Actus

VIDEO. Ambiance extrêmement tendue à l’Assemblée nationale

Ouh là là ! Partagée par nos confrères de 24h Mada, la vidéo ci-dessous montre l’ambiance extrêmement tendue entre les députés malgaches actuellement. Elle a été filmée ce matin.

Selon 24h Mada, il semblerait que l’objet du « savorovoro » (dispute) soit la présence de certains membres du gouvernement et de quelques journalistes à cette séance dont l’objet est l’adoption de la future loi électorale. Bref, c’est quand même assez folklo !

Antenimieram-pirenena

Nitrangana Savorovoro tetsy amin’ny Antenimieram-pirenena tetsy Tsimbazaza io maraina io.
Tsy tontosa ny « commission plénière » amin’ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana nohon’ny fisian’ny korontana teny an-toerana. Raha ny zava-nitranga dia nisy ny fihetsika tsy mendrika nataon’ireo solombavambahoaka sasantsasany avy amin’ ny mpanohitra satria dia horakoraka sy sitsioka tsy nifandrenesana no tao anaty lapa nandritry ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna. Raha ny marimarina kokoa dia lany tamin’ny tsangan-tanana ny fanekena ny fanatrehan’ireo mpikambana avy eo anivon’ ny governemanta ny fandaniana ny lalàna kanefa dia tsy neken’ireo solombavambahoaka vitsivitsy izany, lany ihany koa ny hoe tsy fanatrehen’ireo mpanao gazety izany kanefa dia nisy solombavambahoaka nanao hamboletra nanokatra ny varavarana nampiditra ireo mpanao gazety ka raikitra ny savorovoro. Nahemotra anio hariva tamin’ny roa ora tolakandro moa ilay kaomisionina.

Posted by 24h Mada on Tuesday, March 13, 2018

S’abonner
Notification pour
guest

0 Commentaires
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
error: