory no niavian'ny hevitr'Andriantompokoindrindra hamorona ny tranomanara. ... N'oublions pas que c'était un "illuminé" et........... je n'en dirai pas plus


O ry Tany a, tena tsy hatoriana mihintsy ity resaka ity an! amin'ny irany maraina mbola eo ihany. Mbola discussion io resahanao io. Misy niteny fa lova tsotra izao avy any amin'ny reniny. Misy miteny fa mba "tsilikaina" koa ny azy. Ka asa inona no marina. Na samy marina fa natao mise en scène ...


Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18051]

Ampandrana

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
48 messages postés


Posté le : 06/05/2010 à 16:54 (Lu 1318 fois)
Répondre
Citer

Miarhaba indray!
Efa miresaka trano manara ihany ny eto dia saika anontany anao aho ry mpandalo.
Ny fanaovana azy ireny ve misy karazana normalisation no nanaovan'ireo olona taloha azy, izany oe ny angezany, ny hazo anamboarana azy,ny paoziny. Misy dikany koa ve ny lokony ohatra mena, fotsy, sns
Ary marina v fa manambina marina izy ireny. Misy olona fantatro mantso milaza amiko fa rehefa misy mandeha lavitra hono ny fianakana misy azy ohatra oe oan andafy dia maka morceau kely @ ilay trano manara. Ankehitriny aza toa tsy eo intsony ilay trano manara fa nangalarin'ny olona ilay izy dia amidin'ireo tsy mataho tody.

Merci hatrany e!


Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18052]

mpandalo

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 06/05/2010 à 17:20 (Lu 1313 fois)
Répondre
Citer

Ampandrana >>> Miarahaba anao. Tsy hamaly direct koa aho, fa jereo kely ny any amin'ny tompony :

1- Antampon'Ambohimalaza

http://www.ambohimalaza-france.com/gallery/2008_ambohimalaza/jpg_mamabozy2008_869.htm

2- Ambohimalazabe

http://www.ambohimalaza-france.com/gallery/2004_ambohimalazabe/jpg_IMG003021.htm


Ilay manambina indray aloha dia asa.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18054]

havana

Voir son profil

Activité : 0.5 / 5
Kool Newby
2 messages postés


Posté le : 06/05/2010 à 21:58 (Lu 1284 fois)
Répondre
Citer

Momba ny trano manara sy ny tranomasina dia fa samy manana ny refiny ny hitako aloha. Ary ny an-dRadama Rainy aza dia toa inspiré avy amin'ny endriky ny lapa tranovola ny endriny. Ny signification izany no tena zava-dehibe.
Na izany aza dia isan'ny mba nandray anjara tamin'ny fanavaozana ny iray amin'ireo fasana telo miantaona (miandalana) eo antampon'Alasora aho. Araka ny toro-marika nomen'ny andriandahy iray dia tena nomeny mihintsy ny refy samihafa hanaovana ilay trano manara, ny lokony dia rouge basque tendance noir ary ilay eo amin'ny vovonana ary dia nasainy natao endrika lohandefona, dia nanontany aho hoe fa rehefa inona no atao hazo mifanapaka (forme X) no eo fa be no manao izay, dia hoy izy hoe rehefa mpanjaka no miafina ao dia sarina lelan-defona no tokony ho izy. Araka ny fantatro dia misy tranomanara ny fasan'Andriamamilazabe raiben-dRalambo ao Ambatomanitrasina, toy izany koa ny mpanjaka sasany any amin'ny faritra Bezanozano izay iray razana amin'Andriamamilazabe ihany satria iny no lalan'ireo alahamadintany ka nisy ny nijanona nanangana fanjakana tany!

Mazotoa daholo ny andriana sy ireo izay liana rehetra!

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18055]

tany

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 06/05/2010 à 23:58 (Lu 1285 fois)
Répondre
Citer

Citation : Ampandrana
Miarhaba indray!
Efa miresaka trano manara ihany ny eto dia saika anontany anao aho ry mpandalo.
Ny fanaovana azy ireny ve misy karazana normalisation no nanaovan'ireo olona taloha azy, izany oe ny angezany, ny hazo anamboarana azy,ny paoziny. Misy dikany koa ve ny lokony ohatra mena, fotsy,


Ho tohizako kely ny valitenin' Mpandalo.
Ankoatr'ireo tranomanara hita t@ sites nomeny, fahagola, dia nisy koa ny tranomanara natao t@ zozoro.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18057]

Ampandrana

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
48 messages postés


Posté le : 07/05/2010 à 10:05 (Lu 1271 fois)
Répondre
Citer

Miarahaba antsika rehetra!

Misaotra betsaka anareo aloha @ ilay valinteny.
Nisy doc hitako vao maraina teo momba io. Araka nolazainy dia ny trano manara eo ambony fasana dia trano kotona sy trano zozoro. Fatsy aiko oe ohatrany ahoana moa ilay trano kotona. Ny fantatro fotsiny dia ny trano kotona dia teo Ampandrana no nisiany voalohany izay t@ andro fahagola izay nanjakan'i Rafandra teo Ifandro.

Momba ny momba ny fitomiandalana indray dia araka ny fahalalako azy toa Andriamasinavalona i Andrianambonimena sy i Andriamohara. Kanefa nisy doc izay hitako fa ireo zzamarolahy etsy Ambohijanaka dia tarank'Andriamohara. Tsy tadidiko na taranak'Andriamohara izy izay na Andrianamboninmena fa ahitsio raha misy diso. Koa ny mahagaga ahy dia Andriamasinavalona nefa ny taranany zazamaolahy kanefa toa de naisasance ny zazamarolahy fa tsy annoblissement.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18058]

mpandalo

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 07/05/2010 à 10:39 (Lu 1264 fois)
Répondre
Citer

Mijery ao amin'ny Aviavy fotsiny ange ianao dia mahita an ity e :

Citation
"Andrianavalonarivo , milevina eny Ambohitrandriamanitra, atsinan'Ambohijanaka, izay niteraka an'Andrianavalomanitsadahy sy Andriandahimbolamena ; ireo no razamben'ny Andriana eny Ambohijanaka;"

Iza moa io Andrianavalonarivo io ? Zazamarolahy ve izy ireo ?


Mbola averiko indray. Rakotomavo Andriambelomasina ve mpanjaka, dia ny zokiny Andriamohara ho andriamasinavalona ?

Mbola tsy voavalinao tsara izany ny hifandraisan'Ikakibe Andriamohara sy Ikakibe Andrianambonimena no tsy mety ahitanao ny valiny.

Mazotoa e.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18059]

tany

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 07/05/2010 à 14:55 (Lu 1239 fois)
Répondre
Citer

Citation : mpandalo
Mijery ao amin'ny Aviavy fotsiny ange ianao dia mahita an ity e :

Citation



Mbola averiko indray. Rakotomavo Andriambelomasina ve mpanjaka, dia ny zokiny Andriamohara ho andriamasinavalona ?


Miarahaba anao ry Ampandrana....ahoana ny hevitrao raha toa ka omena devoir kely ihanao?.Ahasoa sy ampandroso anao miandalana eny izany.
Izao ary no izy :Nisy site nasain'i Mpandalo jerenao , ka topazo maso kely indray mandeha ,de mandraisa notes.
Jereo ny anaran'ny RENY niteraka an-dRakotomavo( fa tsy ilay reny nanangana azy ,an).Avy eo dia mba ampalalao anay ny valiny.Tsara tsara kokoa raha mba asianao resaka kely ny momba azy.
Mazotoa ary ihanao rahavako.


Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18060]

tany

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 07/05/2010 à 20:23 (Lu 1227 fois)
Répondre
Citer

Citation : Ampandrana
Miarahaba antsika rehetra!

Misaotra betsaka anareo aloha @ ilay valinteny.
Nisy doc hitako vao maraina teo momba io. Araka nolazainy dia ny trano manara eo ambony fasana dia trano kotona sy trano zozoro. Fatsy aiko oe ohatrany ahoana moa ilay trano kotona.


Aleo alefa manao" sur terrain" ihanao ry Ampandrana fa hampitombo ny fahalalanao izany sady ho azonao tsapai-tanana tsara ny fikarohana ataonao:(trano kotona = trano hazo )
Mankanesa ihanao eny Antsahadinta fa misy trano kotona ao. Ny 1 dia tranainy , ary ilay musée azo lazaina fa vao haingakaingana ihany.
Eo @ Rovan'Ambohijanaka koa misy 1 tranainy be.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18061]

Mpitsidika matsilo

Voir son profil

Activité : 1 / 5
Kool Newby
4 messages postés


Posté le : 07/05/2010 à 21:40 (Lu 1201 fois)
Répondre
Citer

Mba nahafinaritra ahy ry Mpandalo ilay fikarohana asainao atao, ny tena rahateo liana mba te ahalala ka toy izao no azo notovozina:

Nampitadiavin'Andriantsimitoviaminandriana ny zanak'anabavin'Andrianambonimena , dia ny zanaky Rangorinimerina izany.

Tamin'izay fotoana izay dia nipetraka teny Androhibe eny ankilan' Antsahadinta Rangorinimerina satria Andriamifonozozoro vadiny dia teraky ry zareo eny Ivatobe sy Androhibe Antsahadinta, izany hoe avy amin'ny tera-dRavololondrenitrimo sy Andriandambozozoro mbamin-dry Andrianjakatrimo.

Dimy lahy sy valo vavy no natera-dRangorinimerina.

Nalain'Andriatsimitoviaminandriana daholo ny zanaka lahin -dRangorinimerina, dia ireto avy :

1. -Andriamohara, nandova fanjakana ny anadahin-dreniny dia Andrianambonimena izay teny Alasora . Niteraka telo lahy sy iray vavy izy izay niparitaka teny Ambohijoky , Antsahadinta, Fenoarivo, Ambatomanga,Ambohipaniry, sns...

2.- Rakotomavo Andriambelomasina, mpanjakan' Ambohimanga. Izy no loharano nipoiran'ny Zanakandriana sy Zazamarolahin' Ambohimanga izay niparitaka ihany koa. Isan'ireny ny naterak'Andrianampoinimerina.

3.- Andriantoarano raiben'i Andrianaivoramahazo zazamarolahy mpanao mari-trano, manan-taranaka eny Alasora, Ambohimanga sy Miarinarivo Ambohipananina, ...

4.-Ramisamanjaka tompom-bodivona teny Anosiarivo, nisy zanany koa eny Antanamalaza sy Ifandana.

5.-Andriampalimanana sy ny terany eny Tsirangaina amin'Ambodirano sy Ambohidrangory.

Rehefa tonga teny Ambohimanga ny zanaka dimy lahin-dRangorinimerina dia hoy Andriantsimitoviaminandriana hoe : " Tsy sanatria akory izahay hangala-jaza fa haka zaza hampanjakaina".

Natsangany ho zanany izy dimy mirahalahy ireo ary nisafidy anankiray izy hitondra ny fanjakana. Voafidy tamin'izany ny zanaka lahiaivon-dRangorinimerina atao hoe Rakotomavo Andriambelomasina.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18062]

Mpitsidika matsilo

Voir son profil

Activité : 1 / 5
Kool Newby
4 messages postés


Posté le : 07/05/2010 à 22:03 (Lu 1199 fois)
Répondre
Citer

Andrianavalonarivo kosa dia zanak'Andrianambonimena tamin'i Ranavalomboahangy. Nanana rahalahy koa izy natao hoe Andriatsiorivahoaka.
Ary araky ny efa voalaza etsy ambony dia "Andrianavalonarivo , milevina eny Ambohitrandriamanitra, atsinan'Ambohijanaka, izay niteraka an'Andrianavalomanitsadahy sy Andriandahimbolamena ; ireo no razamben'ny Andriana eny Ambohijanaka;"

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18063]

Mpitsidika matsilo

Voir son profil

Activité : 1 / 5
Kool Newby
4 messages postés


Posté le : 07/05/2010 à 22:19 (Lu 1220 fois)
Répondre
Citer

Satria resy an'ady i Andrianambonimena, tsy nandova ny fanjakan-dRaibeny dia tsy Zanakandriana intsony fa lasa Andriamasinavalona. Nanaraka izany koa ireto zanany ka izany no maha Andriamasinavalona ny Ambohijanaka.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18064]

tany

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 07/05/2010 à 23:44 (Lu 1213 fois)
Répondre
Citer

Citation : Mpitsidika matsilo
Satria resy an'ady i Andrianambonimena, tsy nandova ny fanjakan-dRaibeny dia tsy Zanakandriana intsony fa lasa Andriamasinavalona. Nanaraka izany koa ireto zanany ka izany no maha Andriamasinavalona ny Ambohijanaka.


Misy zazamarolahy koa ao .

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18065]

mpandalo

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 08/05/2010 à 10:35 (Lu 1196 fois)
Répondre
Citer

Tongasoa eto amin'ny sehatra izany i Mpitsidika matsilo. Tena arakao tsara mihintsy ilay resaka.

Hay misy zazamarolahy ao Ambohijanaka ry tany ? tena tsy arako indray izay.

Ampandrana >>> tsy efa mazava amin'izay ve izany fa zanakandriana sy zazamarolahy ny ao amin'ny fitomiandalan'Alasora fa tsy andriamasinavalona velively ?

Vita ireny raharaha tamin'i Mavolahy ireny, dia voaroka ny terak'Andriamohara. Niparitaka hatraiza hatraiza tao Imerinatsimo tao. Izay nijanona dia andriamasiavalona, fa tsy nisy afaka nafenina tao amin'ny fitomiandalana intsony. Afa-tsy Ikakibe Andriantsira , neken'i Ranavalona ny niverenany tao avy any Antsahadinta, ary Inenibe Ramanantenasoa, raha nandidy i Radama II. Ny mahonena , dia Ikakibe Andrianavalonjafy sy Ramavolahy izany tsy tafiditra tao, fa andriana resy ary mpikomy hono, dia nalefa tany an-kafa.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18072]

mpandalo

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 10/05/2010 à 09:34 (Lu 1156 fois)
Répondre
Citer

*** censuré - veuillez régler vos querelles personnelles par messagerie privée ***

Ampandrana >>>> Les tranokotona. Les vrais ( authentiques ) à Tana et ses environs, je n'en ai plus vu beaucoup. A Ampamaho, il y a encore un si mes souvenirs sont bons. A Antsahatsiroa, il y en a encore deux . A Antsahadinta, j'en ai vu 1. Pour dire que les tranokotona sont aussi des maisons et pas seulement des maisons saintes. Certains font la distinction entre trano masina en bois ( kotona ) pour une certaine catégorie d'andriana, d'autres parlent de trano manara en roseau ( zozoro ) pour une autre catégorie ... Je ne vais pas aussi jouer celui qui sait tout. Cette partie là, je ne maîtrise pas, du fait qu'actuellement je ne vois plus trop de trano manara en roseau.

Dernière chose . Je vois que sur gasikara.net, les Ambodifahitra et les Ambohimanambola font parties de la grande famillle des andriana . Ouh là là, je ne le savais pas.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18073]

Ampandrana

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
48 messages postés


Posté le : 10/05/2010 à 10:42 (Lu 1149 fois)
Répondre
Citer

Miarahaba anao ry mpandalo.
Azo lazaina izany fa marolahy ny ao @ fitomiandalana. Tena hita fa nisy dikany betsaka t@ olona taloha ny fasana sy fahafatesana.
Sendra tafahaona sy niresaka t@ fianakaviana izaho t@ iny week-end iny ka niresaka momba ny fahafatesana mihitsy. Ny resaka t@ izay dia ny resaka lafika. Malaza any aminay fa rehefa misy maty ny fianakaviana indrindra raha teo an-tampon-tanàna dia misy maty manaraka iny koa ry zareo esty ampita andrefana izany oe ireo ankizin-drazana taloha. Dia nilaza ilay nenitoako oe ny olona taloha hoy izy manao lafik'andex. Hitako fa otran fomba ratsy ihany le iz raha @ izao no resahina.
Ka saika anontany anao izaho oe inon no tena diakan'ilay manao lafika.
Misaotra anao nanazava momba ilay trano kotona. Teo an-tampon-tanànanay koa mantsy taloha nisy trano kotona telo fa nodoran'i Rainivoninahitriniony fony izy praiministra.

Misaotra betsaka de mazoto e!


Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18076]

mpandalo

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
58 messages postés


Posté le : 10/05/2010 à 13:26 (Lu 1137 fois)
Répondre
Citer

Bravo modérateur.

Quand un autre sort ce genre de chose , lui n'est jamais censuré :

Citation
Hé le gueux puéril, ferme un peu ta gueule de paysan bouseux. Tiens-toi à ton rang de gueux. Sinon, j'enchaîne. Tu veux ? Ok, j'enchaîne puisque t'aimes ça. Je vois que tu en fais une maladie, limite crise cardiaque. T'inquiète le gueux, le jeu puéril, je sais faire aussi. Et au cas où tu ne le saurais pas le gueux, j'ai infiltré ton administration. A un poste élevé. Peut-être même que tu es mon petit employé. Hahahahahahaha. Allez reviens encore que j't'enchaîne puisque t'aimes ça hein. Petit gueux bouseux va !!! T'auras ta dose héhéhéhé


Censurez-moi, banissez-moi. Pour moi le site Koosaina n'existe plus. Soyez cool entre vous.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18077]

Ampandrana

Voir son profil

Activité : 2 / 5
Kool Newby
48 messages postés


Posté le : 10/05/2010 à 14:54 (Lu 1131 fois)
Répondre
Citer

Miarahaba anao ry mpandalo.
Ahoana indray citation io iza io olona lazainao io. Iza io manao oe censuré io e! maninona raha censren-ko zay e!
E ry olona mi-censurer olona io e! Censureo ko izay zany ko ny olona mba mampahafantatara anay ny lasa indray ve censuré oe censuré. Tsy mazaka ny zavatra soratana eto ve.

Re: andriana c'est juste un titre ou ..... [18078]

lintello

Voir son profil

lintello

Activité : 2 / 5
Kool Habitu�
408 messages postés


Posté le : 10/05/2010 à 15:16 (Lu 1130 fois)
Répondre
Citer

Les modérateurs ne peuvent malheureusement pas être partout mais on essaie de maintenir le forum convivial et constructif autant qu'on le peut.

Je vous avais récemment demandé de régler vos querelles personnelles par messagerie privée mais certains d'entre vous n'arrivent pas à respecter cette règle, alors que d'autres ont fait des efforts en se recentrant sur le sujet ou en faisant profil bas.

Ils seront donc bannis définitivement du forum et je leur prie de ne plus jamais revenir pourrir cet espace de discussion (qui n'est nullement un espace de règlement de comptes).

Pages:  << [11-20] 21 22 23 24 25 26 27 28 >>

Ajouter une réponse

Vous écrivez en tant que :  Login :   Password :
Titre de votre message :
Corps de votre message :

 [citation] [image] [flash]

 [gras] [italique] [souligné]
 [barré] [exposant] [indice]
 [grandir] [reduire]

 [noir] [orange]
 [rouge] [violet] [bleu] [vert]

   Prévisualiser le message

12345678910
AA1A2A3A4A5A6A7A8A9A10
BB1B2B3B4B5B6B7B8B9B10
CC1C2C3C4C5C6C7C8C9C10
DD1D2D3D4D5D6D7D8D9D10
EE1E2E3E4E5E6E7E8E9E10
FF1F2F3F4F5F6F7F8F9F10
GG1G2G3G4G5G6G7G8G9G10

   M'avertir par email en cas de nouvelle réponse (pour les membres)

Valider

Visitez nos partenaires allvideogasy.com - Shaani Artiste Soul RNB - College de France Madagascar
KoolSaina Forum V4.01 - Page générée en 0.3404 seconde avec 9 requêtes