heky

Toutes mes réponses sur les forums

4 sujets de 1 à 4 (sur un total de 4)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Que pensez-vous des gasy qui ne parlent pas malgache ? #21251
    heky
    Membre

    izany ilay ataon’ny psychologue hoe « assimilé total ». raha tsorina dia efa very tanteraka any aminy ny maha malagasy ka aza misahirana mandresy lahatra azy intsony. horohoro ho azy ny teny malagasy ka izany no mahatonga azy mitomany rehefa asaina miteny io fiteny io. na izany aza ilaina entina mijery mpitsabo saina ihany izy sao dia midradradradra mihorohoro be tahaka izany rehefa ampianarina teny anglisy na alemana na italiana na japoney…

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #21250
    heky
    Membre

    Na Andriantompondrindra ianao na tsia tsy olana izany e ! Ny zava-nisy hitamponko hitampirenena dia tsotra: Raha niakatra RA8 dia iangahy na ny Andriana Etienne Ralitera no nanolotra ny sambohady,raha niakatra ihany koa ingahy na Atoa Rajoelina dia izy ihany koa no nihazakazaka nanolotra ny sambohady!!!
    Inona no fonosin’izany?????????
    Ny anarana indray tsy PROBLEME izany fa aza hitarina hitako fa misy manoratra eto izao RADOMELINA fa tsy RAJOELINA na koa RATSI- RAHONA fa tsy RATSI- HONANA na koa RATSI-AKY fa tsy RATSI-RAKA , de maninona anefa izany !
    TSOTRA FOTSINY AZA MAMADIKA NA MIVAROTRA TANINDRAZANA , INDRINDRA RAHA MANAN-TARANAKA

    mino aho fa tsy andriana io miteny io, na andriana ihany fa metisy andevo, fa sendra nitsirika tao dia narary ny fony dia mba nanaoratra ny vetsovetsom-pony

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21112
    heky
    Membre

    Mitombona ny anao ary Ratsitohina no vady nahazaka fanjakana nahatonga an’Andrianjaka nanjaka. miteraka olana hafa indray nefa izany ho an’ny Andriantompokoindrindra sy ny fandraisany ny tantara. ny tiako hazavaina teo aloha fotsiny dia ny fizotran’ny niforonan’ny satan’ny zanakandriana sy zazamarolahy ary ny andriamasinavalona. niniako tsy nolazaina mantsy ireo voalazanao teo ambony ireo satria fantatro loatra ny adihevitra eo amin’ny samy andriana ny mikasika ny tokony nanjaka sy tokony hanjaka. mbola tsy vita mantsy io resaka io ary ahiako tsy ho vita mihitsy raha ny fijeriko azy. fototra mampisara-bazana ny andriana eto Imerina ary miteraka fifanavakavahana mihitsy aza. misy mantsy ohatra ny olana amin’ny fandraisana ny tantara eo amin’ny Andrianamboniolona sy ny terak’Andrianjaka, tsy lazaina intsony ny fifandirana mikasika an’Andrianjaka sy Andriantompoindrindra, ny eo amin’ny zazamarolahy sy ny zanakandriana… rehefa tena fakafakaina mantsy n y tantara dia toa betsaka kokoa ny mampisaraka noho ny mampiombona rehefa te hanindraindra ny azy ny tsirairay. ilaina izany ny fandalinana tsy miandany nefa rehefa mahakasika ny voninahitry ny sasany ny famakafakana dia miakatra avo dia avo ny feo ka tahaka ny tsy andriana intsony no miresaka.

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21097
    heky
    Membre

    Heky ihany!
    rehefa nandimby an-dRangita mantsy Andriamanelo dia nafarana fotsiny hoe: anao ny alakamisy fa an’Andriamananitany ny zoma. tsy nisy rafitra napetraka mba hahazoana miaro izany fandovam-panjakana izany ka niafara tamin’ny famonoana an’Andriamanananitany mba hanjakan-dRalambo zanany. naka lesona tamin’izany Ralambo ka rehefa nanome ny fitondrana an’Andrianjaka izy dia nametraka rafitra mamaritra ny satan’Andriantompokoindrindra zokiny: rafitra hifanajana sy iarahana mitondra ny fanjakana. nomena sata ihany koa ireo havan-tetezina sy fianakavian-dRalambo: ny taranak’Andrianamboniolona, ny Andriandranando ary ny Zanadralambo. Nanomboka teo amin’Andrianjaka ka hatramin’Andriantsimitoviaminandriandehibe (voalohany) dia vitsy no nateraky ny mpanjaka ka tsy mila nalamina ny fandovam-panjakana. Nony najaka kosa Andriamasinavalona dia nanambady maro mba hahafahany ihany koa manitatra ny fanjakana. izany no nahatonga ny hoe : vady mahazaka fanjakana. maro be ny zanany nefa tokony ho iray, raha ny tokony ho izy no mpandova. izany no nahatonga azy hametraka sata vaovao. ny naterany tamin’ny vady mahazaka fanjakana no nomeny ny satan’ny ZAZAMAROLAHY. IREO SY IZAY hatsangan’ireo ho zanany no mahazo mandova fanjaka na MANJAKA. ny zanany hafa sy ny havany miara-mizaka fanjakana aminy ary ny ZanadRangorinimerina (hazavaina io amin’ny manaraka raha tianao) no nomena ny satan’ANDRIAMASINAVALONA. nanjary 6 hatreto ny fizarana. erhafa tonga indray Andrianampoinimerina dia efa maro loatra ny zazamarolahy afaka mandova fanjakana. Mba hahafahany manilika azy ireo indray dia nametraka rafitra iray vaovao izy. Nomeny sata ireo naterany ka noheverina ho afaka mandova ary nataony indray hoe :ZABAKANDRIANA. feno fito izy izay. tiana ny manamarika fa ny sata dia tsy midika fiandrianana fitsiny ihany fa indrindra indrindra andraikitra mivantana eo amin’ny fiaraha-monina. tsara ny manamarika fa nanomoka tamin’Andrianampoinimerina no nanomezana olona hafa tsy manana rohim’pihavanana amin’Andriamankjaka ny satan’Andriamasinavalona. ohatra: Andriamahazonoro.

4 sujets de 1 à 4 (sur un total de 4)
error: