Naka Rabemanantsoa – Injany feom-boro mikalo (Tononkira)

Injany feom-boro-mikalo
Naseran’ ny rivo-mandalo
Kinanjo ny vokany ho’ aho
Nanjary toa mampitalaho

Jereo ’ty andro mipaoka
Ny aizina dia lasa voaroka
Kinanjo manjombona ihany
Fa izany no fomban’ ny tany.

Ny tany, ny hatanorana
Dia tena tsy tomombana akory
Raha izany no hiafarana
Anio dia mandeha matory

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*