Naka Rabemanantsoa – Dobla sento (Tononkira)

midona aman-kalo ny oran-ko avy
miafana kely ireo olo-manavy
ny fanantenany fa ho mando ny tany
no toa hampitony ny maso tomany

ny fo diso tiana, ny fo sara-tiana
manomboka kosa hisento mangina
mandefa ny sento hamaky ny foana
miampita ao an-tsofin ilay tsy anoloana

injany midina Ankaratra irony
na manembona mantsy ny fony
ny fon’ ilay tiana ka lavitra izany
dia tsy mba mionona, tsy mety mitony

ny fo mitempo mihevitra koa
hanala ny sento tsy toha
fa dobla sento mandeha iray dia
ho tonga santionan’ ny fo mifangia

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*