Merina sy Betsileo

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 11)
  • Auteur
    Posts
  • #17357
    Anonyme
    Inactif

    Efa ho 3 taona zao izaho sy ny sipako no miaraka. Izahao dé tena ty anazy ary izy koa ty ana. Ny olona, maro ny zavatra tsy itovizanay indrindrindrindra eo @ resaka fianakavina.
    Izaho dé vevavy 22 ans fotsy, merina rano ray ary somary manan-katao ny RAD ako.
    Izy dé lehilahy 25 ans mainty, betsileo ary somary sahirana eo @ fiainana.
    6 volana teo ho eo izao dia nilaza t@ RAD ako oe manana sipa izaho ary nataoko ny description any. Tsy naha teny zareo ka naka andro sabotsy iraymanontolo mba iresahana ana momban’izay. Tsy nakasitrahan’izy ireo ny firahanay ary niteny zareo oe sarahako izy ary raha tsy ataoko zay dé zareo no anasaraka anay.
    Izaho nefa tsy mety ny isaraka @ satry tena tsapako fa izy tena ty ana nefa mahita ianay izaho fa diso samihafa bé lotra ny fianakavinay ka rehefa iroso @ sehatra fanambadina dia mety manaraka anazy izaho satry mety ahiliky ny fianakavinako.

    Mba magataka ny hevitrareo @ zany izaho fa otran tsy itako izay atao……

    #23196
    Anonyme
    Inactif

    Io dia resaka choix. Anao ny choix karine. Zany oe, na ianao misafidy an le lehilahy, ka dia efa hainao zany ny conséquences an’zay choix zay, na ianao misaraka aminy de mitady olona mitovy aminao @ resaka fianakaviana. Na hatramizao aza dia tsy dia mifanambady loatra zany Merina sy Betsileo zany, fa na samy Merina, na samy Betsileo. Dia mbola miditra koa ilay resaka andriana/hova/mainty. Compliqué be le izy, fa resaka choix io. Sarotra be le anova toetsaina mantsy, efa betsaka ny olona nanandrana fa tsy afaka manova toetsaina eo ny eo ianao fa io eo foana @ gasy ary tsy ho afaka mihitsy. Mazotoa akia !

    #23197
    Anonyme
    Inactif

    Raha izay ny avy any aminao, mety ho tsy latsak’izany koa ny mety miseho any amin’ilay olon-tianao, fa araka ny voalazan-dranamana -mon avis-. Resaka safidy marina io. Izany hono no nahatonga ny révolution fahizay resaka fitia voarara… « Choisir c’est sacrifier » hoy ny filàza. Raha mahazáka fitsapàna ny fitiavanareo dia hahavita hihatrika fiainan-tokan-trano, fiainam-pianakaviana vaovao tsy halofan’alahelo, ary hohainareo ny manazava ny zanakareo ny zava-misy tsy hahatonga ny taranaka hankahala ny Razam-beny fa kosa hazavaina fa ny fiarovana ireo taranaka no nahatonga ireo RAD ho sarotiny. Amin’izay fotoana izay anefa ianareo hifanome tso-drano ary hiala tsy ho eo amin’ny tontolo misy ny fianakaviana intsony fa handingana Generation ary hanangana ny vavao izay ianareo roa (fiaviana, Kolon-tsaina samy hafa) no Razambe vaovao… Izay ilay « sacrifice » kanefa tsy voatery arahin’ozona satria ny RAD tia foana ary mahafoy zanaka, moa ho RAD rahateo ianareo hahatsapa ny fahamarinan’izany. Ny safidy no an’olombelona fa tsara ary mety ny mivavaka mametraka ny fikasàna sy ny ahiahy eo amin’ilay Nahary. Tongàva sambatra !

    #23198
    Anonyme
    Inactif

    Ialàna tsiny re tompoko ny tsipelina diso : « … Ny RAD toa foana ary TSY mahafoy zanaka… »

    #23199
    Anonyme
    Inactif

    Marina izany lazain’Ibonia zany! Tsy ny maha Betsileo azy ny tsy tiany RAD-ninao fa ny maha mainty azy, satria misy koa Betsileo fotsy. Izay tianao hatao no ataovy.Raha tena tianao izy ary tena sûre ianao hoe hivady mandra-pahafaty ,aza sarahina. Ny Ray aman-dreninao raha tia anao, dia tokony tsy hampaninona azy izany.

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 11)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: