Ramanjaka

Toutes mes réponses sur les forums

Affichage de 1 message (sur 1 au total)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #19953
    Ramanjaka
    Membre

    NY TERAK’ANDRIANONIMANJAKATANY sy RAMANJAKA, izay manana fikambanana antsoina hoe HASIN’ IVAKINANKARATRA, dia nanasa ny solontenan’ ny Andriana, tamin’ ny Fiderana an’Andriamanitra, noho ny Jobily faha-140-Taona ny FIANGONANA LOTERANA MALAGASY (1867-2007) ny Asabotsy 03 Novambra 2007 tany BETAFO-IVAKINANKARATRA.

    Marihina eto fa ny ANDRIAMANJAKA tao BETAFO dia taranaky ny ANDRIANA avy ao Imerina ihany, izay nanorona fanjakana tany amin’ iny faritany iny, ka nahatonga ny FANJAKANA IMERINA ATSIMO na FANJAKANA IVAKINANKARATRA, izay faritra lehibe indrindra tao anatin’Imerina Enin-Toko tamin’ ny andron’Andrianampoinimerina. Izany fanjakana izany dia tonga hatrany Avaratr’ Imania.

    Ampahatsiahivina ihany koa antsika, ara-tantara, fa ny ZANAKANDRIANA tao BETAFO, renivohitry ny FANJAKAN’IVAKINANKARATRA, no nofidin’ i YESHOA KRISTY, ho VATO FEHIZOROn’ ny fanànganana ny Fiangonana Loterana teto Madagasikara.

    Avy amin’ ny ZANAKANDRIANA, TARANAKY ny MPANJAKA tao BETAFO mantsy no MALAGASY natao BATISA sy ny PASTEUR VOALOHANY tao amin’ izany Fiangonana Loterana Malagasy izany, izay niara-niasa tamin’ ny Norvegian Missionary Society (NMS).

    Marihina ihany koa fa ny Mpitondra ny Fikambanana HASIN’ IVAKINANKARATRA dia Ny Andriana RAZATOVO Placide sy Ny Andriana RANDRIAMANANA Angeline. Izany fikambanana izany moa dia ao anatin’ ny Fikambanana TARANAKA ANDRIANA MIRAY ETO MADAGASIKARA (TAMIMA).

    Ho an’ANDRIAMANITRA irery ihany ny Voninahitra, ary ho antsika rehetra kosa ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra.

Affichage de 1 message (sur 1 au total)
error: