Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
17/10/2009 à 19h28 #21313
Anonyme
InactifRehefa mamaky tsara ny bokin’ i Raombana isika dia mahita tsara fa i Andrianampoinimerina no nanenjika ho faty an’i Andrianjafinandriamanitra, nandritra ny fito taona maninjitra, fa tsy ny mifanohitra amin’izay akory: Izay ilay hoe misavika fanjakana !
Efa nazava tsara fa ny Zanakandriana Ralaitokana no tokony handimby an’ny rainy Andrianjafinandriamanitra, dia nataon’Andrianampoinimerina izy hamonoana an’Andrianjafy mba hahazoany ny fanjakana: Izay no hevi-dehibe lazain’ i Raombana (fa tsy izaho mpamaky tantara akory no mamorona).
Manaraka izany, tena mamy hoditra tamin’ ny vahoakany tokoa ny mpanjaka Andrianjafinandrimanitra, fa ireo Tsimiamboholahy avy tao Ambohitrarahaba no namadika, satria nahazo vola be tamin’i Nampoina, hoy Raombana.
17/10/2009 à 22h46 #21316Anonyme
InactifAndrianampoinimerina n’a pas réussi à pacifier et unifier Madagascar. Galliéni oui.
i Galliéni ve no lazainao nanambatra sy nampihavana ny Foko 18?
Oadray ………marina !!!!!!!!!!!!
Ataonao aiza ary le « Diviser pour mieux régner »?18/10/2009 à 0h19 #21317Anonyme
InactifHay moa ? Nisy tokoa ny malagasy alohan’ny nahatongavan’ i Gallieni koa. Raha izaho manokana aloha dia tsy dia naheno loatra e! Ambaniandro , Hovas , Betanimena, Sakalava .. izany no fanonona ny mponina teto Madagasikara fahiny. I Gallieni no nahavita nanambatra azy ireo ho « malagasy » . Tsy nisy nahavita toy izany teo aloha.
18/10/2009 à 14h37 #21319Anonyme
InactifNanomboka tamin’Andrianampoinimerina ange no nanomboka nangata-dalàna tamin’ny hova izay Andriana te hanjaka e! mbola nanafatra an-dRadama izy talohan’ny hiambohoany ny hahatsiarovany foana fa ny Tsimahafotsy no nampanjaka azy ka tokony hitsinjovana azy ireo foana, jereo « Tantara ny Andriana » tome 2 amin’ny tent gasy. Izany no nahatonga an’Andafiavaratra tafaori-paka tsara nandra-piongany. Inona ary no antony tsy maintsy nilàny ny Tsimahafotsy hampanjaka azy ka nahatonga ny hoe « faiseurs de roi » hatramin’izao?
18/10/2009 à 14h41 #21320Anonyme
InactifMampalahelo ihanao ry mpanompon’i Galliéni….Sa taranany ihanao
fa menatra ny hilaza izany?.Sa manipy sujet ho resahina dia mampiresaka?
Mba somary anontanio ny olon-dehibe ao @ fianakavianao dia ho
fantatrao tsara ny nataony ny razanao.
Ary sao dia tokony hitady Galliéni 2 isika hitondra an’Dago @zay ho
hendry sy handeha Mahitsy tsara ny Gasy rehefa voakaravasy sy
voaompa @ razany.Fay tsara @zay sady hiverina hanompo vazaha
lolohaviny an-tampon’ny loha .Aleo hanao eo ihany, ahitany azy, ry kely loha isany. -
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
