Naka Rabemanantsoa – Mivalo aminao (Tononkira)

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •  

Mivalo aminao anie aho ry tany!
Henoinao kely ‘ty feo mitomany,
Ineny malala efa lasa nankany
Idada tsy foiko avelao eto ihany.

Dada ô! aiza ny làlana nombanareo e!
Neny ô! hanaraka anareo re no sitrako izao,
Aleoko maty manaraka anareo
Toy izay velom-poana mijaly toy izao.

Dada ô! mivalo aminao aho ry tany
Neny ô ! henoinao ‘ty feo mitomany
Fa mijaly aok’ izany

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*