andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 351 à 355 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #22120

    Satria resy an’ady i Andrianambonimena, tsy nandova ny fanjakan-dRaibeny dia tsy Zanakandriana intsony fa lasa Andriamasinavalona. Nanaraka izany koa ireto zanany ka izany no maha Andriamasinavalona ny Ambohijanaka.

    #22121
    tany
    Membre

    Satria resy an’ady i Andrianambonimena, tsy nandova ny fanjakan-dRaibeny dia tsy Zanakandriana intsony fa lasa Andriamasinavalona. Nanaraka izany koa ireto zanany ka izany no maha Andriamasinavalona ny Ambohijanaka.

    Misy zazamarolahy koa ao .

    #22122
    mpandalo
    Membre

    Tongasoa eto amin’ny sehatra izany i Mpitsidika matsilo. Tena arakao tsara mihintsy ilay resaka.

    Hay misy zazamarolahy ao Ambohijanaka ry tany ? tena tsy arako indray izay.

    Ampandrana >>> tsy efa mazava amin’izay ve izany fa zanakandriana sy zazamarolahy ny ao amin’ny fitomiandalan’Alasora fa tsy andriamasinavalona velively ?

    Vita ireny raharaha tamin’i Mavolahy ireny, dia voaroka ny terak’Andriamohara. Niparitaka hatraiza hatraiza tao Imerinatsimo tao. Izay nijanona dia andriamasiavalona, fa tsy nisy afaka nafenina tao amin’ny fitomiandalana intsony. Afa-tsy Ikakibe Andriantsira , neken’i Ranavalona ny niverenany tao avy any Antsahadinta, ary Inenibe Ramanantenasoa, raha nandidy i Radama II. Ny mahonena , dia Ikakibe Andrianavalonjafy sy Ramavolahy izany tsy tafiditra tao, fa andriana resy ary mpikomy hono, dia nalefa tany an-kafa.

    #22127
    mpandalo
    Membre

    *** censuré – veuillez régler vos querelles personnelles par messagerie privée ***

    Ampandrana >>>> Les tranokotona. Les vrais ( authentiques ) à Tana et ses environs, je n’en ai plus vu beaucoup. A Ampamaho, il y a encore un si mes souvenirs sont bons. A Antsahatsiroa, il y en a encore deux . A Antsahadinta, j’en ai vu 1. Pour dire que les tranokotona sont aussi des maisons et pas seulement des maisons saintes. Certains font la distinction entre trano masina en bois ( kotona ) pour une certaine catégorie d’andriana, d’autres parlent de trano manara en roseau ( zozoro ) pour une autre catégorie … Je ne vais pas aussi jouer celui qui sait tout. Cette partie là, je ne maîtrise pas, du fait qu’actuellement je ne vois plus trop de trano manara en roseau.

    Dernière chose . Je vois que sur gasikara.net, les Ambodifahitra et les Ambohimanambola font parties de la grande famillle des andriana . Ouh là là, je ne le savais pas.

    #22128
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry mpandalo.
    Azo lazaina izany fa marolahy ny ao @ fitomiandalana. Tena hita fa nisy dikany betsaka t@ olona taloha ny fasana sy fahafatesana.
    Sendra tafahaona sy niresaka t@ fianakaviana izaho t@ iny week-end iny ka niresaka momba ny fahafatesana mihitsy. Ny resaka t@ izay dia ny resaka lafika. Malaza any aminay fa rehefa misy maty ny fianakaviana indrindra raha teo an-tampon-tanàna dia misy maty manaraka iny koa ry zareo esty ampita andrefana izany oe ireo ankizin-drazana taloha. Dia nilaza ilay nenitoako oe ny olona taloha hoy izy manao lafik’andex. Hitako fa otran fomba ratsy ihany le iz raha @ izao no resahina.
    Ka saika anontany anao izaho oe inon no tena diakan’ilay manao lafika.
    Misaotra anao nanazava momba ilay trano kotona. Teo an-tampon-tanànanay koa mantsy taloha nisy trano kotona telo fa nodoran’i Rainivoninahitriniony fony izy praiministra.

    Misaotra betsaka de mazoto e!

5 sujets de 351 à 355 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: