Mahaleo – Asio siramamy (Tononkira)

Toa tsy misy atao aho
Mahatsiaro anao aho
Ianao milalao
Ianao mampilalao ahy

Tebitebin-tsaina
No hoentiko miaina
Ary toa mangaina
Verivery saina

Fafao ny alahelo, fafao ny ranomaso
Tsy vitan’ny tomany ny onjan’ny akaso
Atanjaho ny saina, atanjaho ny loha
Fa ho avy ny maraina
Ho tonga koa ny soa

Aza mora taitra
Raha tojo ny mafaitra
Asio siramamy
Asio siramamy

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*