Alson – Hary elatra (Tononkira)

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •  

Izay te hanidina ambony
Izay te hanidina tsy hianjera intsony
Na dia lavitra ny dia
Be ireo tanjona hirina
Hanakatra ilay kintana ery
Haminavina anao ilay mandrotsirotsy
Hirediredy handefa saina hanonofy
Samy hanidina hankafy
Isika roa ilay mpiara-dia
Hanakatra ilay kintana iry
Hary Elatra aho
Hary Elatra ka hitady anao
Mitombo hery isan’andro
Ilay herim-pitia ho atolotro ho anao
Manan’elatra aho
Hitondra anao an’abakabaka ambony
Ilay nofinofy isan’andro
Izao fa tanteraka, tanteraka amiko
Tsy mila resy, mila fandresena
Tsy misy ho resy io, tsy mba hisy ho tavela
Na hoe : ” mafy ny fiainan-tsika “
Rotoroto izay manaliaka
Ho tonga indray ilay tanjona iriana
Haminavina anao ilay mandrotsirotsy
Hirediredy handefa saina hanonofy
Samy hanidina hankafy
Isika roa ilay mpiara-dia
Hanakatra ilay kintana iry
Hary Elatra aho
Hary Elatra ka hitady anao
Mitombo hery isan’andro
Ilay herim-pitia ho atolotro ho anao
Manan’elatra aho
Hitondra anao an’abakabaka ambony
Ilay nofinofy isan’andro
Izao fa tanteraka, tanteraka amiko
Raha nofinofy fotsiny io dia
Dia ahita hasambarana
Mbola ho avy izany andro izany
Dia mbola hisy ny fahafahanao
Fifaliana, Fitsikiana
Fahoriana tsy ho isy
Hary Elatra aho
Hary Elatra ka hitady anao
Mitombo hery isan’andro
Ilay herim-pitia ho atolotro ho anao
Manan’elatra aho
Hitondra anao an’abakabaka ambony
Ilay nofinofy isan’andro
Izao fa tanteraka, tanteraka amiko

Vos réactions

commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*