havana

Toutes mes réponses sur les forums

2 sujets de 1 à 2 (sur un total de 2)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22112
    havana
    Membre

    Momba ny trano manara sy ny tranomasina dia fa samy manana ny refiny ny hitako aloha. Ary ny an-dRadama Rainy aza dia toa inspiré avy amin’ny endriky ny lapa tranovola ny endriny. Ny signification izany no tena zava-dehibe.
    Na izany aza dia isan’ny mba nandray anjara tamin’ny fanavaozana ny iray amin’ireo fasana telo miantaona (miandalana) eo antampon’Alasora aho. Araka ny toro-marika nomen’ny andriandahy iray dia tena nomeny mihintsy ny refy samihafa hanaovana ilay trano manara, ny lokony dia rouge basque tendance noir ary ilay eo amin’ny vovonana ary dia nasainy natao endrika lohandefona, dia nanontany aho hoe fa rehefa inona no atao hazo mifanapaka (forme X) no eo fa be no manao izay, dia hoy izy hoe rehefa mpanjaka no miafina ao dia sarina lelan-defona no tokony ho izy. Araka ny fantatro dia misy tranomanara ny fasan’Andriamamilazabe raiben-dRalambo ao Ambatomanitrasina, toy izany koa ny mpanjaka sasany any amin’ny faritra Bezanozano izay iray razana amin’Andriamamilazabe ihany satria iny no lalan’ireo alahamadintany ka nisy ny nijanona nanangana fanjakana tany!

    Mazotoa daholo ny andriana sy ireo izay liana rehetra!

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #22106
    havana
    Membre

    Salama daholo,

    Raha ny fahafantarako azy dia kolontsaina na fomba avy amin’Andriamamilazabe razamben’Andriantompokoindrindra ny tranomanara ary kolontsaina maley izy io.
    Ny mpanjaka no manana azy ary porofon’izany na dia taranak’Andriamamilazabe aza ny Andriandranando dia tsy miloloha tranomanara izy. Andriatompokoindrindra moa tsy nandray ny fanjakana na dia zokiny aza ka dia ny kolontsaina tranomanara kosa no notazoniny. Voalaza tary ananona tary ary hita amin’ny boky sasany fa Andriamasinavalona dia zanatompo koa heverina izany fa nitazona ity kolontsain-drazany ity izy. Nisy fifaninanana ihany mantsy ny andriana avy any atsimo sy ny avy any amin’ny alahamadintany ka isan’ny niteraka olana ny nampanjakana an’Andrianjaka satria avy amin’Andriamananitany izy nefa kosa niverina ny herin’ ny Alahamadintany rehefa nanjaka Andriamasinavalona ary mbola nihamafy rehefa nanjaka Nampoina satria Alahamadintany Ray sady Andriamasinavalona Reniny!

    Hevitra ihany iny

2 sujets de 1 à 2 (sur un total de 2)
error: