| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [17974] |
|
| Posté le : 30/04/2010 à 09:20 (Lu 956 fois) | | | Miarahaba antsika rehetra indray!
Hoy ianao ry mpijery hoe Marolahy= tetiarana lava reny+fitomiandalana.
Kanefa raha ny fahalalako azy dia ny fitomiandalana etsy Alasora dia Andriamasinavalona dia ry Andrianamboninimena. Sa nasondrotra zazamarolahy
Saika anontany anao izaho hoe avy aiza ny zazamarolahy. Rahany fahalalakoazy mantsy dia ireo tarak'izy efa-dahy zanak'i Andriamasinavalona izay nanjaka teto Analamanga dia Andriamasinavalona dia ireo zaza tsy nanjaka sy ireo fianakaviana.
Omaly izaho anefa raha niresaka t@ olona iray izay dia nolazainy fa tsy ireo taranaky ny efa dahy zanak'i Andriamasinavalona no atao oe zazamarolahy fa efa tatay ahoriana ireo. Ka lasa mifangaro amiko ilay.
Ka sao afaka manome fanazavana bebe kokoa momba ny Zazamarolahy ianao.
Ar aizamarina kay ny nanafenana ny Mpanjaka Andriamasinavalona. Araka ny nolazain'ilay olona ihany fa tsy eo Manjakamiadana no nanafenana azy.
Misaotra tompoko!
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [17985] |
|
| Posté le : 01/05/2010 à 18:52 (Lu 926 fois) | | | [cit=Ampandrana
Ar aizamarina kay ny nanafenana ny Mpanjaka Andriamasinavalona. Araka ny nolazain'ilay olona ihany fa tsy eo Manjakamiadana no nanafenana azy.
Misaotra tompoko!
Miarahaba anao ry Ampandrana.
Andriamasinavalona dia eo Manjakamiadana tokoa no miafiana ,ary nanafatra ny ho afenina miaraka @ ilay vady tiany indrindra, izay niamboho tapa-bolana monja tao aorinan'ny niterahiny ny zanany lahy iray izay nanjaka tao Ambohimanga taty aoriana.
Ny fanontaniana hafa napetrakao dia aleo ho valian'i Mpijery.
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [17988] |
|
| Posté le : 03/05/2010 à 12:53 (Lu 898 fois) | | |
Citation Kanefa raha ny fahalalako azy dia ny fitomiandalana etsy Alasora dia Andriamasinavalona dia ry Andrianamboninimena. Sa nasondrotra zazamarolahy |
|
Ity misy lahatsoratra hitako tamin' ny internet , amin' ny teny frantsay moa, mikasika an' io resaka io. Toa famintinana ihany ny fijeriko azy.
Raha mazoto moa i Mpijery dia izy no hamaly, satria toa manontany basy amin'ny angalisy ianao ry Ampandrana.
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [17990] | |
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [18129] |
|
| Posté le : 21/05/2010 à 14:40 (Lu 700 fois) | | | tena mampmé be aloha lé etre andriana eto amin'ny tanàna e!
anarana fanao amin'ny olona gli dia somary ampiana keky hoe afenina any ananona , ny ankapobeny ny olona rehefa tsy izany dia hamafisina ery hoe izany , ny zavatra efa masina tsy mila hamasinina intsony koa raha izany tokoa ilay olona dia tsy akory antony hanandrianana azy ,
fa izany eo ihany fa io titre io angé manambara ny asa aman'andraikitra zay zakain'ilay olona e!
ny hitako amin'izao fitombon'ny isan'ny mponina izao aloha dia azo lazaina ho Andriambodi.......lova daholo ny ankamaron'ny gasy
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [18269] |
|
| Posté le : 22/06/2010 à 15:54 (Lu 478 fois) | | | Tsarava tompoko o!
Ao @ facebook misy groupe hoe " si toi aussi t'es 100% Andriana ". Koa manasa antsika anao debat ao sady fantatra sy hita mazava tsra zay miady hevitra eo!! aoka izay Andriana ihany no miditra ao @ io groupe io mba tsy hisy korontana na fiantsiana, . misaotra tompoko
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [18270] |
|
| Posté le : 22/06/2010 à 15:58 (Lu 477 fois) | | | Tsarava tompoko o!
Ao @ facebook misy groupe hoe " si toi aussi t'es 100% Andriana ". Koa manasa antsika anao debat ao sady fantatra sy hita mazava tsra zay olona miady hevitra eo!! aoka izay Andriana ihany no miditra ao @ io groupe io mba tsy hisy korontana na fiantsiana, . misaotra tompoko.
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [18331] |
|
| Posté le : 12/07/2010 à 17:21 (Lu 339 fois) | | | Ny tanan'Andriana dia fantatra avy hatrany misy ady dia misy ny atsinanakady sy atsimo kady
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [18336] |
|
| Posté le : 17/07/2010 à 10:18 (Lu 247 fois) | | | Miarahaba anao ry ketafotsy!
Ary maninona ny etsy Ambohipeno Ambohimanambola no misy aviavy nefa tsy misy andriana akory fa tsimahafotsy sy zanamihoatra ihany.
Momba ny zanamihoatra ian koa: ny zanamihoatra dia taranak'i Andriamihoatra izay tetsy Ambohitraina ary ambohitraina dia misy hadivory koa maninona no sokajiana ho hova ny zanamihoatra.
Misaotra tompoko mialoha @ valinteninao.
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [18340] |
|
| Posté le : 19/07/2010 à 13:44 (Lu 186 fois) | | | Ary toa niala daholo ilay resabe teto mikasika ny trano manara ? nesorina angaha satria mahamenatra ?
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [18352] |
|
| Posté le : 19/07/2010 à 18:37 (Lu 171 fois) | | | inona moa no tokony ahamenatra an'izany?? Sa ianao manotany io no menatra fa tsy manana azy?? Sa kosa ianao io mba te ahafantatra ny refiny sy ny mombamomba azy mba hianarana.
Resaka tsotra no azo atao momba an'io eto
| |
|
|
| Re: Etre Andriana, c'est d'actualité [18405] |
|
| Posté le : 01/08/2010 à 17:31 (Lu 366 fois) | | | Efa 4 taona i RavoninoroLouise no assassiné ny rainy Ratrimoarivony ; talohany naha mpanjaka an'i Razafindraheta izy izany no teraka.
Efa no tezain'ny nenitoany Rasendranoro tao Ambatobevanja koa izy, ary avy eo rehefa hita fa misotrosotro io nenitoa io dia lasa nimpetraka no taizain'ireo queen garduan , mpitaiza mpanjaka ireny i Ravoninoro Louise ; tamin'izany no nanany ireo frères et soeurs de coeur
Ranjavao mianadaha avy. Misy an'ireny Dr Rajaonarivony Georges ...
Tsy frères et soeurs de sang aminy akory ireo fa fianakaviana lavitra mpitaiza azy fotsiny
| |
|
|
|