Re:Que pensez-vous des gasy qui ne parlent pas malgache ?
Accueil › Forums › Blabla autour d’un café › Que pensez-vous des gasy qui ne parlent pas malgache ? › Re:Que pensez-vous des gasy qui ne parlent pas malgache ?
Salama e! Azo lazaina hoe misy tranga 2 mety hiseho:
1) gasy efa lehibe tonga an-dafy
2) gasy teraka tany ary tsy matetika mandeha dago
Ny voalohany dia azo lazaina hoe zesta sady fanariana tsotra zao ny tenin-drazana noho ny fisainana lomorina satria izy ihany no tsy tia ny azy! Mahamenatra!
Ny faharoa tsy dia azo omena tsiny loatra satria ireo RAR mety nihevitra fa noho ry zareo any an-dafy dia tokony ny teny vahiny no himasoana dia na ry zareo aza tsy miteny gasy mba hianaran’ny ankizy akory. Ireo RAR zany no tena tokony disoina sy ompana fa vendrana sy tsy mahay mandanjalanja ny ho avin’ny zanany! Marina fa mety efa mihevitra ny tsy mba hody any an-tanindrazany izy ka nanambany sy nanao tsinontsinona ny fiaviany nefa mba toetra mendrika ve izany? Enao ve efa nahita olona tany france ohatra mba niezaka nianatra ny teny gasy raha miresaka @ gasy tonga any? Tsy hihomehezany aza enao hoe tony koa mitonatonana aty nefa tsy mahay miteny frantsay akory!! Nefa mba jereo anie ireo vazaha tonga any amintsika e, isika ndray no mahatsiaro menatra sy vendrana raha tsy miresaka teny frantsay @ izy ireo!!! ka aiza moa izy no hianatra ny teny gasy? ny gasy eo efa mi-zesta mahay ny fiteniny? Any Coree dia alefa @ tele sy eny @ reny takelaka sy peta-drindrina fanaovana dokam-barotra ireny mihitsy izao teny izao : » if you want to survive in Korea, learn korean « . Asa raha mba asiana an’izany any amintsika any manahoana? Tsy ho simban’ity » atavisme » nolovaina t@ mpanjanaka ity foana ny saintsika gasy ka raha vao mahita vazaha na vazaha tsy haninontsianinona aza dia miondrika ambany foana!! Tsara ny teny gasy ary manja ny gasy ka tsy misy tokony hahamenatra e! samia misaina!