andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 341 à 345 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #22109
    mpandalo
    Membre

    Minoa ahy ihanao fa avy amina  » concours de circonstance  » hafa dia hafa sy fisainana lalim-paka, asa,azo lazaina hoe « méditation » , tsy eritreretina akory no niavian’ny hevitr’Andriantompokoindrindra hamorona ny tranomanara. … N’oublions pas que c’était un « illuminé » et……….. je n’en dirai pas plus

    O ry Tany a, tena tsy hatoriana mihintsy ity resaka ity an! amin’ny irany maraina mbola eo ihany. Mbola discussion io resahanao io. Misy niteny fa lova tsotra izao avy any amin’ny reniny. Misy miteny fa mba « tsilikaina » koa ny azy. Ka asa inona no marina. Na samy marina fa natao mise en scène …

    #22110
    Ampandrana
    Membre

    Miarhaba indray!
    Efa miresaka trano manara ihany ny eto dia saika anontany anao aho ry mpandalo.
    Ny fanaovana azy ireny ve misy karazana normalisation no nanaovan’ireo olona taloha azy, izany oe ny angezany, ny hazo anamboarana azy,ny paoziny. Misy dikany koa ve ny lokony ohatra mena, fotsy, sns
    Ary marina v fa manambina marina izy ireny. Misy olona fantatro mantso milaza amiko fa rehefa misy mandeha lavitra hono ny fianakana misy azy ohatra oe oan andafy dia maka morceau kely @ ilay trano manara. Ankehitriny aza toa tsy eo intsony ilay trano manara fa nangalarin’ny olona ilay izy dia amidin’ireo tsy mataho tody.

    Merci hatrany e!

    #22112
    havana
    Membre

    Momba ny trano manara sy ny tranomasina dia fa samy manana ny refiny ny hitako aloha. Ary ny an-dRadama Rainy aza dia toa inspiré avy amin’ny endriky ny lapa tranovola ny endriny. Ny signification izany no tena zava-dehibe.
    Na izany aza dia isan’ny mba nandray anjara tamin’ny fanavaozana ny iray amin’ireo fasana telo miantaona (miandalana) eo antampon’Alasora aho. Araka ny toro-marika nomen’ny andriandahy iray dia tena nomeny mihintsy ny refy samihafa hanaovana ilay trano manara, ny lokony dia rouge basque tendance noir ary ilay eo amin’ny vovonana ary dia nasainy natao endrika lohandefona, dia nanontany aho hoe fa rehefa inona no atao hazo mifanapaka (forme X) no eo fa be no manao izay, dia hoy izy hoe rehefa mpanjaka no miafina ao dia sarina lelan-defona no tokony ho izy. Araka ny fantatro dia misy tranomanara ny fasan’Andriamamilazabe raiben-dRalambo ao Ambatomanitrasina, toy izany koa ny mpanjaka sasany any amin’ny faritra Bezanozano izay iray razana amin’Andriamamilazabe ihany satria iny no lalan’ireo alahamadintany ka nisy ny nijanona nanangana fanjakana tany!

    Mazotoa daholo ny andriana sy ireo izay liana rehetra!

    #22113
    tany
    Membre

    Miarhaba indray!
    Efa miresaka trano manara ihany ny eto dia saika anontany anao aho ry mpandalo.
    Ny fanaovana azy ireny ve misy karazana normalisation no nanaovan’ireo olona taloha azy, izany oe ny angezany, ny hazo anamboarana azy,ny paoziny. Misy dikany koa ve ny lokony ohatra mena, fotsy,

    Ankoatr’ireo tranomanara natao t@ fahagola, dia nisy koa ny tranomanara natao t@ zozoro.

    #22114
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra!

    Misaotra betsaka anareo aloha @ ilay valinteny.
    Nisy doc hitako vao maraina teo momba io. Araka nolazainy dia ny trano manara eo ambony fasana dia trano kotona sy trano zozoro. Fatsy aiko oe ohatrany ahoana moa ilay trano kotona. Ny fantatro fotsiny dia ny trano kotona dia teo Ampandrana no nisiany voalohany izay t@ andro fahagola izay nanjakan’i Rafandra teo Ifandro.

    Momba ny momba ny fitomiandalana indray dia araka ny fahalalako azy toa Andriamasinavalona i Andrianambonimena sy i Andriamohara. Kanefa nisy doc izay hitako fa ireo zzamarolahy etsy Ambohijanaka dia tarank’Andriamohara. Tsy tadidiko na taranak’Andriamohara izy izay na Andrianamboninmena fa ahitsio raha misy diso. Koa ny mahagaga ahy dia Andriamasinavalona nefa ny taranany zazamaolahy kanefa toa de naisasance ny zazamarolahy fa tsy annoblissement.

5 sujets de 341 à 345 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: