Se loguer

[wpmem_form login]

S’abonner
Notification pour
guest

2 Commentaires
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Loharano

Sarasara tsy ambakaina Tompoko.
Ny Repoblika sy ny Demokrasia dia tsy fantatry ny Malagasy. Tsy tao anatin’ny kolon-tsainy izany fa noentin’ny mpanjanatany. Dia nekeny satria resy izy. Firy amintsika no mahalala ny tena dikan’ireo ? Angamba 5 %.
Tsy mandeha amin’ny laoniny ny fandehan’ny raharaha eto amin’ny Firenena, hoy ny maro.
Inona no vaha-olana ? Averina ny Fanjakana satria izany no mety amin’ny Malagasy rehetra ary rafitra efa nisy sy niainana manerana ny Nosy (Ny Tsimihety irery no tsy nisy Ampanjaka).
Iza no mitondra ? Ny Andriana, izay tsy titre fotsiny. Andriana iza ? Ny eto Imerina no lahimatoam-panjakana ary efa neken’ny rehetra eto Madagasikara io (izay no antony tsy hisian’ny adim-poko eto mihitsy). Kamamy ohatra dia avy eto Imerina ny razambeny. Afaka manontany ny Princesse Francia Kamamy izay liana, …sns…
Andriana iza eto Imerina ary ? Miainga amin’ny zanak’anabavy ve sa ho karohana ny tompon’ny fanjakana arindra (aza hadinoina fa tsy tokony nanjaka Ranavalona III ohatra, satria nandà ilay tena tompon-toerana. Izaho, hoy izy, tsy hanambady ny vadin’i Neny).
Ny tsara indrindra angamba dia miverina eny amin’ny Loharano nipoiran’ny Fanjakana teto Imerina sy teto Madagasikara. Aiza io toerana nipoiran’ny mpanjaka voalohany teto io, ka nahazoana ireo mpanjaka rehetra taty aoriana nanomboka tamin-dRangita ka hatramin-dRanavalona III sy nahazoana ireo Ampanjaka tany amin’ny faritra hafa ?
Ao amin’io faritra io no hahitana ny Lahimatoam-panjakana. Aiza ary io, hoy ianao ?
Tsara Antitra Tompoko. Finaritra aza marofy.

SeB

Arahaba jiaby tsika ato

Efa teraka ity ilay olombelona hanambatra indray ny gasy tsy vaky volo. Tsy zarazain’ny loko sy foko fa Tena Gasy Miaina ary Tena Gasy Misaina.

Tena saina cool eeeee!!

Isaorana

error: