ambodirano

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 71 à 75 (sur un total de 81)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21205
    ambodirano
    Membre

    Ny Hasin’Alasora no manoratra ho anareo
    Tompony koa zany miakatra zany. sady zay ny azy ny « voahangy mena » mbola tsara tahiry, ny hafatr’Andriamasinavalona mbola mitabataba am-pahanginana any anatin’ny zazamarolahy sy ny andriamasinavalona reetra any ambany ravinkazo any. sady izay lahimatoan-dRangorinimerina, tera-behivavy iringiriny. azy miala tsony tompoko ô! be loatra manko ny usurpateurs eto!!!

    Ie ! tera-behivavy iringiriny tokoa aloha raha hatreo amin’ny zanak’ Andriamohara resahinao satria toa Ranavalomboahangy no vadiny fa aorian’izay dia tera-behivavy avy amin’iza moa mba tianay ho fantatra fa nanomboka t@ 1810 aloha dia ny tera-dRasoherina sy Ralesoka no angalana hoy Andrianampoinimerina t@ hafany . Misaotra é

    Mba azavao tsara @n’izay tsy mahalala moa ny hoe « HASIN’ALASORA » rahavako fa fototra niaingan’ny andriana hatramin’ny Mpanjaka Andriamanelo aloha izy io koa tsy misy iadian-kevitra ny @n’izay fa raha ny tenako indray mba misy fantatro ihany ary tsy atoro anao angamba izany fa Andrianambonimena (zanak’anabaviny) dia nataon’ ny Mpanjaka lehibe Andriamasinavalona ho mpandova fanjakana aorian’izy 4 mirahalahy zanany nozarainy an’Imerina Efa-Toko. Nomeny vodivona teo Alasora aloha izy nasainy niandry fanjakana teo kanjo toa tsy nahandry Fanjakana fa nihetsika alohan’ny fotoana dia nofaizin’Andrianjakanavalomandimby Mpanjakan’Antananarivo hany ka nitakemotra ho andriamasinavalona sisa no nataony fa tsy Zanakandriana intsony ary nipetrapetraka moramora mba anavotan’aina.

    Izahay @n’ny lafiny ilany dia taranak’Andrianjakanavalomandimby midina avy amin’ ny zafikeliny Andriamalama Andriana tompombodivona teo Ambohimitsinjorano lasa Ambohimamory izao etsy ambony avaratr’Ampitatafika ary mba arakay ihany ny tantara é fa tsy misy hanova izany eto akory… sady tsy hisavika ny an’ny sasany izany hoy aho averiko eto ihany fa mirosoa kokoa dia azavao ny Hasina avy any @nareo … ny hevitra ange tera-bary ary ny anay tsy misy olana fa aseho ny olona eto fa asakasak’izay te-hanafina ny azy ihany.

    Fantampatatro ihany ny tantarandRamisarivo fa ilay Razafindrafara tsy fantatro hay va re izy no vadiny é , faly mahafantatra… ka tsotra fotsiny ange izany é, azavao fotsiny hoe avy aiza sy terak’iza Razafindrafara dia mazava fa raha mbola avy amindRampananamboninitany na ny anabavin’Andriamasinavalona hafa izy dia efa alavitra be izany fa efa nisy ange ny Mpanjaka Andrianampoinimerina namory an’Imerina Enin-toko teto mifandanja ary mihoatra ny Emperora Napoléon niara niaina t@ aza, amiko manokana , ary tonga hatraty @ndRazafindrahety niova ho Ranavalona III.

    Tsy miresaka ny tera-dRamasindrazana aho tsy fantatro manokana izy ireo sady tsy misy tera-behivavy intsony fa ianao no mahalala andrizareo izany dia mba asaivo miroso izy é !!! Fa ny tera-dRavoninoro zanaky ny Printsy Ratrimoarivony sy Razafindrahety vadiny no noresahiko teto sady izaho tsy anisan’io Teraka io velively fa mampahafantatra ireo izay tsy mahalala izany fotsiny aho , rizareo koa tsy mila mpisolovava rahateo. Tsy miloloha ny taranaky ny Princesse Marie-Louise koa aho na mifangaro menasofina izy na gasy tsy mitapo-drano fa aza tonga dia be fiavy ianareo izany éé. Fa ‘diavolan-ko lava kilalao mbola ho ela’ na dia tsy kilalao velively aza ny tafatafa eto fa fomba fiteny ihany iny.

    Koa tsy mila mankeny « Ambodisiarivo » ( angaha moa misy an’izany ) na Ambatomanoina avaratra akory aho aloha hatreto . Raha momba an’Antsahadinta indray dia avy amina zanakandriana avy eny nanangana ny eny aminay Mamoladahy ny tenako ka raha ny hasin’Andriantsira dia malaza tokoa Rabodozafimanjaka zanany nomeny ho vadin’Andrianampoinimerina fa mba iza moa no renin’ny Andriambavy azafady , isika eto miresaka Hasina fa raha tsy lazainareo havany moa aiza no andrefesana ny Hasiny é ; nefa izay eranareo ihany io sady raha tsy mifandray amindRasoherimananitany izay « ventre dynastique » @n’izao 2009 izao izy dia aleo hijanona ho anareo ihany tsy maninona ka.
    Koa mandra-piresaka indray ary rahavako .

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21199
    ambodirano
    Membre

    Ary io olona izay nivahiny teto io koa dia nilaza mazava fa :

    Ialako tsiny mihitsy fa tsy nanambady velively an-dRazafinimanjaka Ratsimamanga be, izay ilay mahavoa ny famakiana boky, fa ny anay mantsy dia any amin’ny tompony izahay no manontany sady izahay rahateo tompony. Talohan-dRazafindrazaka dia nanambady niterahany an-dRazanamanga mianadahy Ratsimamanga ary nanambady an-dRangory zana-dRazakaboana mbola havana akaiky koa any avaratra any ry Rangory ary maty vetivety. Io no nampanjonitra an’Ingahibe. Ry zareo etsy @ quartier anona sy anona no fianakavian-dRangory ary zafin’ny mpirahavavy izahay.

    Tsy mba nianarako t@ boky fa azafady fa Ratsimamanga Ampamaho no vadin-dRazafimanjaka (fantatro koa ny vadiny hafa, ry anona indray koa no havan’ity, vao niaraka izahy omaly alahady, tsy mampiresaka aho fa tena marina izany) ary ery ananona ny tarana-dRatsimamanga Ampamaho, t@ 2008 izahay no nifanena farany, de ery ananona no misy azy sady miezinezina ny vodivonany efa lehibebe ihany izy ary tsotsotra fa izahay tsy manadino ny fihavanana aminy mihitsy.

    Tompony iza moa azafady indrindra no nanontanianao ary nilaza fa Ratsimamanga Ampamaho no vadin-dRazafimanjaka renin’ny Andriambavy RAVERO ? Tsy izany no nambaran’ireo avy amin’ny Andriambavy tamiko ary io no tena azo itsarana ny loharano na ‘source’-nao. Tena «version 2009» mihitsy io vaovao avoakanao io sady version no diversion moa raha ny tena izy satria mbola tsy nisy nilaza izany hatramin’izao. Tsy hoe fanamaivanana ny nipoiran-dRatsimamanga Ampamaho izay tera-dRambolamasoandro satria zafin-dRatsiadala avy @’ny reniny Ramanjakaraibe na ny asany mpitendry harmonia fa mahagaga sy mahazendana mihitsy raha ny Mpanjaka RANAVALONA I izay faran’izay sarotim-pirazanana indrindra no nankasitraka tamin’ny fotoana nanjakany ny hanambadian-dRazafimanjaka zafin-drahavaviny sady zana-dRamonja zanakandriana ny tera-dRambolamasoandro izay fahavalo naringany.

    Ary ny Printsy Ratsimamanga rain-dRavero dia zanak’Andriantsirangy andriana mikatrakatraka amin’ny Tantsaha tamin’ny androndRanavalona I ary nataony mpifamofo tamin-dRabodozanankandriana lasa Mpanjaka Rasoherina taty aoriana porofon’ny fankasitrahany azy.

    – Ny amin’ilay hoe Zazamarolahy no rain’ny mpanjaka dia mahavariana izany fa andriamasinavalona Andriantsalamandriana, Andriamasinavalona Andriantsimianatra, Marolahin’Andriamary Razaka, ka tsy misy tera-dRangorinimerina ireo, ka asa izay marina @ilay izy, fa misy tena Atiny any, dia mba tongava miresaka aminy raha toa ka ekeny ho havany e!

    Marina tokoa fa Andriamasinavalona avokoa ireo fa tsy Zazamarolahy nefa ray nipoiran’ny Mpanjakavavy , ny antony lehibe dia efa vitsy tamin’izay ny «tera-behivavy sy zana-jokiny avy amin-dRasoherimananitany » ka ireo no voafidy hanjaka.

    Fa raha tany tsy mamaly eto intsony moa ianao raiamandreny (raha ny fomba firesakao teto dia mety ho raiamandreny tokoa ianao) dia efa notezeran’ ireo havanao tokoa hoe be resaka ety ampahibemaso ka aleo hijanona ho tsiambaratelonareo mpihavana any ihany ny valin’ireo fanontaniana ireo.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21198
    ambodirano
    Membre

    Le resaka zanakandriana koa no tena mampihomehy, ekena ohatra fa zanakandriana ny dadaben’ny dadabeny nefa dia mbola mitonona azy ho zanakandriana izy mianakavy, tsy fantany akory fa rehefa miady haka fanjakana dia atsatsika avokoa izay tsy lany, tahaka ny spermatozoïde e!
    Izany no nialan’ny sasany ho tsy zanakandriana na dia izy aza izy satria mahafaty io.

    Ankehitriny zato aminarivo, sady efa manao mésalliance mbola zanakandriana zanakandriana, ny dikan’izany anie izany hiady an-trano sy hifamono koa izy mianakavy e! Manararaotra ny tsy fahaizan’ny olona tantara na ny tena marina mety tsy mahay n’inon’inona akory.

    Tsotra ny mijery hoe iza no zanakandriana: à une generation miala aminy: ny ray aman-dreniny na ny nenitoany ve mpanjaka à la limite ny grand-parent direct.
    Raha tsy izany dia une centaine de mille ny zanakandriana satria samy taranaka mpanjaka avokoa, izay ilay hoe: mitafy jaky toy ny fodilahimena fa ny seza fiandrianana taho-mangahazo.

    Tamin’ny mbola maizina ny tany no nisy an’izany zanakandriana tsy lany amin’ny fanjakana atsatsika izany satria valifaty no ifanaovany rehefa miova ny rantsana manjaka. Miresaka ianao hoe dia ahoana daholo izany ireto satria taranaka Mpanjaka avokoa dia izao no fanazavana mba entiko ary raisiko tsirairay mihitsy raha tianao fa ny zana-dahy aloha dia voahilika avy hatrany fa manara-dreny ny fiaviana zanakandriana ampanjakaina :

    – Ohatra ny tera-dRasoarandrana efa voalazan’ilay olona ery ambony ny momba azy ireo fa tsy dia
    mihaja loatra ny fomba nanaovany azy.

    – Ny tera-dRamonjamanarivo koa dia zana-dahy ka mitovy amin-dRasoarandrana ihany na zanakandriana aza izy mirahalahy ireo.

    – Ny tera-dRaolona indray zana-dRamboasalama izy mitovy amin’ny etsy ambony satria ny reniny dia zanak’ Andriamahazonoro raha ny fahafantarako azy.

    – Ny terak’ireo anabavin’Ilaidama kosa dia tena tera-behivavy ireo saingy avy amin-dRambolamasoandro izany hoe avy amin-dRamorabe ka rehefa tapitra ny avy amin-dRasoherina vao anjarany raha ny tena fototry ny hafatry ny Ombalahibemaso dia Andrianampoinimerina izany. Fa Ilaidama dia efa nafaran-drainy hoe izy no handimby ahy sady natsangan-dRalesoka anabaviny koa dia tafiditra amin’ny hoe ‘tera-dRasoherina sy tera-dRalesoka ihany…’ izany izy.

    – Ny terak’Andrianampoinimerina amin’ny vadiny hafa izay tsy tera-dRasoherina dia voahilika ho azy izy ireo ary ny hafa avy amin-dRasoherina moa ny reniny dia manara-dreny mazava ho azy.

    – Ny tera-dRatsimamanga Razafimanantsoa Ramahatra Ratsimisampy Andrianaivo-Razo : lehilahy ireo dia mitovy amin’ny etsy ambony na dia zanakandriana daholo aza

    – Razanabolamena dia zanak’i Rafaralahy Raginga izay tena zafin-dRasoherina tokoa fa tsy fantatro ny momba an-dreniny

    – Raha ny tera-dRasinoa indray dia rahavavindRampelasinimoro izy iray reny dia ny Printsesy Razafinjanahary efa voalazan’ny olona iray ery ambony ka itovizako hevitra aminy.

    Marihiko eto fa na misy hisandoka aza araky ny resaka nataon’olona iray teto hoe avy amin-dRampela satria tsy niteraka izy io dia ny reniny ihany no mitondra azy ary efa voalaza io ambony io hoe iza moa ny reniny.

    Koa ilana fahendrena tokoa io resaka io fa ny hevitra tera-bary dia samy mba mitondra ny azy eto. Nominatif ny maha zanakandriana ary ny Andriamanjaka no afaka manao izany fa ireo mason-tsivana ireo aloha dia narahiny foana raha raisina tsirairay.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21188
    ambodirano
    Membre

    2 usurpations sur 3 pretentions ce n’est pas un peu beaucoup non?

    Ratsimamanga, Ravero….

    Quelle crédibilité accorder à vos discussions, pour nous autres profanes?

    Usurpations c’est encore à prouver … et de votre part celà doit être pas facile d’arriver à le faire , profanes que vous êtes non ?

    Pour ce qui est de la crédibilité , dans un premier temps lisez beaucoup, documentez-vous ou questionnez vos parents grand parents, votre grande famille – cherchez dans vos archives familiales si vous en avez , augmentez votre bagage quoi !!! puis revenez ici pour en discuter, d’ accord ???

    Misy mivoana @n’ny adi-hevitra ihany ny sasany eto raha maneho ny heviny dia tsy tsara angamba ny fanevatevena sy fanononana anaram-pianakaviana sasany raha ny tenanao aza tsy sahy mitonona akory fa mialokaloka ao ambadiky ny hoe « Invité » na Vahiny.

    Tohizako kely ny tantara tery aloha tery. Hoy aho t@n’izay hoe raha ny itovizantsika hevitra eto angamba dia ny hoe tsara ny hamelomamaso indray ny ambanivohitr’ IMERINA fa ireny no hodimbiasan’ny zanaka amam-para rahatrizay ary taratry ny soa-toavina ananantsika. Ohatra @n’ izany koa ny fikarakarana ny fasana iafenan’ireo Razambe taloha ary nanana ny endriny tsy nisy toa azy tany aloha tany; ohatr’@n’izany ny fanarenana ny Fitomiandalana eny Alasora izay tanteraka noho ny fanampian’ny Fikambanana Mamelomaso ihany koa : ny soa fianatra hoy ny Ntaolo.

    Mifandraika @n’izay dia azo atao hoe mampalahelo ihany ny mijery ny Fasambe iafenan’ny Zanakandriana Andriantahiry na Prince RATAHIRY Raphaël no anarany @n’ny Batemy anadahin’ny Princesse Ravero izay eny MANDROSOA @ ny Tantsaha no misy azy ety @nay Ambodirano ihany. Vao tsy ela ny tenako no teny antoerana. Ny tanàna dia mandroso tokoa araky ny anarany. Betsaka ny trano vaovao an’ny Zanak’Ampielezana hoe. Ny fambolena midadasika, ny fiveloman’ny olona toa mandeha ihany saingy ilay Fasana Telomiandalana na Efatra angamba izy izay efa tsy misy vavany ny ilany fa mbola misy mandevina kosa ny ilany anefa dia mampalahelo fa rakotra bozaka tanteraka na dia ambany amontana mijoalajoala aza. Ao ihany koa ny Andriana Andriantsirangy raiben’ny Prince Ratahiry sy Andriantsoanandriana mbola rain’ny Andriana voatonona voalohany no nafenina. Raha heverina ho fasana misy ny Razamben’ny Mpanjaka teto taloha dia mahagaga ihany fa tsy misy Tranomanara eo amboniny na efa rava , ny vato-pasana efa mikitoantoana tsy dia misy fikarakarana na izy efa antitra be angamba fa ny Prince Ratahiry fotsiny dia efa t@’ny taona 1893 no nentina nafenina tany. Tsy hoe sanatria sarotiny alohan’ny tompony sanatria sady ialàna tsiny eto fa misy ezaka azo atao ihany angamba raha miohatra @n’ny eny @n’ny Rovan’ANTSAHADINTA sy AMBOHIJOKY raha atao ny fampitahana tsotsotra. Mety hanampy izany izao fampafantarana izao raha ny olona maro miserasera eto koa antso ho an’ny havana tompobodivona eny MANDROSOA re , mbola maro rizareo izao, mba jereo ihany ny toerana iafarana é !….

    en réponse à : Andriamasinavalona #21150
    ambodirano
    Membre

    Dr ANDRIANALY dia Andriamasinavalona avy eo Sambaina Manjakandriana zanak’ ANDRIANANGALY taranak’ Andriampanarivofoinamanjaka Mpanjakan’i Fanongoavana nanambady ny anabavin’Andriamasinavalona dia RANAVALOTSIMITOVIAMINANDRIANA. Iray razambe amin-dRazafindrahety lasa Ranavalona III ihany avy amin’ Andriantsimianatra rainy tompom-bodivona tamin’ Amoronkay ( Vakio Ny Firaketana fa tena encyclopédie vita ho azy io ka tokony ho numériser-na @ izay)

5 sujets de 71 à 75 (sur un total de 81)
error: