Miadanandriana

Toutes mes réponses sur les forums

Affichage de 1 message (sur 1 au total)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #19833

    ANDRIAMANGARIRA, MPANJAKAN’ANTSAHADINTA:

    NY RAY AMAN-DRENY NITERAKA AN’ANDRIAMANGARIRA:

    Andriandambo (Zanak’Andriatompokoindrindra avy any Ambohimalaza) dia nanambady an’Ravololondrenitrimo, anabavin’Andriamasinavalona, ary niteraka an’Andriandambozozoro (Ambohimalaza) sy Andrianjakatrimo. Andriandambozozoro kosa dia nanambady an’an-dRasohanamanjaka na Rasohanana,zanakavavin’Andriamasinavalona. Niteraka maromaro izy ireo , ka isan’izany : – Andriamangarira, – Rafonizozoro,- Rabiby, – Andriamalama – ary Ranosy .

    TARANAK’ANDRIAMASINAVALONA ANDRIAMANGARIRA Andriamangarira, no naka toerana sy fanjak ana tao Antsahadinta. Izy n o andriana voalohany indrindra nanjaka tao. Izy no nanamboatra ny tanana; izy no nanao ny hadivory sy ireo vavahady. Niara-belona tamin’Andriambelomasina , mpanjakan’Ambohimanga, Andriamangarira. Na izany na tsy izany, dia niainga tamin’Andriand amboz ozoro daholo na Rafonizozoro , izay samy taranak’Andriamasinavalona.

    NY ZANAK’ ANDRIAMANGARIRA:
    Ireto avy no zanak’Andriamangarira : -Ramakilahy, lahimatoa, nipetraka tao Ankadina naha ry, Atsinanan’Antsahadinta ;- Andriambolamena, lahiaivo, nanjaka teo Antsahadinta dia nafindra tao Ambohitsoa vao tao Ampahatelo (lasa ho Miadanimerina tatyaoriana) ary miamboho tao Tanambao Ambohitsoa, Atsimon’i Maizinandro; -Raseheno, nonina tao Morarano, Maizinandro ; -Ranivofotsimanjaka, tao Ambohimahamanina, avaratr’Antsahadinta.

    NY TARANAK’ANDRIAMBOLAMENA:
    Singanina manokana ny taranak’Andriambolamena, Ramboabe Andriampingarivo tao Miadanimerina nifindra tao Miantsoarivo izay niterakaan’ireto : -Andriamontandraisoa tao Ambatomah abodo s y Finaritra ;- Andriapakatro, mpitari-tafika, izay nomen-dRadama I faritra iray ti a ny teo anelanelan’ny reniranon’i Onive sy Ihazolaza (Soavina sy Ambohi mandroso gara) izay antsoina ankehitriny hoe Anjanamangarira. Io faritra io dia ao anatin’ny faritra nomen’Andrianampoin imerina ny tarana-dRangorinimerina avy ao Tsirangaina. Ankoatra ireo, dia nitatrah atrany Soanindrariny sy Antsirabe ary Miantsoarivo ny taranaka.

Affichage de 1 message (sur 1 au total)
error: