Re:famadihana

#18100
Booboo
Membre

-Tsy mamadika intsony ny fianakavianay nanomboka teo @ dadan’ny dadabeko(du côté maternel) fa mamono lamba fotsiny (iny moramora kokoa ny mi-organiser azy araka ny tapaka isaka ny fivoriam-pianakaviana lol)
-Fahatsiaravona ireo razambe nipoirana sy fanomezana Hasina azy ireo ny dikany amiko ary fanehoana ny firaisan-kina sy fanamafisana ny rohim-pihavanana.
-Raha mankany ambanivohitra ianao dia ho hitanao fa tena mbola manaja io fombafomba io ny ankamaroan’ny any. Vao miakatra an-tanan-dehibe fotsiny ianao dia efa misy miova kely ilay raha na tsy atao intsony mihitsy noho ny antony maro (fivavahana kristiana, resa-bola, ny arguments-ny nahita fianarana be loatra koa etsy an-daniny….)
-Rehefa misy manasa dia tonga ho fanomezam-boninahitra ny mpanasa.

error: