Re: Etre Andriana, c’est d’actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité Re: Etre Andriana, c’est d’actualité

#19098
jaky
Membre

Tsara va daholo tompoko ho antsika teraka Rangitatrimovavy rehetra.
Kosy tompoko ho an’ny folovohitra.

Zavatra kely mba tiako hentina amintsika eto momba ny teny hoe: « ANDEVO ». Raha ny marimarina kokoa dia tamin’ny faha-panjaka dia ireo andriana resy an’ady dia afaka natao ho andevo avokoa. Ao koa ireo olona rehetra tsy mahaloa hetra.

Tamin’ny andro ny Ranavalomanjaka na Ramavo dia natao ho andevo ny andriambavikely Rafaravavy Maria ary namidy tamin-dRainiharo satria tsy nanaiky ny baikon’Andriana.

Midika izany fa ny fiteny hoe: Andevo dia sokajy io fa tsy foko na koa firarazana. Telo ny sokalin’olona eto amin’ny imerina enin-toko dia ireo avo razana dia ireo andriana izany. Manaraka dia ny olo-tsotra na hova ary farany ireo andevo na mpanompo.

Moa ve ry Lantosoa ra alàna amin’ny voambolana malagasy io di hitanao fa mitombona? hataoko fa tsia kosa angambany satria tsy firarazana akory io fa sokajy.

Comme celui des européen, il y a les aristo, les roturiers et les esclaves.

Sur ce, bon vent à tous!

error: