Mahaleo – Andriamanitra avo (Tononkira)

Andriamanitra Avo
Toa tsy ho ela dia foana
izao tontolo izao
Soa aho fa nihaona
sy nahalala anao
Fa teny amoron-kady
ny antsana no tazana
potika ny tany
sy zary hiantsampazana
Ny manodidina ahy
toa moana sy poakaty
Ny hatsaram-panahy
nandositra sa maty
na ny fijery an’azy
lasa nandao koa ny fo
tsy hisy te halala azyny alaheloko
Indrisy ny fitiavan-tena
dia loharanon’ny maloto
Tsy mety ritra tsy hay fefena
Lasa rano fisotro
Tsy misy hatahorako
Hitsakitsahinao daholo
Na herika “nodorana”
Ny fahendren’ny Ntaolo
Fa tonga ianao nivazo finoana sy fitiavana
handesy ireo ratsy
hampiray ,hampihavana
Ka ny fitiavana no hasetriko ny sopatra
Ny manodidina ahy,fony no hiriko hisokatra
Fa tsy hisy lalan-tsarotra,
na fitsapana mety handavo
Fa ao hitsinjo, hanavotra
ANDRIAMANITRA AVO!
Ou! ou! ou! ou!……
Andriamanitra Avo!

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*