Mahaleo – Aza misara-mianakavy (Tononkira)

Rehefa akaiky ny maraina
Ho ireo taraina
Ilainy zanak’olombelona
Hiaraka hifamelona
Na havoana, lohasaha
Tsy ilaina didy jadona
Ny hirantsika roa lahy
Hadio toa rano an’ala

Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

Masoandro aman-bolana
Hamono  ity ady
Velon-kira  ireo vorona
Fa niteny rahon’ady
Rindrina izay mamefy
Hirodana avy hatrany
Ny fahavalo dia resy
Fandresena eran-tany

Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra  aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

Fanjakana loham-boto
Tsy mba mety ho ela velona
Mbola hadio ireo maloto
Ho henatrin’ny olombelona
Mbola ho avy ilay maraina
Ho foana ireo taraina
Hirain’ny zanak’olombelona
Hiaraka hifamelona

Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra  aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*