ambodirano

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 6 à 10 (sur un total de 81)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21985
    ambodirano
    Membre

    Efa ela ihany tsy nitsidika teto fa izao indray vao tafaverina.
    Ny resaka farany teo dia hoe :

    … Ka minomino kokoa aho fa tsy avy ao Antsahadinta ny renin’ ny mpanjaka Andrianamboatsimarofy fa avy any Fenoarivo.

    Ny antony nanafenana an’Andrianamboatsimarofy tao Antsahadinta tamin’ny namindran’ny taranany azy (1918) dia satria avy ao ny reniny, mbola averiko indray , adi-hevitra moa no atao eto dia tsara no hafantaran’ny mpamaky eto ny fandehan’ny tantara. Nalàna teny Fenoarivo izy fa ny avy amin-dRavolamisa vadin’i Nampoina no ao anaty Rova eny izao. Tsy hay loatra moa hoe taiza teo Andrianamboatsimarofy no nafenina tany amboalohany.
    Ary miara-milevina amin’ny reniny Ramananimerina niova ho Rasahala izy eny Antsahadinta , eo ny taranany hanamarina izany eto raha tiany.
    Fa tsy hoe noho Ranjoanina Mpitandrina teo Antsahadinta ka to-teny dia :

    … Miteny fotsiny izy hoe avy eto Antsahadinta ny reniko, dia nino daholo.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21977
    ambodirano
    Membre

    Tsy haiko izay fitehirizanareo ny momba an-dRasahala fa aty aminay izy dia avy @ ireo zanadRanavalotsimitoviaminandriana ny reniny … mbola tsy hitako mihitsy ny idiran’Antsahadinta.

    Ka any aminareo io fa tsy toy ny anay , ny anareo io dia mitovy amin’ny tetiarana eraky ny tranokala rehetra saingy manana ny tantarany Rasahala vadin’Andriampoinimerina fa aza afangaro amin’ny renibeny koa anefa !

    Raha ny antony nanafenana an’Andriantsiramanjaka eny Alasora dia adinoko ny nanampy hoe ny fahatahoran’i Mavo ny Hasin’Antsahadinta no nandidiany azy ho atao teny. Eny , sanatria tsy henatra tokoa izany .

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21974
    ambodirano
    Membre

    …Amiko io dia fahadisoan-tetiarana avy @ Rabenjamina, mba te hilaza ny @ Antsahadinta ny avy eny Iharanandriana, ka dia mba te hiteny koa izy hoe avy eo Antsahadinta ny renin’Andrianamboatsimarofy izay efa mazava fa zanaka vavin’Andriampoinimerina.

    Ny renin’Andrianamboatsimarofy dia zanak’Andriampoinimerina , avy amindrainy izay , fa avy amindreniny Rasahala izy angaha tsy avy eo Antsahadinta ?

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21972
    ambodirano
    Membre

    Ary farany momban’ny hoe mifampiarahaba tsarava tompoko ny taranak’Andriamangarira … ary manao ny fanaon’ny Hova rehetra dia taranaky ny Mpanjaka teo ve ho lasa Hova tampoka eo na resin’i Nampoina aza fa samy manana ny filazany io. Rizareo nanjaka farany moa no ao anatin’ny Rova izany izao nefa tsara ho fantatry ny mpanaraka tantara koa hoe oviana Rabodozafimanjaka no nafenina teo ?

    Taorian’ny ady nifanaovany tamin’ireo ‘demi-frères’-ny anisan’izany Ratsimisotry raha nanontany ny anjara lovany ireto farany hono dia nizarazara ny fanjakana teo. Nahiana ho niray tsikombakomba hamadiana an’i Nampoina vadiny Rabodo ka voatery nampinomina ary niamboho tamin’izany. Nafenina tao Ivandry aloha izy hoy ny tantara , izay vao nafindra tao Antsahadinta efa 60 taona taty aoriana tamin’ny fotoana nanjakan-dRadama II. Andriantsira rainy koa dia tsy navelan-dRanavalona Reniny nafenina teo Antsahadinta fa namoaka didy izy ny hanitrihana azy eny Alasora fihaviany.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21971
    ambodirano
    Membre

    …Ny mikasika ny ao Antsahadinta. …
    … Fa rehefa ao anaty rova no mijery, dia hita fa hady no manasaraka azy, fa tsy totohatra akory.
    Mba lasa ihany koa ny saina mijery ity fasana ery ambony vatolampy. Fa andriana inona re no mbola nivevina teo ambony vatolampy tamin’ny andron’ Andrianampoinimerina e!

    Ravololondrenitrimo anabavin’Andriamasinavalona dia renin’Andrianjakatrimo ka izy angamba no Trimo nahavery anarana azy. Fa Ravololondrenitrimo Ambohimiakoja renin’Andriamangarira koa anefa dia nananjanaka hoe Ramboatrimo ka mety nahatonga ny anarany.
    Fa amiko dia mety ho naka ny anaran’ny anabavin’Andriamasinavalona ny zanany vavy anankiroa satria toa tsy niteraka vavy iretsy voalohany. Dia Ranavalotsimitoviaminandriana anabaviny vadin’Andriampanarivofoinamanjaka (Fanongoavana ,Vakiniadina) sy Ranavalotsimitoviaminandriana zanany teny Anosimanjaka. Torak’izany koa Ravololondrenitrimo anabaviny teny Ivatobe sy Ravololondrenitrimo zanany teny Ambohimiakoja. Ravololondralambo I teny Namehana no niteraka and Ravololondralambo II fa ity farany indray no momba.
    Ireo anarana mitovy ireo toy ny an’Andriandambozozoro anankiroa koa no mampisambôdika ny tetiarana mandehandeha any ka samy manana ny azy tokoa é !.

    Tsara mihitsy no nangalanao io ampahan’ny tantaran’Antsahadinta io satria betsaka toa anao no mametram-panontaniana. Ampahany hoy aho satria fomba fijery tao amin’ny Firaketana io nentinao io. Nony nanjaka Andrianampoinimerina , rehefa azony Antananarivo renivohitr’Imerinatsimo dia lasany koa mazava ho azy Antsahadinta nametrahan’Andrianamboatsimarofy Mpanjaka ny zanany vavy Razanakinimanjaka. Satria avy ao ny renin’ Andrianamboatsimarofy dia lovany tao sady havan’Andriamangarira ihany ny razany tao. Nony lasan’i Nampoina ny fanjakana dia napetrany tao Rabodozafimankaka vadiny isan’ny 12 vavy sy ny rainy Andriantsira, samy Andriambaventy. Ireo no nanao ny Rova hitantsika izao ka ireo nanjaka teo aloha dia mazava ho azy fa any ivelan’io Rova io nefa ao antampontanàna ihany.
    Ka noho izany ao anaty tanàna fa tsy any ivelambohitra no ilevenan’Andriamangarira. Tsy any ivelan’ny hady fa tena ao anaty tanàna milahatra amin’ireo fasan’andriana ao ary izy no avaratr’indrindra. Raha mijery ny toe-tany eo ianao dia ho sarotra ny hanangana Rova eo avaratry ny fasany ka izay no nahatonga an-dRabodo mianakavy hanao azy ety atsimo rehefa avy nototofana avo be ny teo. Dia mety ho nohodidininy hady vaovao tokoa izay misy io tohatra amin’izao fotoana izao io ! Ny niambohon’Andriamangarira dia talohan’ny nanjakan’i Nampoina kah , izy tsinona iray ray amin’Andriambelomasina fa zandriny.

5 sujets de 6 à 10 (sur un total de 81)
error: