Mahaleo – Amin’ny anaran’ny ray (Tononkira)

Amin’ny anaran’ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina
Amena! amena! amena!

Aleonay misotro toaka gasy
Toy izay hamaky baiboly, hamadika taratasy
Aleonay misotro toaka gasy,
Toy izay hamaky baiboly, hamadiky taratasy
Dia hanao hoe

Amin’ny anaran’ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina
Amena! amena! amena!

Maro mantsy ireo mpiha-tsara velatsihy
Hampiseho lamaody no tena aton-dia
Maro mantsy ireo mpiha-tsra velatsihy
Ny hampiseho lamaody no tena aton-dia
Dia mba mody hoe

Amin’ny anaran’ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina
Amena! amena! amena!

Aleonay vavaky tena malagasy
Toy izay irony vavaka noferina avy any an-dafy
Aleonay vavaka tena malagasy
Toy izay ny vavaky ny vazaha be taim-parasy
Dia manao hoe

Au nom du pera, et du masera, et du mopera, du sefo frera:
Amena! amena! amena!
Au nom du pera, et du masera, et du mamera, et du mopera:
Amena! amena! amena!

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*