Masinavalona

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 5)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23038
    Masinavalona
    Membre

    Invité> Masiaka kosa zany teninao zany ary tsy marina. Zava-miseho na @ andriambavy na hovavavy sasany zany hakamoana izany, toy ny misy @ izy ireo izay tena mavitrika. Ny stéreotype toy izany ngé tsy mampandroso zavatra e! Rehefa tsy tia andriambavy na nanana mauvaise expérience t@ izy ireny, dia aleo mangina fotsiny e. Manahirana mantsy ny miteniteny foana….

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23031
    Masinavalona
    Membre

    tsinjo11 > Inona ry ilay hoe kolontsaina iraisana e? Na ny fankalazana ny taom-baovao malagasy aza dia samy manao ny azy… Tsy zavatra ohatran’izany mihitsy noahafahana mivondrona. Ary indraindray aho manontany tena hoe dia toy izao foana ve no nifanaovan’ireo taloha. Tsia kosa angamba e. Ny misavika saranga tsy azo atao. Rehefa tsy nanjaka ny razanao na ao anaty toko havan’andriana tsy nanjaka ianao, dia tokony hanaja an’izay. Ny toko hafa nanjaka koa dia tokony tsy hanamaivana ny fisian’ireo.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23027
    Masinavalona
    Membre

    Taranak’Andriana izao miresaka amintsika izao. Fandaniana andro fotsiny ny zavatra toy izao amiko. Mivondrona aloha ny andriana, fa tsy olona mizarazara samy te ho lohany avokoa no hieritreritra hitondra firenena.
    Teny atsipy ihany ny ahy mba tsy ho « marginalisé » ny maha andriana ny taranaka aty aoriana.

    en réponse à : Andriamasinavalona #22763
    Masinavalona
    Membre

    Manao azafady re fa iray ihany ny RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA @ tantaran’ny firenena Merina dia zanaka faravavin’Andriamasinavalona izay nomeny an’Anosimanjaka.
    Tsara ihany ny manitsy ny diso e

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22762
    Masinavalona
    Membre

    Tsy nisy « ordre de succession » nazava instony nanomboka t@ Rannavalona I, izay mbola azo resahina lalina momba ny niakarany @ fanjakana (satria feno manjavozavo).
    Ny tantara anefa tsy azo ovaina, ary tsy azo iverenana intsony.
    Ny hany mba tiana ambara fotsiny anefa dia ny hoe, olona tokony hanjaka tokoa ve Ranavalona III satria raha dinihina ny tantara dia tsy mba nanana « charisme politique » io olona io. Ankoatran’ny critère de selection ara-pirazanana.
    Lava e. fa izao kosa anefa. Ny filaharan’ny Andriana kosa dia tsy azo ivalozana: Zanak’Andriana / Zazamarolahy / Andriamasinavalona / Andriatompokoindrindra / Andriamboninolona / Andriandranando / Zanadralambo.

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 5)
error: