Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 701 à 705 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #22475
    Ampandrana
    Membre

    Miarahba antsika e!

    Tapaka lay noteneniko tetsy fa misy koa ny olona mba te ahalala ny tantara matoa tonga eto e!

    Fa saika anontany izaho: t@ andro faha_mpanjaka ny asa fiveloman’ny olona, moa v nisy asa tsy maintsy andriana no manao azy, na misy koa v asa natokana ho an’ny hova sa v malalaka ny fanaovana asa iray ho an’ny tsirairay?

    Misaotra tompoko!

    #22480
    Andriandambo
    Membre

    Tsarava tompoko ny andriana!!!

    Mba te hahafantatra ny momba ny andriandoriamanjaka tompoko, mety misy afaka mamelabelatra ve?

    Ary Ambohimamory sy Ambatondratrimo ary Vinany ve andriana avokoa sa?

    Misaotra mialoha!!!

    #22502
    jaky
    Membre

    Tsara va tompoko ô!

    Mantany i Andriandambo manao hoe: « Ary Ambohimamory sy Ambatondratrimo ary Vinany ve andriana avokoa sa? »

    Dia hoy aho mamaly hoe: Eny tompoko, Andriana ny ao AMBATONDRATRIMO. Ny Andriana RATAFIKA no tompomenakely eo amin’ny vohitra eo. Zanadranavalona an’i anosimanjaka izy avy amin’ny Rainy ary ny andriambavy Rambolamasoandro kosa no reniny. Rahalahin’ny mpanjaka RADAMA I izy fa saingy tsy iray ray aminy. Andriamasinavalona no satan’ny ambatondratrimo. Marihiko entoana fa ny fasana ao anty hadivory no tompon’ny vohitra eny Ambatondratrimo fa ilay fasana miloloha tranomanara ety ivelan-kady io dia tsy tarana-dRatafika akory.

    Mankasitraka. Tsarantitra tompoko

    #22503
    Ratany
    Membre

    Tsarava jaky;
    Mba mametraka fanontaniana aho, ny anaty hady ve izany ny fasan’ireo terak’i Ratafika? dia iza no vadibeny ary aiza io vadiny io no miafina raha tsy maha diso, ary mba misy infos ve any aminareo momba an’i Rahovy? na Raovy?
    Misaotra betsaka

    #22505
    jaky
    Membre

    Tsarava Ratany

    Ratany, vinanton’i Rasahenolahy lehiben’ny zazamarolahy & NA Rasavero ve le anarana entinao?? fianakaviana izany raha toa ka izy.

    Mikasika ny Ambatondratrimo indray dia, ie, ny ao anaty hadivory no fasan-drazana misy an’i NA RATAFIKA sy ny fianakaviany. Nanambady roa ihany i Ratafika araky ny lova-tsofin’ny fianakaviana. Raha tianao fakafakana kokoa dia tsara angamba ianao mamangy ny tanàna ao Ambatondratrimo fa voasoratra ao amin’ny tsangambato ao ny anarana izay ilainao.

    Raha ny ivelan-kady io indray dia mifandray amin’izareo eny Ambohimandroso itaosy ny olona « nasitrika » tao…

    Tsarantitra

5 sujets de 701 à 705 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: