Répondre à: Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité Répondre à: Etre Andriana, c'est d'actualité

#19146
Anonyme
Inactif

tsara va tompoko! je parles aux Andriana.

il ne faut plus qu’on fasse attention à leurs propos bléssante et autre…, qu’ils soient d’accord ou contre nous ce ne n’est pas très important ( tous les internauts ici présent ont leurs avis bien arrêtés sur le sujet). C est peine perdu d essayer changer ceux qui n ont acune envie de changer.

Marina indrindra izany.

Mandoto-tena fotsiny ny mifamaly @ olona manao sain-andevo. Isika Andriana koa tsy dia mba notaizana tamin’ny fanaovana taim-bava na fiteny tsy mendrika fa toetran’andevo daholo izany.

Tsy mahagaga raha rangitra amin’ny laharan’Andriana ny sasany. Ao ny fialonana tsotra izao satria tsy mba anisan’ny Havanandriana. Ao koa anefa ireo voahilikiny fianankaviany satria nandrorona dia lasa romotra sy lasa alahelo mandrapahafatiny. Tsy atao mahagaga mihintsy izany.

Tamin’ny andro fahagola, izay rehetra tsy manaja ny fepetran’ny fiandrianana amin’ny fifanambadiana dia voasazy ary very sata ny maha-Andriana na ny maha-Hova azy. Matetika dia natao ho Andevo izy ireo: na voaroaka fotsiny izao, na naondrana tany antsisitsisiny tany, na namidy teo ihany (io ilay hoe « atakalo mangahazo »).

Tsy ny tsirairay no nidify ny tenany ho Andriana fa izany no nametrahan-Janahary sy ny Razana azy. Ny Andriana tsirairay ihany no afaka mahatsapa ny lanjan’izany maha Andriana izany: voninahitra, azo hireharehena izany, kanefa indrindra indrindra manome adidy sy andraikitra manoloana ny Fanjakana sy ny vahoaka merina, ary ny fihazonana ny maha-izy azy. Tokony tsaroantsika foana fa @ teny hoe « Andriana » dia misy ny hoe « Andry ».

Tsy izay taranak’Andriana rehetra koa anefa dia andrian-toetra avokoa fa tsy maintsy misy foana ny mamalan-kira sy manala-baraka. Fa io dia miankiny ihany koa amin’ny fomba nitaizana ny tsirairay. Mahita Andriana vitsitsy mivarilavo ny sasany dia tonga dia manao faobe mantsina hoe « andrian-dreraka ‘nareo e! izao sy izao e! »…
Raha tena alalinina, na dia izay fotsiny aza dia midika fa misy « attente » amin’ny Andriana. Na ny Andevo any ambanivohitra aza dia mbola mitana ny tsara va tompoko rehefa miarahaba ny Andrianany. Ary betsaka aza ny Hova manohana ny fomban-Andriana tsy misy fialonana.

je propose qu’on soit plus solidaire entre nous, qu’il y ait plus d’entraide et d’echange entre les andriana du même groupes entre eux et avec les autres groupes andriana (que ça ne se limite pas, juste à des fête de teraka ou autre).
je souhaiterai qu’une association telle que j’ai decrite ci dessus naisse en France ( ca sera le bien venu pour les etudiants comme moi et quelque autres, mais du fait de notre éloingnement geographique (entre provinces), rend les choses un peu plus difficile)

Izaho koa dia mahita fa hevitra tsara tokony hivaingana io. Ny mpanasoketa sy ny mpandrava-sivana tsy maintsy misy foana satria tiany ho tonga valabe ny Fiandrianina. Ny Andriana anefa mahafantatra tsara fa « ny hazo avo alan-drivotra » ary nomen-dRazana tsiodrano izy.

Un Andriamasinavalona.

error: