andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 346 à 350 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #22115
    mpandalo
    Membre

    Mijery ao amin’ny Aviavy fotsiny ange ianao dia mahita an ity e :

    « Andrianavalonarivo , milevina eny Ambohitrandriamanitra, atsinan’Ambohijanaka, izay niteraka an’Andrianavalomanitsadahy sy Andriandahimbolamena ; ireo no razamben’ny Andriana eny Ambohijanaka; »

    Iza moa io Andrianavalonarivo io ? Zazamarolahy ve izy ireo ?

    Mbola averiko indray. Rakotomavo Andriambelomasina ve mpanjaka, dia ny zokiny Andriamohara ho andriamasinavalona ?

    Mbola tsy voavalinao tsara izany ny hifandraisan’Ikakibe Andriamohara sy Ikakibe Andrianambonimena no tsy mety ahitanao ny valiny.

    Mazotoa e.

    #22116
    tany
    Membre

    Mbola averiko indray. Rakotomavo Andriambelomasina ve mpanjaka, dia ny zokiny Andriamohara ho andriamasinavalona ?

    Miarahaba anao ry Ampandrana….ahoana ny hevitrao raha toa ka omena devoir kely ihanao?.Ahasoa sy ampandroso anao miandalana eny izany.
    Izao ary no izy :Nisy site nasain’i Mpandalo jerenao , ka topazo maso kely indray mandeha ,de mandraisa notes.
    Jereo ny anaran’ny RENY niteraka an-dRakotomavo( fa tsy ilay reny nanangana azy ,an).Avy eo dia mba ampalalao anay ny valiny.Tsara tsara kokoa raha mba asianao resaka kely ny momba azy.
    Mazotoa ary ihanao rahavako.

    #22117
    tany
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra!

    Misaotra betsaka anareo aloha @ ilay valinteny.
    Nisy doc hitako vao maraina teo momba io. Araka nolazainy dia ny trano manara eo ambony fasana dia trano kotona sy trano zozoro. Fatsy aiko oe ohatrany ahoana moa ilay trano kotona.

    Aleo alefa manao » sur terrain » ihanao ry Ampandrana fa hampitombo ny fahalalanao izany sady ho azonao tsapai-tanana tsara ny fikarohana ataonao:(trano kotona = trano hazo )
    Mankanesa ihanao eny Antsahadinta fa misy trano kotona ao. Ny 1 dia tranainy , ary ilay musée azo lazaina fa vao haingakaingana ihany.
    Eo @ Rovan’Ambohijanaka koa misy 1 tranainy be.

    #22118

    Mba nahafinaritra ahy ry Mpandalo ilay fikarohana asainao atao, ny tena rahateo liana mba te ahalala ka toy izao no azo notovozina:

    Nampitadiavin’Andriantsimitoviaminandriana ny zanak’anabavin’Andrianambonimena , dia ny zanaky Rangorinimerina izany.

    Tamin’izay fotoana izay dia nipetraka teny Androhibe eny ankilan’ Antsahadinta Rangorinimerina satria Andriamifonozozoro vadiny dia teraky ry zareo eny Ivatobe sy Androhibe Antsahadinta, izany hoe avy amin’ny tera-dRavololondrenitrimo sy Andriandambozozoro mbamin-dry Andrianjakatrimo.

    Dimy lahy sy valo vavy no natera-dRangorinimerina.

    Nalain’Andriatsimitoviaminandriana daholo ny zanaka lahin -dRangorinimerina, dia ireto avy :

    1. -Andriamohara, nandova fanjakana ny anadahin-dreniny dia Andrianambonimena izay teny Alasora . Niteraka telo lahy sy iray vavy izy izay niparitaka teny Ambohijoky , Antsahadinta, Fenoarivo, Ambatomanga,Ambohipaniry, sns…

    2.- Rakotomavo Andriambelomasina, mpanjakan’ Ambohimanga. Izy no loharano nipoiran’ny Zanakandriana sy Zazamarolahin’ Ambohimanga izay niparitaka ihany koa. Isan’ireny ny naterak’Andrianampoinimerina.

    3.- Andriantoarano raiben’i Andrianaivoramahazo zazamarolahy mpanao mari-trano, manan-taranaka eny Alasora, Ambohimanga sy Miarinarivo Ambohipananina, …

    4.-Ramisamanjaka tompom-bodivona teny Anosiarivo, nisy zanany koa eny Antanamalaza sy Ifandana.

    5.-Andriampalimanana sy ny terany eny Tsirangaina amin’Ambodirano sy Ambohidrangory.

    Rehefa tonga teny Ambohimanga ny zanaka dimy lahin-dRangorinimerina dia hoy Andriantsimitoviaminandriana hoe :  » Tsy sanatria akory izahay hangala-jaza fa haka zaza hampanjakaina ».

    Natsangany ho zanany izy dimy mirahalahy ireo ary nisafidy anankiray izy hitondra ny fanjakana. Voafidy tamin’izany ny zanaka lahiaivon-dRangorinimerina atao hoe Rakotomavo Andriambelomasina.

    #22119

    Andrianavalonarivo kosa dia zanak’Andrianambonimena tamin’i Ranavalomboahangy. Nanana rahalahy koa izy natao hoe Andriatsiorivahoaka.
    Ary araky ny efa voalaza etsy ambony dia « Andrianavalonarivo , milevina eny Ambohitrandriamanitra, atsinan’Ambohijanaka, izay niteraka an’Andrianavalomanitsadahy sy Andriandahimbolamena ; ireo no razamben’ny Andriana eny Ambohijanaka; »

5 sujets de 346 à 350 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: