ambodirano

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 81)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22644
    ambodirano
    Membre

    pour moi être Andriana n’est pas une question d’actualité. ça fait partie de notre identité dès notre naissance. un malgache ne peut pas prétendre être américain ou chinois si il est né malgache tout comme un Andriana ne peut renier son appartenance à cette catégorie. le problème c’est que de nos jours, certaines personnes utilisent cette « identité » pour rabaisser ceux qui ne sont pâs comme eux. ce que je trouve déplorale.
    Mon humble avis

    Et HUMBLE en plus !
    Enfin quelqu’un qui peut rehausser les discussions ici ….

    Je me suis éclipsé pendant des années du forum, faute d’interlocuteur comme vous, bienvenue ici et que l’arrogance et la suffisance s’abstiennent de polluer ce forum. Enfin, simple vu de ma part.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22007
    ambodirano
    Membre


    1) Tena vadin’Andrianamboatsimarofy Reniamboa fa tsy anabaviny izany. Tena resy lahatra aho ankehitriny fa diso tanteraka ny tantara any aminao.

    Reniamboa dia nanangana an-dRazafinamboa izay araka ny anarany dia zafin’Andrianamboatsimarofy. Ka anabavin’Andriamaromanompo no tiako nolazaina t@n’io fa diso aho. Tsy ho vadin’itsy voalohany mihitsy.

    Ny ambiny dia NO COMMENT fa samy manana ny azy.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22001
    ambodirano
    Membre

    Mpandalo raha ny fihevitro dia tsy tokony itokiana daholo ny nosoratan’i Mayeur , izy aza mpandalo fotsiny taiza moa no nahalalany an’Andriampoinimerina izay efa niamboho tamin’io ? Ary vakio tsara ny nolazainy ange fa Reniamboa hono vadin’i Tsimaroufe (Andrianamboatsimarofy) anefa anabaviny !

    Ny maha samy hafa an-dRavaonimerina sy Razanakinimanjaka kosa dia tena ialako tsiny eto amin’ireo taranany izay be dia be ao Antsahadinta izany. Ny tena koa moa tsy mpanatrika ny fetimbokatra eny ary marina tokoa fa maro reny ny zanak’Andrianamboatsimarofy fa ny vadibeny Ratsimihantasoa na Ratsihantana zanak’Andrianjafy no tokony ho renin’Andriamaromanompo sy Ravaonimerina.

    Hay Ampandrana tsy Rangorinimerina no eo Fenoarivo fa mety Bebe Rangory no fiantson’ny taranany azy tao @ TV Plus fa Ravolamisa no tena anarany. Mbola maro taranaka izy ankehitriny ary rahavavin-dRafotsy Rabodo sy Rafotsy Rahety eny Ambohijoky izy.

    Fa ny tena nitondrako ny niantombohan’ny tantaran-dRasahala teto dia ny ilazana hoe na Amparindrasahala zarataniny na Anosizato , Fenoarivo , Antsahadinta dia an’Andrianamboatsimarofy avy amin’ny reniny avokoa ireo amin’ny maha taranadRasahala azy.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22000
    ambodirano
    Membre

    Raha momba ny tantaran-dRasahala dia ireo raha bangoina ny eto ampelatanako fa tsy omena tsiny ianao Mpijery raha tsy mitovy hevitra amiko.

    Nisy Rasahala vadin’Andriamasinavalona ary nisy koa Rasahala vadin’Andrianampoinimerina na dia tsy voafaritry ny tantara tsara aza hoe iza izy io.
    Ny nandimby an’Andriamponimerina nanjaka teto Antananarivo dia ny rahalahany (fa tsy zanany) Andrianavalobemihisatra sy Andriambalohery (matin’ny nendra ka tsy nafenina tao amin’ny Fitomiandalana) izay vao ny zanak’anabaviny (Ramananimerina) dia Andrianamboatsimarofy izany. Nampihatra ny fanjakana arindra izy , ny zanak’anabaviny no tompon’ny farany . Ka tsy handeha alavitra ho any amin’ny terak’Andrianambonimena izy na samy avy amin’Andrianjakanavalomandimby aza fa eo ny anabaviny Ramananimerina.
    Ny anarana mitovy no mampisy tsy fitoviana eo amin’ny tetiarana , fa ny taranaka samy mahalala ny azy avy ary tsy dia ifanomezan-tsiny izany. Ny an’i Mpijery moa , mijanona eo amin’ny Ravololondrenitrimo sy Rasahala iray ihany izy , dia izay izany ny azy ka mety ataony koa hoe : Ranavalontsimitoviaminandriana iray sy Ravololondradralambo iray ihany koa no nisy.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21986
    ambodirano
    Membre

    Dia hotohizako amin’ny tantaran-dRasahala , ho an’i Mpijery izay ho liana amin’izany:
    Ny Rasahala voalohany dia RamatoaRasahala mba hanavahana azy @n’ireo Rasahala telo hafa ary Ramananimerina no tena anarany voalohany. Vadin’ny Mpanjaka Andriamasinavalona izy ary renin’Andrianjakanavalomandimby nandimby an-drainy teto Antananarivo. Nomen’ny Mpanjaka ankizy 60 (30 lahy sy 30 vavy) izy ary nomeny an’Amparindrasahala io atsimo atsinanan’Anatirova io. Ireo mpanompo ireo no nasaindRasahala naka valala sy orana ho azy teny Anosizato sy Bevalala (Andoharanofotsy) fony nitady zaza sy niandry vohoka izy.
    Ary Andrianjakanavalomandimby dia niteraka vavy tamindRatsimitoviaminandriana izay nataony hoe Ramananimerina na Rasahala mitovy anarana amin-drenibeny. Io no lasa renin’ Andrianamboatsimarofy taty aoriana. Diso génération iray aho tery ambony tery fa Andriamponimerina dia anadahiny izany hoe anadahindrenin’ Andrianamboatsimarofy fa tsy raibeny.
    Olona maro toa an’i Mpijery no manafangaro azy amin-dRasahala fanintelony rahavavindRamorabe sady vadin’Andriamponimerina indray kosa izany hoe Nenitoan’ Andrianamboatsimarofy fa tsy reniny. Io Nenitoany io no avy amin-dRanavalontsimitovy Anosimanjaka.
    Ary ny Rasahala fahefatra farany dia Ravaonimerina zanak’ Andrianamboatsimarofy , nifanekena fa ho vadin’i Nampoina kanjo nomen-drainy an-dRabehety ( = Andriantomponimerimandimby) Mpanjaka farany teo Ambohidratrimo anadahin-dRambolamasoandro). Nony resy teo ity farany izy dia nandositra teny Antsahadinta (forteresse tamin’izany hoy Mayeur ihany) nisy an’Andriamaromanompo anadahin-dRavaonimerina. Ary Ravaonimerina no Razanakinimanjaka teo Antsahadinta fa ny anadahiny nitazona ny teny Fenoarivo angamba. Nony tsy nety azon’i Nampoina Ambohijoky nisy ireo Manisotra mpiaro an’ Andrianamboatsimarofy sy Imerinatsimo dia nataony izay ahazoana an’Antsahadinta aloha ka azony ihany taty aoriana. Maty tamin’izany mihitsy Rabehety ary ‘tsy nanaiky Nampoina raha tsy naverina ho vadiny Ravaonimerina’ (dixit Mayeur) izay nafindrany napetraka tao Rarihasina Anatirovan’Antananarivo niaraka amin-dRavaomanjaka izay teo Fenoarivo talohan’izany. Novany ho Rasahala koa ny anaran-dRavaonimerina izay mbola nataon’ny Manisotra hoe Andriambavy Mpandova an’Imerinatsimo foana. Natahotra an’izany Nampoina ka nampamonoiny hono Ravaonimerina sy ireo zanany taminy anankiroa izay mety ho milevina ao Amparihindrasahala toa andRamatoaRasahala izay voalazan’ny tantara fa nafenina teo.

    Koa na Anosizato izay renivohitr’i Fenoarivo, nandosiran’ Andrianamboatsimarofy na Antsahadinta eny nanomboka teny Amparihindrasahala dia vodivona an’ireo Rasahala nifandimby ireo daholo izany fa tsy samy hafa akory , iray fototra daholo ireo aminay Ambodirano. An’ny Fanjakan’Imerinantsimo teo aloha izay Antananarivo no renivohiny.

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 81)
error: