harrys

Toutes mes réponses sur les forums

Affichage de 1 message (sur 1 au total)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Andriamasinavalona #23048
    harrys
    Membre

    Miarahaba an’i Tor.
    Ny momba ny anarana talohan’ny fanjanahantany dia samy mametaka ny azy ny Ray aman-dReny. Raha nisy maty ny zoky dia ataony anarana tsy dia manja ny tonga aoriana mba hahatsara vintana ny zaza ( Tavy… ). Fitiavana sy tahotra izany. Rehefa miteraka ny olona dia afaka miova anarana izy ka raha Ramanana ny zanany voalohany dia lasa Rainimanana ny anarany manomboka eo. Fa ny tena anaran’ny zanaka dia alainy avy amin’ny anarana na sombin’anaran’ireo Razambeny ( matetika anaran-dRazana atambatambatra ).
    Mikasika ny Zazamarolahy, Andriamasinavalona, Andriantompokoindrindra, Andrianamboninolona, Andriandranando, Zanadralambo: Raha nandinika ny tantara aho dia nisokatra ny saiko satria hay taranak’izy telo mianadahy mpiray tampo izireo dia Andriamanelo, Andriamananitany, Rafotsindrindra Rasoavimbahoaka. Ny hany « exceptions » angaha dia misy ny nasandratra fa tsy nolovaina ( mitovy amin’ny any Angleterre ) noho ny zava-bita toa an’i Laborde…

Affichage de 1 message (sur 1 au total)
error: