Re:Que pensez-vous des gasy qui ne parlent pas malgache ?

Accueil Forums Blabla autour d’un café Que pensez-vous des gasy qui ne parlent pas malgache ? Re:Que pensez-vous des gasy qui ne parlent pas malgache ?

#19007
Anonyme
Inactif

Havadika kely ny fanontaniana hoe, raha tera-tany vazaha ka mipetraka any madagasikara. inona àry no teny hofehezin’ilay zaza?
Arakaraky ny fitaizana io , indrindra ny tsy fanambaniana ny teny malagasy eo imason’ny ankizy. Satria rehefa hitan’ny ankizy fa ny lehibe dia tsy mitia an’ilay tenin-drazana na manambany azy, dia tsy ho tiany ihany koa.
Inona àry no antony hiresahan’ny ankizy any madagasikara amin’ny teny vazaha? Satria mihevitra izy ireo fa ratsy ny teniny na mahamenatra raha misy ankizy miteny vazaha ka izy hiteny gasy.
Toe-tsaina daholo io e, andrandrao ny teninao dia fehezo koa ny an’ny hafa.
Manana havana iray izay aho any madagasikara, ka tsy haiko na inona loatra no tiany holazaina fa isaky ny miantso aho dia anontaniany foana hoe efa vazaha, tsy mahay miteny gasy intsony angaha? misy eson-teny kely ilay izy. Nefa izaho miteny malagasy ranoray aminy fa ny hoe vao mahazo azy aho dia miteny hoe  » allô OUI? » , aminy izany dia fihetsiketsehana. Avy eo ianao dia tonga dia sadaikatra aho satria tsy manana eritreritra akory ny hanao izany.
Noho izany dia misy ihany koa izany ireo voan’ny « complexe » na amin’ny teny malagasy na amin’ny teny vahiny.

error: