Naka Rabemanantsoa – Veloma ry Saïd Omar (Tononkira)

Dia veloma o, ry Saïd Omar
Fa hisaona anao ilay voafitakao
Ka masina indrindra re
Fa izao no farany

Fa diso fifidy
Ka tratry ny nenina
Kapoaka mangidy
No sisa atelina

Ho lavo tsy afa-mijoro
Ny voafitaka toa ahy
Voarebirebin’ ny hevitra
Ankosoka feno renty

Tahaka ny afon-jozoro
Ny fitiavana maloto
Miroborobo firehitra
Fa levona vetivety

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*