andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 311 à 315 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21987
    mpijery
    Membre

    Misy Ravolondrenitrimo roa, Rasahala 4, sns… mahalasa eritreritra!!!

    1)
    Raha araky ny fanazavana eto izany:
    Rasahala ny vadin’Andriampoinimerina, sady Rasahala ihany koa ny anabaviny. Ialako tsiny fa sarotra inoana izany, fa toa misy fifandrifian-javatra tsy hasard.
    Tsy vitan’izany fa raha izay no izy, dia misy dévolution successorale hafahafa sady tsy marim-pototra satria dia tena zefa be Andriamponimerina raha izany. Nanjaka aloha ny zanak’Andriamponimerina roa lahy izay vao ny zanak’anabaviny. Tsy matotra izany resaka izany, raha te hampihatra ny lalanan’ny zanakanabavy napetrak’Andriamasinvalona Andriampoinimerina ka hitsipaka ny taranany dia nalefa tany @ fianakavian’Andrianambonimena ny fahefana. Raha te hanamboamboatra resaka kosa izy dia tsy maintsy nikendry ny hanome fahefana ny taranany ka ni-imposer t@ zanany lahy ny zafy naloaky ny kibony dia eto mitombona tsara fa zanaky ny zanany vavy Andrianamboatsimarofy tahaka ny nataon’Ambohidratrimo.

    Averiko indray: na Andriampoinimerina te hanaiky ny tenin’Andriamasinavalona dia nanome fahefana ny mpianakavin’Andriambonimena ary efa nanome lesona @ izany Andriantsimitoviaminandriana Ambohimanga, na izy mody manamboamboatra dia omeny an’i zafiny avy @ zanany vavy dia mody hoe mampiatra ny lananan’ny zanakanabavy tahaka ny nataon’ny teny Marovatana. Tereny ny zanany lahy fa mijanona ao @ taranany ihany ny fahefana . Fa raha dia hitsipaka ny taranany izy kanefa tsy mankato ny hafatr’Andriamasinavalona dia voa double, dia tena heverina fa tsy misy stratégie de pouvoir ndao atao hoe vendrana satria very fanjakana ny taranany kanefa tsy nankato ray aman-dreny hatry ny fony Andrianjakanavalomandimby Antananarivo izireo.

    2) Ny hoe vodivona Amparihindrasahala dia tsy marina izany fa ny tany Menabe tsy fanao vodivona.

    3) Ny ohatra ahitako fampifangaroana anarana sy ny fanatovanana anarana ilay ataoko hoe téléscopage de noms dia manjary mahatonga ahy hitombo fisalasalana tanteraka ny @ fahamarinan’ny théorie resahina.

    Ohatra: iray ihany Ravaonimerina sy Razanakinimanjaka ary io ihany no atao hoe Rasahala.
    Izay ilay ateraky ny famakiana Firaketana izay tsy voatery ho mari-pototra. Roa ny zanany hoy ny firaketana, misy anaram-behivavy roa anefa hita donc misy déduction hoe: iray ihany izany ireo olona ireo.
    Marina tokoa fa novonoin’Andrianampoinimerina Ravaonimerina sy ny zanany ary misy tantara tena nahaontsa tokoa ny amin’io, fa RAZANAKINIMANJAKA DIA OLONA HAFA TANTERAKA NOHO RAVAONIMERINA , iray ray samihafa reny ireo ary maro taranaka Ranazakinimanjaka ary maro ireo havana taranak’io, na dia @ fetim-bokatry ny fiangonana eny Antsahadinta ihany aza dia ampy ahalalana izany maika fa ampiana ny eny Androhibe, Ivatobe Ambohimahamanina.
    Ialako tsiny fa tsy resy lahatra ny tena @ilay théorie des noms.

    4) Amin’ilay fanontaniana fasana ivelan-kady: fahiny ny Andriana sarotiny raha heveriny fa tsy hahafehy ny lalanan-dRazana hentitra @ fanambadiana ny taranany dia asiany fasana ivelan-kady antsoiny hoe Itsimialonjafy idiran’ny taranaka tsy an-kanavaka, mba tsy hampisavorovoro ny @ resaka miditra na tsy miditra am-pasandrazambe. Dia asiany fira-vava mba ny mitana ny lalàna ihany no mahazo manao ao anaty hadivory. Izay no heveriko fa ametahan’ny olona tranomanara ihany eny ivelan-kady ilazany fa taranaky ny ao anaty hady ihany izy.
    Ny fomban’ny sasany indray dia ny tsy idiram-binanto no ataony.

    #21988
    Ampandrana
    Membre

    Misaotra anao ry mpijery t@ ilay valiteny nomenao teo.

    Ity misy zavatra anontaniako anao. Ary i Ramaromanompo zanak’Andrianamboatsimarofy ve milevina eo Fenoarivo sa aiza raha tsy eo dia aiza. Ary nisy fotoana nandeha t@ « Aty aminay » t@ TV PLUS ny momba an’i Fenoarivo dia nasehony teo ilay fasana iafenan’i Rangorinimerina izay antsoin’ny taranany nanoltra t@ TV PLUS hoe « Bebe Rangory ». Ka saika anontany anao izaho hoe misy ifandraisany @ Andrianamboatsimarofy na ny zanany Ramaromanompo ve io Andriambavy io.

    Misaotra tompoko!

    #21990
    mpijery
    Membre

    Ie, ao Fenoarivo tokoa Ramaromanompo no milevina, efa hariva ny andro fony namindra an’Andrianamboatsimarofy Ranjoanina dia tsy voafindra intsony izy ka dia nijanona ao.

    Rangorinimerina dia tsy ao Fenoarivo fa tany Mahandrihono Ambohimanga izy no nalevin’Andriambelomasina zanany.

    #21991
    mpandalo
    Membre

    Tena gaga mihintsy aho amin’ity resaka mpanjaka Andrianamboatsimarofy ity. Ohatrin’ny efa tafapetraka any amin’ny tetiarana maro ny fijeriko ny tetiarany, nefa mbola misy mamoaka version hafa indray. Asa inona no antony.
    Raha ny fanazavan’ « Ambodirano» azy , dia zafikelin’ Andrianjakanavalomandrimby izy . Fa maninona no tsy maintsy atao zanak’ Andrianjakanavalomandrimby Rasahala II , nefa efa mazava be izao fa zanak’ Andriamponimerina ? I Mayeur aza mandalo fotsiny nahita fa zafikelin’Andrianponimerina avy amin’ny Rasahala i Andrianamboatsimarofy.
    Raha mandehandeha amin’ny internet ianareo, dia mitovy amin’io koa ny nosoratan’ i C. R. ao amin’ny boky « Empreintes de la servitude …. » : Zafikelin’ Andrianjakanavalomandimby i Andrianamboatsimarofy .

    Ravaonimerina. Hay ve izy no atao hoe Razanakinimanjaka e ! Aleo ho rovitiko daholo ny tetiarana aty amiko fa tena diso daholo raha ny fijeriko azy.

    Ny manafangaro anarana tokoa toa manova tantara mihintsy. Izany no ahitana Ravololondrenitrimo roa tampoka eo.

    Mpijery >>> Toa milafika hono izy ao Fenoarivo ao … fa mba tiako ho fantatra hoe aiza ho aiza . Trarantitra e!

    #21992
    tantsaha
    Membre

    Fanitsiana kely ry Ambodirano, raha tsy diso aho dia rahalahin-drain’Andriambelomasina Andriamangarira fa tsy iray ray aminy akory. Andriamangarira, Rafonizozoro, Andriantsalama, Ranosy ireo no iray ray dia Andriandambozozoro izany.
    Ny iray ray amin’Andriambelomasina , zany hoe zanak’i Rafonizozoro sy Rangorinimerina dia: Andriamohara, Andriambelomasina, Andriantoarano, Ramisamanjaka, Andriampalimanana
    Mazotoa r’ise

5 sujets de 311 à 315 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: