andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 286 à 290 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21950
    ambodirano
    Membre

    Niandriandry ihany aho amin’ilay valiny fa toa tsy nahita firy. Tsy mbola nifankahita tamin’ ilay prof anthropo angaha ? sa mbola nandeha nikaroka teny amin’ny terrain ?
    Misaotra an’ Ambodirano efa nanome valiny vitsivitsy, fa raha hiandry eo tokoa toa ho lany ny andro.
    Je ne suis pas déplacer sur le terrain pour essayer de faire une synthèse des éléments existant sur ce sujet. J’ai pris comme sources quelques éléments de ma bibliothèque et l’ avis éclairé de « mpijery »

    Momba ireo zana-dRadama II dia ankoatran’i John zanak’i Marie Rasoamieja izay maty mbola kely t@n’ny aretin’ny Ramanenjana 1863 dia niteraka vavy koa izy izay teraka t@ Aout 1862 taloha kelin’ny couronnement. (les Vazaha invités en ont témoigné)

    Enfin, toujours selon Raymond Delval, Radama II survécut dans la région de Morafenobe , chez les Sakalava, d’ailleurs il y serait enterré. Polygame, il y eut encore une nombreuse descendance dont entr’autre une fille Hetaheta (de Rasoanjanahary) qui fut ensevelie à côté de son père mais aussi un fils Ralaisoa et non Raisoa (de Ramavo). Ce dernier a laissé une postérité actuellement en Imerina.

    Au sujet de ces zanak’i Koto, je ne sais pas si l’Historien mpijery possède des anecdotes, mais ce qui est sûr c’est qu’il n’en fera pas état ici sur un forum !

    #21951
    mpijery
    Membre

    Tsy historien izany ny tena fa mba mandalindalina eny e!

    Tena variana aho ry Ambodirano @ resakao eto hoe misy Ravololondreninitrimo roa izay aho vao nahare izany kanefa ny havanay ao Fihaonana izay tsy azo ialohavana mandeha raha resaka momba an’inenibe dia iray ihany no itrikitrihany, tsy misy akaikin’Ambohimiakoja ohatra azy mantsy n’iza isika hilaza eto n’iza hiresaka, fa eo ampototr’Ambohimiakoja izy ary terany mivantana ireo.
    Raha ny momba an’i Nenibe io dia aza manahy ianao fa taranany tokoa @izy roalahy naterany izay aloha ny anay fa asa, satria mifamatotra @Ivatobe sy Androhibe ny tena.

    Asa mantsy raha fantatrao fa Ivatobe fahiny no tsipika nampisaraka ny faritra an’Andriandambozozoro sy Andrianjakatrimo rahalahiny satria mpirahalahy izy (misy mantsy mampifangaro an’Andriandambozozoro @ ilay tany atsinanana sy any marovatana).

    Raha mahalala tsara an’Ambodirano ianao ary inoako fa izany dia hahalala an’Ivatobe fa mizara roa mazava tsara Ivatobe atsimo misy ny fitomiandalana ny an’ny terak’Andrianjakatrimo, sy Ivatobe avaratra fitomiandalana misy ny an’ny terak’Andriandambozozoro, ary azafady indrindra fa hatreo mianatsimo no an’Andrianjakatrimo fa hatreo mianavaratra kosa ny an’Andriandambozozoro.

    Porofo mazava tsara raha i Morombato resahinao dia zara-tanin’Andriandambozozoro madio rano, ary ialako tsiny fa tsy azo iadian-kevitra io, satria document officiel an’ny fanjakana malagasy no manamarina izany t@ 1830-1840.

    Ny anaranao moa ambodirano dia heveriko kosa fa mahalala tsara izany tantaran’izy roalahy izany ianao satria manketsy Androhibe, Ivatobe, ao Ambatomanodo,sns dia hazava izany. Mifampidi-pihavanana ny ao, ka ny terak’Ambohimiakoja (fihaonana) matetika dia mifampiditra @ Vatobe na Androhibe, na Malaza, na Ambohimahamanina ao @dRabibilahy, ka mitovy hatrany no nambara tao. Misy Ramatoa antitra be izay ao Malaza ao avy ao Ambohimiakoja ny rainy ary ao Ivatobe ny reniny, nisy ramatoa be maty 4 taona izay ao Androhibe ny rainy ary Ivatobe ny reniny, nisy lehilahy lehibe avy ao Ambohimiakoja sy vatobe rainy Ambohimahamanina ny reniny kanefa mitovy am-pilazana avokoa ireo.

    Ny mpahalala rehetra mantsy dia mahalala fa Rasoavero renin-dRabodozafimanjaka dia terak’Andrianjakatrimo ao Ivatobe atsimo ary izay no nametrahan’Andrianampoinimerina azy teo Antsahadinta dia avy @ reniny. Izay aloha ny fantatro fa mety mampiresaka angaha ny olon-dehibe efa am-polony nanontaniana.

    Raha ny @ rahavavin-dRavololondrenitrimo indray dia aleo Itaosy sy ny manodidina, no hilaza azy fa fantatra fa any izy ireo.

    Izay aloha no azo ambara fa somary tery ny fotoana.

    #21952
    namehana
    Membre

    J’aimerais apporter quelques précisions sur l’histoire de Namehana est d’ Andriamihaja.

    Namehana comme tant d’autres collines sacrées de l’Imerina est une ville des castes nobles ANDRIAMASINAVALONA ET ZANAK’ANDRIANA dont personne ne peut ignorer, bien que ce village ne soit pas aussi connu que QUE AMBOHIMALAZA il n’en est pas moins noble que ce dernier et ça personne ne peut le contester, nous sommes dans le 21 ième est loin des blabala des ignares et pretentieux de tout genre…il suffit de faire des recherches sur le net et moi j’étais allé plus loin dans les livres écrits par des premiers missionnaires de l’époque …..

    Je n’aime pas denigrer qui que ce soit, tout le monde peut se tromper mais les gens de Namehana sont des nobles.

    Le bourgeois de Namehana Andriamihaja a eu un descendant direct le Roi de Madagascar Radama II, je ne veut pas entrer dans la polémique mais c’est une certitude, on ne déforme pas l’histoire et d’un et de deux Namehana est le berceau de la noblesse de l’Imerina personne ne peut le contester et de trois la grand mère d’Andrianampoinimerina venait de Namehana et de quatre Rasoherina venait de Nameha, let de cinq les tombeaux d’Andriambolonambo et d’autres Princes sont à Namehana et aux alentours directs de Namehana

    Comment peut -on dire que Namehana n’est pas noble et se cantonner sur le débat stérile d’Andriamihaja qui était le père de Radama II à quel point peut-on déformer l’histoire de la noblesse ou pas à Madagascar.

    #21953
    mpijery
    Membre

    Fantatro tsara ny Andriana an’i Namehana, fa aza dia sendaotra, ary tsy nisy na iray aza ny mpiresaka teto nilaza hoe tsy Andriana mihitsy izay rehetra ao Namehana, fa Andriamihaja no resaka teto, fantatro fa na eo Ambohinaorina Namehana aza mbola misy Andriamasinavalona ihany koa.
    Tsy ilaina internet ny fahalalana izany, ary tsy ilana iadian-kevitra fa hitako tsara ilay fasan’Andriambolanambo sy ilay fasana lehibe saronan’ny nonoka ao anaty hadivory io ary ny fatsakana.

    #21954
    mpandalo
    Membre

    « Namehana », vous vous referez au village d’Ambohimalaza comme étant un « village noble ». Pourquoi pas ? Mais cela ne sous-entend nullement que tout ceux qui se disent descendants d’Ambohimalaza sont nobles. Ceux de la-haut, à l’intérieur du fossé, forcement . Les autres un peu moins. Et pourtant , les descendants des douze Raiamandreny, hova, ont tout à fait le droit de se dire natif d’Ambohimalaza depuis au mois 450 ans … Attention à la différence entre descendant d’Andriantommpokoindrindra et natif d’Ambohimalaza.
    A Namehena, « village noble » comme vous dites, je suis sûr que ce genre de distinction existe aussi. Nous ne remettons en cause la « noblesse » des descendants d’Andriambolanambo et des autres andriana du village. Mais tout les natifs de Namehana sont-ils leurs descendants ? Et surtout, Andriamihaja est-il un descendant des ces andriana ? Mpijery a déja répondu à la question.

5 sujets de 286 à 290 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: