Naka Rabemanantsoa – Hira (Tononkira)

Hira no atolotro anao
Hira, kalokalo natao
Mba hanala taraina
Sy ny fo savolaina
Ka hitondra hafaliana
Mba ho anao ry tiana

Hira no lazaiko ho anao
Fa na iza eto an-tany
Mbola velona ihany
Hira hirahira no atao
Mba handrotsy ny saina
Voton-tsenton-taraina

Hira isan’andro isan’ora
Hira no vetsoy moramora
Fa ho sambatra ianao
Raha toa tsapanao
Fa ny hira no hany
Fanafodin-tomany

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*