tsinjo11

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 18)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23101
    tsinjo11
    Membre

    Tsarava daholo tompoko ny Andriana!
    Marina mintsy izany!! d’ailleurs c’est mathematiquement prouvé ! on ne peut etre 100% andriana que si le pere et la mère le sont aussi!! un 100% andriana ne peut pas naitre de l’union d’un 100% et d’un non 100% (na dia 99 % aza).
    ABC, disons que tu es « metisse andriana » à toi d’en juger si tu dois en avoir honte ou en etre fier

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23042
    tsinjo11
    Membre

    Aoka isika hifanaja reroy e!!Aza tsikeraina ny Andriana raha mifanambady fa izay no kolontsainy !!Ny kolontsaina dia samy manana ny azy fa raha hifampitsara eto dia aiza no handroso ity firenena ty!!

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23034
    tsinjo11
    Membre

    Ilay hoe kolontsaina iraisan’ny Andriana tiko tenenina anie dia toy ireny hoe ny fitahirizana ny Fiandrianana amin’ny alalan’ny fanambadian’ny samy Andriana ohatra arakin’izay voalazaky tetsy ambony.
    somary manafintohina ny hova moa io resaka io ka dia afaka maka ohatra hafa isika toy ny hoe ny fitandrovana ny fady…ny kabary…sns…
    Fa ny resaka hoe fivoriana kosa angamba heveriko fa ny fanentanana fotsiny no tsy ampy e

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23028
    tsinjo11
    Membre

    Masinavalona>Tsarava tompoko!Ekena e:Izaho aloha dia tsy mbola niresaka fitondrana firenena fa heveriko fa mahazo mitondra daholo izay te hitondra eo satria efa tapitra ny fitondran’ny andriana.efa vaninandro hafa indray zao
    Fa ny resaka kolontsaina ihany ny ahy no mba nasiako resaka teo:Ny fitondran’ny Andriana no efa tapitra fa Ny Andriana dia mbola misy foana ary mbola hisy hatrany!izany no antony tokony hanamafisana ny kolontsaina izay iraisan’ny Andriana
    Ary ireny kolontsaina ireny indrindra no lalana anankiray hahafahana mizotra any amin’izay fivondronana lazainao izay.soava tsara

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23020
    tsinjo11
    Membre

    Mba fantatrao ve ny fiandrianan’ny prince William?Fantatrao ve fa i Dianna reniny dia « roturiere » tahakin’ny kate ihany talohan’ny nanambadiany an’i Charles!!noho izany tsy olana amin-dry zareo ny manao izany satria ry zareo mihintsy no efa nampiatra izany ho kolontsainy!

    tsy fantatro aloha izay mikasika an’i rainilaiarivony …izaho rahateo tsy dia liana loatra amin’ny tantaran’ny hova fa ny fantatro fotsiny dia isan’ny nampalaza azy ilay izy nampisara-bazana ny Andriana teto Imerina.Ka raha olona tahaka izany no andrandrainao sy tahafinao dia fantatro avy hatrany ny hevitrao mikasika ny Andriana!
    Kanefa koa moa io samy manana ny safidiny fa tsisy afaka hanery olona hanambady andriana na hanambady hova saingy ilaina ny mandinika aloha vao manao zavatra ndrao hanenenana: ianao angamba efa nanambady hova ka efa tongotra mby an-dakana ianao : any sisa azonao atao dia ny mifikitra amin’ny critère tahaka ny hatsaran-tare sy hatsaram-bika sisa.
    Ka dia inona moa no azoko atao fa dia ny mitso drano anao
    Ary farany dia malahelo aho milaza aminao fa tsy 60 taona tahaka ny lazainao teo aho akory ary tsy ny Ray aman-dreniko no mifidy ny vadiko!saingy mankasitraka azy aho noho ny nitandrovany ny fiandrianana sy ny fitaizana nomeny ary ny ahy tsy mba ataoko amban-javatra ny ray aman-dreniko.
    soava tsara!

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 18)
error: