jaky

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 23)
  • Auteur
    Posts
  • en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #23045
    jaky
    Membre

    Tsrv tpk o!

    Ca fait plaisir de constater que ce forum existe toujours depuis tant d’année, et qu’on est libre de parler ouvertement de notre origine.

    Sinon, j’aimerai juste relancer l’invitation des Zanadranavalona, en vous conviant chers andrianas a l’alahamady qui se deroulera le 18 aout 2012 au Kianja de Nenibe a Anosimanjaka.

    Trarantitra tompoko.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22505
    jaky
    Membre

    Tsarava Ratany

    Ratany, vinanton’i Rasahenolahy lehiben’ny zazamarolahy & NA Rasavero ve le anarana entinao?? fianakaviana izany raha toa ka izy.

    Mikasika ny Ambatondratrimo indray dia, ie, ny ao anaty hadivory no fasan-drazana misy an’i NA RATAFIKA sy ny fianakaviany. Nanambady roa ihany i Ratafika araky ny lova-tsofin’ny fianakaviana. Raha tianao fakafakana kokoa dia tsara angamba ianao mamangy ny tanàna ao Ambatondratrimo fa voasoratra ao amin’ny tsangambato ao ny anarana izay ilainao.

    Raha ny ivelan-kady io indray dia mifandray amin’izareo eny Ambohimandroso itaosy ny olona « nasitrika » tao…

    Tsarantitra

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22502
    jaky
    Membre

    Tsara va tompoko ô!

    Mantany i Andriandambo manao hoe: « Ary Ambohimamory sy Ambatondratrimo ary Vinany ve andriana avokoa sa? »

    Dia hoy aho mamaly hoe: Eny tompoko, Andriana ny ao AMBATONDRATRIMO. Ny Andriana RATAFIKA no tompomenakely eo amin’ny vohitra eo. Zanadranavalona an’i anosimanjaka izy avy amin’ny Rainy ary ny andriambavy Rambolamasoandro kosa no reniny. Rahalahin’ny mpanjaka RADAMA I izy fa saingy tsy iray ray aminy. Andriamasinavalona no satan’ny ambatondratrimo. Marihiko entoana fa ny fasana ao anty hadivory no tompon’ny vohitra eny Ambatondratrimo fa ilay fasana miloloha tranomanara ety ivelan-kady io dia tsy tarana-dRatafika akory.

    Mankasitraka. Tsarantitra tompoko

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21944
    jaky
    Membre

    Misy zavatra anakiray izay somary mahasarika ny saiko eny Ambodirano eny. Eo Ambatondratrimo ny marimarina aminy…

    Misy fasana iray voa haingana angamba raha ny fahitako azy io fa miloloha tranomanara ilay izy… Raha ny lovatsofina moa dia afaka misalotra tranomanara ambatondratrimo amin’ny maha-andriamasinavalona azy. saingy ilay fasana toa sady ety ivelan’ny hadivory no toa anarana tsy dia be mpahafantatra ao amin’ny fianakaviana ihany no misoratra eo amin’ilay izy nefa dia misalotra tranomara mena ary hiambesana liona anakiroa ny varavarana….

    dia gaga tokoa izao hoe: fanga moa izay te-hanisy tranomanara ny azy no afaka manisy. Sa ny vola ve amin’izao no maha rangahy azy ireo?????

    Ny tiako mba hotenenina fotsiny dia hoe, aoka ny marina no habaribary fa tsy mamorina izao akanga tsy aman(orana rehetra izao….

    Hita eny ihany anie ny marina e! hoe ity ka trano fohiloha tsy mifangaro, ity iraika ity toa sadasada……

    Izay ary fa dia soava tsara daholo e!

    en réponse à : andriana c'est juste un titre ou… #21936
    jaky
    Membre

    Tsara va daholo isika teraky Rangitamanjakatrimovavy.

    Dia mahavariana tokoa ny fizotran’ity forum ity tao ho ato fa betsaka ireo milaza ny tenany ho andriana ankehitriny nefa tsy izy.

    Soa ihany fa ny andriana, dia manana ny maha-izy azy ary tsy misehoseho amin’ny hafa ny firazanany sy ny fihaviany, fa ny toetra sy ny fomba fanaony no hahafantarana azy hoe: indreto ny terak’Imahazaza, indreto ny terak’ny trano fohiloha, indreto ny terak’Imahandrihono.

    Asakasak’isika ihany io, fa na andriana ianao na ty andriana. Ny tsara sy mahasoa ho anao, ho an’ny tanindrazana ihany katsahina.

    Dia soava tsara daholo ary tompoko.

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 23)
error: