andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 326 à 330 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #22008
    mpijery
    Membre

    Izay zany e! Hianatra ny fitenin’i Mpandalo aho hoe ndeha horovitiko tokoa ilay tetiarana efa vita aman-jato taona eto ambany maso k’ty!

    Aleo tsy ampiana intsony ny info fa sao be fitantara be loatra. Aleo ampiako fotsiny hoe fantatro ny tena anaran’ny Reniamboa sy ny fihaviany ary ny anaran’ireo 7 @ vadin’Andrianamboatsimarofy sy ny fihavian’ireo. Ho talanjona ianareo raha mahalala marina ny tena fifandraisan-dRazafinamboa sy Tsimarofy.

    3 indray izany zao hatreto ny zanaka vavin’i Tsimarofy, Ravao, Razanaka, ary Reniamboa, sao dia mbola misy adinodino any?

    #22010
    mpandalo
    Membre

    Tsy dia hamoaka zava-baovao aho fa izay efa fahita eny amin’ny boky ihany no ho tohizako eto, na dia efa nampitaha tamin’ny tetiarana rehetra eo am-pelatanako aza aho. Tsy resaka mitily avy lavitra fotsiny izy ity, fa mba tany nihavin’ny tena koa io Ambodirano io, ka mba misy tantara nolovaina avy ao.

    Tsy miala amin’ny resaka Mayeur aho satria izy no nanatri-maso ity resahantsika ity. Hoy i « Ambodirano » hoe tsy dia azo inoana daholo ny noteneniny. OK. Marina izany. Rehefa miteny izy hoe, 20 000 guerriers no nentin’ Andrianamboatsimarofy nanafika an’Andrianavalonzafy, dia lasa saina tokoa aho. Raha miteny kosa izy hoe Rabodomanjakanimerina no renin’i Tsimarofy, dia tsy inoana ve izy nefa ny mpanjaka mihintsy no loharan’ny resany ? Raha miteny ve izy hoe Andriambetandra « Grand-oncle paternel » de Tsimarofy, dia tsy inoana ve izy nefa ny tetiarana aty amin’ny tena manamarina izany, tahaka an’ilay tantara kely ao amin’ny T.A. Raha miteny ve izy hoe « Andriamohara a quand même gardé sa palissade aprés une rebellion car c’est un grand stratège et un grand guerrier », dia tsy inoana ve nefa izany koa no lovan-tsofina avy any amin’ny fianakaviana ? Dia ahoana izy no tenenina fa mandainga rehefa milaza fa raiben’Andrianamboatsimarofy i Andriamponimerina , nefa io mpanjaka io no loharanon’ny zavatra soratany fa tsy mandalo olon-kafa. Sady fantany fa efa niamboho izy fa mba vakio tsara e! Ka tsy mety ho zanak’anabavin’Andriamponimerina mihintsy Andrianamboatsimarofy.

    I Maromanompo . Hoy Mayeur hoe izy no tokony hanjaka, ary zanakiny vadibe. Hoy koa izy hoe « Rahatsavola » no vadibe, sady « cousine germaine ». Tsy mazava ve hoe iza no reniny ? Sady nosoratany mazava tsara koa fa Ratsimihantaha zanak’Andrianjafy dia vadiny faharoa fa tsy vadibe akory. Dia atao hoe mandainga koa ve i Mayeur nefa nampiantranon ‘i Ratsimihantaha ary nahita maso ny tao ?

    Tsy hamoaka zavatra any anaty tetiarana sy tantaram-pianakaviana eto aho, satria mazava tsara ny hafatra ery ambony ery. Ireo rehetra ireo dia anaty boky hitan’i Babay sy Lohavitra raha mitady amin’ny internet fa tsy noforomporonina akory.

    #22018
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry mpijery!

    Manoratra aminao aho satria ianao dia malaza mahalala tantara. Ny tiako anontaniana aloha dia tsy misy idirany @ eo ambony mihitsy fa somary entiko aty antsinana indray. Tena miafina amiko mantsy ny momba ny andriana aty Ifanongoavana indrindra ny momba an’Andriampanarivofonamanjaka. ny fantatro fotsiny dia Andrianan’Ifanongoavana izy io ka rehefa nanjaka Andriamsinavalona dia izy no voalohany tonga teo Antananarivo nihaona t@ Mpanjaka ka nankasitraka ny hanjakan’Andriamasinavalona. Ka ho valin’izany dia nomen’Andriamasinavalona azy ny anabaviny Ranavalotsimitoviaminandriana.

    Izay no fantatro ny talohan’izay no tsy fantatro momba ity Andrianan’Ifanongoavana ity. Izany hoe Misy ifandraisany @ zanadralambo sy Andrianteloiray ve ny nipoiran’Andriampanarivofoinamanjaka.

    Misaotra tompoko!

    #22019
    Ramboa
    Membre

    Izay no fantatro ny talohan’izay no tsy fantatro momba ity Andrianan’Ifanongoavana ity. Izany hoe Misy ifandraisany @ zanadralambo sy Andrianteloiray ve ny nipoiran’Andriampanarivofoinamanjaka.

    Misaotra tompoko!

    Iray fihaviana ihany fa alavitra be , samy avy any amin’ny Alamahaditany ny razambe no niditra fa ny andiany iray niankandrefana niakatra teny Vodivato avy eo Vohidrazana I sy Vohidrazana I I ary ireo havany hafa mbola nijanona tany atsinanana vao niakatra teny amin’iny faritry Mantasoa misy ny tendrombohitra avon’i Fanongavana iny. Nisy ny andriana Ranady nanorina vohitra teo. Mety ho avy aminy Andriampanarivofoinamanjaka. Ny razamben’Ampandrana sy ny Andrianteloiray dia nifangaro tamin’ny Antehiroka nanomboka tamin’Andriantsitakatra fa ireo Fanongoavana tsy nanao izany.

    Anio 21 Aprily 2010 dia feno 200 taona katroka no niamboho taminy 1810 ny Ombalahibemaso na Ramboasalama fony mbola tsy nanjaka. Avy amin’ny hoe « lembu » fa tsy amboa akory ( = Taureau mais pas chien). Ho tahiana anie ny fahatsiarovana azy.

    Ary mba mananjo isika hanontany ny mpitondra fanjakana hoe natao aiza moa ny Masina rehefa avy nentina tamin’ny 4×4 na 3CV naverina eny Ambohimanga tokoa va re ?

    #22022
    mpijery
    Membre

    Mirahaba anao ry Ampandrana

    Resabe ilay hoe mahay tantara be izany aho, io fanontanianao io ohatra dia tsy voavaliko.
    Resa-pianakaviana no mba haikohaiko ka raha havako dia fantatro ihany fa raha dia lavitra loatra indraindray tsy haiko.
    Io Andriana resahinao io dia taranany aho avy @ renin’ny reniko saingy tsy nohalaliniko kosa fa hoe havan’Andriantsitakatrandriana ihany no fantatro.

    Malaza fa hoe hankalazaina hono ny 200 taona niambohoan’Andrianampoina? Raha ho izay tokoa dia fantatra foana ny tena mpandova hasina sy ny tsia. Tsy fanao sy fadin-dambo amin’amboa ny mankalaza fahalasanan’Andriamanjaka izany. Efa nahita Andriamanjaka natao hoe Itompokolahy ve ‘nareo?
    Sa hanao famadihana @izay koa ny andriamasinavalona?

5 sujets de 326 à 330 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: