Re: Nahoana no mifampiavona ny gasy à Paris ?

Accueil Forums Tsy rariny – Tsy norme Nahoana no mifampiavona ny gasy à Paris ? Re: Nahoana no mifampiavona ny gasy à Paris ?

#19415
Anonyme
Inactif

Amiko aloha, izay rehetra hitako dia topazako tsiky kely na tsy miteny aza aho satria misy volon-koditra itovizana @ hafa ka aleo itsikiana izy , na gasy na tsy gasy. Tanako ny maha mpandala fihavanana ny razako. Ny olo-kafa aza amboleko fihavanana ka ny ahy indray ve no hariako, izay ny ahy e. Mety tsy miavona koa ny sasany fa variana, satria maro kosa ny zavatra heverina e, samia mba miezaka mifanala tsiny fa tsy mifanala baraka e. Samia ho tahian’A/tra aby isika rehetra ka samy hanao PAKA SAMBATRA daholo.

error: