andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 321 à 325 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #22000
    ambodirano
    Membre

    Raha momba ny tantaran-dRasahala dia ireo raha bangoina ny eto ampelatanako fa tsy omena tsiny ianao Mpijery raha tsy mitovy hevitra amiko.

    Nisy Rasahala vadin’Andriamasinavalona ary nisy koa Rasahala vadin’Andrianampoinimerina na dia tsy voafaritry ny tantara tsara aza hoe iza izy io.
    Ny nandimby an’Andriamponimerina nanjaka teto Antananarivo dia ny rahalahany (fa tsy zanany) Andrianavalobemihisatra sy Andriambalohery (matin’ny nendra ka tsy nafenina tao amin’ny Fitomiandalana) izay vao ny zanak’anabaviny (Ramananimerina) dia Andrianamboatsimarofy izany. Nampihatra ny fanjakana arindra izy , ny zanak’anabaviny no tompon’ny farany . Ka tsy handeha alavitra ho any amin’ny terak’Andrianambonimena izy na samy avy amin’Andrianjakanavalomandimby aza fa eo ny anabaviny Ramananimerina.
    Ny anarana mitovy no mampisy tsy fitoviana eo amin’ny tetiarana , fa ny taranaka samy mahalala ny azy avy ary tsy dia ifanomezan-tsiny izany. Ny an’i Mpijery moa , mijanona eo amin’ny Ravololondrenitrimo sy Rasahala iray ihany izy , dia izay izany ny azy ka mety ataony koa hoe : Ranavalontsimitoviaminandriana iray sy Ravololondradralambo iray ihany koa no nisy.

    #22001
    ambodirano
    Membre

    Mpandalo raha ny fihevitro dia tsy tokony itokiana daholo ny nosoratan’i Mayeur , izy aza mpandalo fotsiny taiza moa no nahalalany an’Andriampoinimerina izay efa niamboho tamin’io ? Ary vakio tsara ny nolazainy ange fa Reniamboa hono vadin’i Tsimaroufe (Andrianamboatsimarofy) anefa anabaviny !

    Ny maha samy hafa an-dRavaonimerina sy Razanakinimanjaka kosa dia tena ialako tsiny eto amin’ireo taranany izay be dia be ao Antsahadinta izany. Ny tena koa moa tsy mpanatrika ny fetimbokatra eny ary marina tokoa fa maro reny ny zanak’Andrianamboatsimarofy fa ny vadibeny Ratsimihantasoa na Ratsihantana zanak’Andrianjafy no tokony ho renin’Andriamaromanompo sy Ravaonimerina.

    Hay Ampandrana tsy Rangorinimerina no eo Fenoarivo fa mety Bebe Rangory no fiantson’ny taranany azy tao @ TV Plus fa Ravolamisa no tena anarany. Mbola maro taranaka izy ankehitriny ary rahavavin-dRafotsy Rabodo sy Rafotsy Rahety eny Ambohijoky izy.

    Fa ny tena nitondrako ny niantombohan’ny tantaran-dRasahala teto dia ny ilazana hoe na Amparindrasahala zarataniny na Anosizato , Fenoarivo , Antsahadinta dia an’Andrianamboatsimarofy avy amin’ny reniny avokoa ireo amin’ny maha taranadRasahala azy.

    #22002
    mpijery
    Membre

    Ary vakio tsara ny nolazainy ange fa Reniamboa hono vadin’i Tsimaroufe (Andrianamboatsimarofy) anefa anabaviny !

    ny vadibeny Ratsimihantasoa na Ratsihantana zanak’Andrianjafy no tokony ho renin’Andriamaromanompo sy Ravaonimerina.

    Resaka ho an’ny mpandalo moa ilay izy kanefa tsy aritro fa tena diso kosa ny information-nao ry Ambodirano fa tsy hoe hevitra tsy mitovy akory.

    1) Tena vadin’Andrianamboatsimarofy Reniamboa fa tsy anabaviny izany. Tena resy lahatra aho ankehitriny fa diso tanteraka ny tantara any aminao. Zanaka niraisan’izy roa ireo ny raiben’ny raiben-dRanjoanina.

    2) Samy tsy zana-dRatsimiantaha izy mianadahy vaolaza etsy ambony.

    3) Ny eo Fenoarivo efa miharihary fa Ravolamisa demi-soeur an’i Rafotsirabodo tera-dRangorinimerina ireo. Tena resaka basique be izany. Io ny havako Mpandalo taranany mivantana.
    Tokony ho fantatrareo mpanontany noho izany ny nanafenana an-dRamaromanompo.

    4) Fantatro tsara Ranavalotsimitoviaminandriana 1 sy 2, satria taranak’izy 2 ireo ny tena, toy izany koa Ravololondralambo anabavy sy ny zanak’anabavy.
    Na dia izany aza extrapollation manahirana ny généralisation ny fampitomboana anarana.

    5) Resaka tsy azoko inoana mihitsy ilay Andriampoinimerina kanefa tsy ilaina intsony ny manitatra ady hevitra @izany.

    #22006
    mpandalo
    Membre

    Hay ny rahalahan’ Andriamponimerina no nandimby azy ? Tsara izany ka. Ahitan-javatra tokoa eto ka.

    Samia mitahiry ny tetiarany e.

    #22007
    ambodirano
    Membre


    1) Tena vadin’Andrianamboatsimarofy Reniamboa fa tsy anabaviny izany. Tena resy lahatra aho ankehitriny fa diso tanteraka ny tantara any aminao.

    Reniamboa dia nanangana an-dRazafinamboa izay araka ny anarany dia zafin’Andrianamboatsimarofy. Ka anabavin’Andriamaromanompo no tiako nolazaina t@n’io fa diso aho. Tsy ho vadin’itsy voalohany mihitsy.

    Ny ambiny dia NO COMMENT fa samy manana ny azy.

5 sujets de 321 à 325 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: