Alson ft Paris – Tadidy ndry ve (Tononkira)

Alson:
Tadidin-dry ve ilay taratasy indray andro iny
Natolotro anao fony mbola zaza isika tam’ireny?
Tadidin-dry ve ilay nosoratako f’ianao irery
no andrin’ny foko?
F’ianao ilay tokana ho ahy?

Tadidin-dry ve ireny
ka androany izy ho lazaiko an-kira?
Nifankatia tam’ireny ka tsy nifankafoy.
Tadidin-dry ve ireny
ka androany izy ho lazaiko an-kira?
Nifankatia tam’ireny ka tsy nifankafoy.

Paris:
Tadidiko foana ilay taratasy taminao iny
Natolotranao ho ahy
mbola zaza izaho tsy sahy niteny.
Tadidiko foana ilay nosoratanao
f’izao irery no andrin’ny fonao,
Izaho ilay tokana ho anao.
Fa indrisy anefa toa tantara sisa ireny
Lasa embona ny antsika ny omaly

Paris & Alson:
Tadidin-dry ve ireny (tadidiko)
ka androany izy ho lazaiko an-kira?
Nifankatia tam’ireny ka tsy nifankafoy.
Tadidin-dry ve ireny (tadidiko)
ka androany izy ho lazaiko an-kira?
Nifankatia tam’ireny ka tsy nifankafoy.

Tadidin-dry ve ireny
ka androany izy ho lazaiko an-kira?
Nifankatia tam’ireny ka tsy nifankafoy.

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*