Mahaleo – Any ambanivohitra any (Tononkira)

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •  

Any ambanimbanivohitra any ho aho
No misy ny akamanay (2)
Any koa ny dadanay e !
Any koa ny reninay
Any koa ny zokinay e !
Any koa ny zandrinay.

Mmmmmmmm ! ! ! !

Voatery handao ny ambanivohitra
Mba handrato fianarana
Ka hamonjy renivohitra
Tohatra fiakarana

Ka niezaka tokoa
Fa hikaroka ny soa
Nihevitry ny ho tafita
Nihevitry ny hahavita

Mmmmmmm

Mafy ny fiainana any e
Ka sahirankirana
Tsy hisy hitarainana any e

Na mba hifikirana

Vola, vola vola hatrany no takiana sesilany
Mampivadika ati-doha
Raha tsy manana dia voa

Mmmmmmm

Anefa tsy afaka manoatra
Voatery ny mitrosa
Ka tsy afaka hivoatra
Sorisory miavosa

Tsy tafandry koa ny saina
Tsy mikipy koa ny maso
Anefa izaho tsy hitaraina
Na hiteny hoe andraso

Any ambanimbanivohitra any ho aho
No misy ny akamanay (2)
Any koa ny dadanay e
Any koa ny reninay
Any koa ny zokinay e
Any koa ny zandrinay

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*