andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 331 à 335 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #22077
    Ampandrana
    Membre

    Ary ireo andriamasinavalona tsy manana trano manara ao Vonizongo, tsy andriandehibe izany ?

    Miarahaba anao ry mpijery. Inona no antony mahatonga ny Andriamasinavalona ao Vonizongo tsy mahazo trano manara sy lazainao ho tsy andriandehibe. Sa noho izy par anoblissement

    #22100
    lintello
    Participant

    Un petit rappel à l’ordre à tous.

    Veuillez vous respecter les uns les autres et passer en messagerie privée pour vos querelles personnelles.

    Les membres qui ne respecteront pas cette règle seront définitivement bannis du forum, afin de garder cet espace convivial et constructif. Ceci est le dernier avertissement, il n’y aura plus de préavis.

    Bon forum à tous.

    #22101
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry mpandalo.

    Nojereko ilay site notrnrninao ahy iny ary efa hitako ihany. Mahafinaritra tokoa ny mijery taranaka aty ahoriana mikarakara ny fitomiandalana. Ka mbola voavalinao ny fanontaniako: zazamarolahy ve ireo ao fitomiandalana ao Alasora sa Andriamasinavalona? Satria araka ny noteneninao dia marolahy=tetiarana lavareny+fitomiandalana. Nefa raha ny fahalalako azy dia Andrimasinavalona Andrianambonimena izay efa napetrak’i ny mpanjaka Andriamasinavalona azy.Efa nisy doc izay aza t@ net milaza fa ireo no tena Andriamasinavalona.
    Ny faharoa raha ny kely fantatro dia ny menakely dia an’ny Andriamasinavalona, ny vodivona kosa ho an’ny marolahy. Ny zavatra tiako anontanina dia inona indray ilay oe menabe. Andriana sahala @ ahoana no eo.
    Nisy namako izay mantsy avy eo Ambohimalaza(teneniko eto fa tsy mikritika akory aho sao lazaina oe manmbany na manambony) ary Andriatompokoindrindra ry zareo. Ka nafaran’ny bebeny mafy oe aza manambady ireo olona mipetraka etsy ambony iretsy fa menakely ireo. Ka tsy aiko ny tiany lazaian @ zany sao fantatrao.

    Merci e!

    #22102
    mpandalo
    Membre

    Miarahaba anao koa ry Ampandrana.

    Hoy Mpijery ka : Satria araka ny noteneninao dia marolahy=tetiarana lavareny+fitomiandalana.

    Misy dikany io fa tsy navaokany fotsiny amin’ izao.

    Tsy hamaly mivantana aho mikasika ny amin’ny ry Ikakibe sy Nenibe ao amin’ny fitomiandalan’Alasora fa mba ataontsika fikarohana kely e!

    1- Eto an-toerana ve ianao ? tsy nahita telo miandalana ve ianao ao avarabaratra eo ? an’iza io ?
    2- Eo Alasora daholo ve ny zanak’Ikakibe Andrianambonimena? Nankaiza ireo ? andriamasinavelona ve ireo sa zazamarolahy ?
    3- Andriamohara : inona moa no fifandraisany amin’i Andrianambonimena ? Koa angaha moa tsy mpirahalahy Andriamohara sy Rakotomavo Andriambelomasina ? Ka ny iray ve mpanjaka, dia ny iray andriamasinavalona ?
    4- Fa naninona no tsy azo hanafenana intsony ao ? ary nanomboka oviana ?

    Raha voavaly ireo fanontaniana ireo dia mazava ho azy ny valiny.

    Ny Menabe ve ? Omena kely no nahatonga ny Menakely. Omena be izany ny Menabe. Omena be satria vohitra eo ambanin’ny fahefan’ny mpanjaka direct. Tsy hiditra amin’ny antsipirihany aho amin’ny « administration » samihafa.

    Hafa indray ny atao hoe « menakely » ao Ambohimalaza. Cuisine interne and-ry zareo izany, fa ny azo tenenina dia tsy taranak’ Andriantompokoindrindra ny « menakely » any, ka izany no mahatonga ny terak’Andriantompokoindrindra manafatrafatra.

    Izay no mba kely voavaliko amin’ny zavatra kely haiko, fa raha misy te hanampy moa, vao maika tsara.

    Mazotoa e.

    #22103
    mpandalo
    Membre

    Misaotra an’i Tany sy Mpijery mbola manandrana mampita tantara eto na dia hita aza fa henjana dia henjana.

    Raha dinihina izany ny hevitra nivaoka teto mikasika ny trano manara dia tena mizara roa tokoa ny fomba fijery :

    1- Tsy tokony hanana tranomanara ny avy Ambohimalaza, satria hoy ny hafatry ny ray aman-dreny : ny telo ambony ihany no mahazo, dia ny zanakandriana, ny zazamarolahy ary ny andriamasinavalona. Ny andriantompokoindrindra fahefatra dia tsy tafiditra ao, sady be hambo fotsiny any amin’ izay rehetra alehany.

    2- Zon’ny andriantompokoindrindra ny mahazo tranomanara satria ry zareo no tompony. Ary neken’ny mpanjaka nanomboka tamin’Andrianjaka ka hatramin-dRanavalona III. Lovan-tsofina any amin’ny fianakaviana samy hafa, ary voarakitra an-tsoratra ao amin’ny boky tantara sahala ny Tantaran’ny andriana.

    Hoy ny hafatr’Andrianampoinimerina : »…raha tsy andriamasinavalona kosa tsy mahazo tranomanara. Andrefa andriantompokoindrindra mahazo ny hipetrahana teo aloha hiany ny trano manara, kanefa kosa andrianteloray izy. »

5 sujets de 331 à 335 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: