andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 281 à 285 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21942
    mpijery
    Membre

    Niresaka mivantana tamiko moa ianao ry Ambodirano ka heveriko fa manana adidy hamaly anao aho satria heveriko fa resaka hafa indray izay.

    Nisy Andriandehibe izay teto Antananarivo, tompom-bodivona mpandimby ny iray @ireo mpanjakavavy. Nodimandry ny rainy olo-manakaja loatra, tsy nasiany ny andriana, tsy nisy niamboho, nafenina ets, fa tsotra fotsiny izao. Tsotra ny antony, afaka manao izany daholo izao izay te hanao hoy izy @izao andron’ny ankisisika izao ka tsy ilaina intsony izany.

    Malaza indray izao ny hoe hisy mpanjaka hono, asa, rahampitso ve izany? Dia toy ny mahazatra ihany ramalagasy, izaho no izy, izaho no izy, efa zatra manao ankisisika isika na @ embouteillage, na bus, sns zatra fisongonana.
    Izay be vava dia prétendant, aoka hazava fa kely anie Antananarivo e! zovy moa no tsy hifankahalala tantara sy vodivona eto, iza no tsy mahalala raha havana iny na tsia?

    Tsy misy saka be loha azo amidy izany eto, fa maro no manaja tena, ary misy ny te hisisika, misy ny tsy mametraka lahara-pahamehana ny ady laharana , izany hoe avelao ry zalahy hanao, fa tsy fiatadiavam-pivelomana ny fiandrianana ary tsy fikatsahana toerana ny firazanana. Aleo izahay handraharaha hivelomana, fa tsy mitady seza fiandrianana vao ho velona. Mba isan’izay koa aho.

    Toy izay no safidiko satria tsy mba nozarina hiady laharana, raha tetiarana kosa no tian-ko reshina resaka hafa indray iny satria tantaram-pianakaviana izay, fa tsy raharaha politika akory ary sarotiny fatratra ny ray aman-dreny nahatsiahy ny fihavanana t@ manjaka, ary averiko eto indray n’iza milaza ho terak’izao, n’iza mitonona ho iroa dia tsotra ihany ny valiny fa tsy asiana resabe ary tsy misy vérification izany @ internet: aiza ny vodivonanao, ao anaty hadivory ve ny fasanao, inona no anjara toeranao eo @ vodivonanao, iza no vadianao, aiza ny havanao efa resaka lavabe teto izay.

    Safidy ny maka sisitosy, zo apetraky ny fahalalahana ny misisika. Fantatra mazava anie iza no ilay atin’andriana lavitra noho Ranavalona III fa naka sisitosy izy e! Mbola fantatra mandrak’androany koa ny fianakaviany.

    #21943
    mpijery
    Membre

    Efa antitra ny tena ka tsy misahirana @ fanaovana ny citation électronique @ koolsaina, fa ny venti-kevitra no zava-dehibe satria nofolahina hampiady karajia.

    Ny @ Ravololondrenitrimo dia diso ianao fa voalohany anabavin’Andriamasinavalona izy fa tsy zanany vavy izany, faharoa ny @ ifandraisan’Andriamangarira sy izy dia Rabenjamina androvakely no namoaka io saingy izao: tsy fari-taniny io ka tsy voafehiny.
    Ramboatrimo hoy izy no zana-dRavololondrenitrimo, nefa raha etsy Vatobe atsimo ianao dia mahalala tsara fa Andrianjakatrimo no tompom-bodivona eo ary io no zana-dRavololondrenitrimo. Efa noresahin’olondehibe t@ serasera taona vitsivitsy lasa izay fa ny terak’Andrianjakatrimo dia manana anjara fasana eo afovoan’ny an-Drabodozafimanjaka sy Ratsimisotry ao antampon’Antsahadinta saingy tsy misy milevina ao intsony izy ireo fa eny Androhibe sy Vatobe sns…
    Fahatelo farany diso koa Rabenjamina fa lazainy mpirahavavy Ravololondrenitrimo sy Rangorinimerina ary vady nampirafesan’Andrimaifonozozoro hono izy ireo kandrefa itsy farany dia zanaka raha mihoatra @Andrianjakatrimo, izany hoe mitovy laharana @ zafin-dRavololondrenitrimo.

    Eto indray dia azo ampiarina tsara ny fanao fahiny: iza no nananjo hanana tranomanara teny ambodirano teny hatrizay (fa tsy hoe vao haingana an, io koa tsy misy fivarotana saka be loha eo akory fa efa teny ambadiky 120 taona no voatahiry tsara izany), anaty hadivory sns. Mety afaka hanamarina izany ny MAM.

    Kasa hanampy ahy @ tetiarana hatreo @ Rangita ka h@ Andriamasinavalona ianao, misaotra @ finiavanao fa adihevitra fifanesona teto izany taloha kely tao. Na ilay bokikely tsotsotra amidin-dry zalahy roa arivo ariary eny Isoraka eny @ ambotaiazy aza dia ampy hanaovana azy. Misaotra fa na i Rangita 2 rahavavin’i Mavo aza haiko tsara satria tamingany aho.

    #21944
    jaky
    Membre

    Misy zavatra anakiray izay somary mahasarika ny saiko eny Ambodirano eny. Eo Ambatondratrimo ny marimarina aminy…

    Misy fasana iray voa haingana angamba raha ny fahitako azy io fa miloloha tranomanara ilay izy… Raha ny lovatsofina moa dia afaka misalotra tranomanara ambatondratrimo amin’ny maha-andriamasinavalona azy. saingy ilay fasana toa sady ety ivelan’ny hadivory no toa anarana tsy dia be mpahafantatra ao amin’ny fianakaviana ihany no misoratra eo amin’ilay izy nefa dia misalotra tranomara mena ary hiambesana liona anakiroa ny varavarana….

    dia gaga tokoa izao hoe: fanga moa izay te-hanisy tranomanara ny azy no afaka manisy. Sa ny vola ve amin’izao no maha rangahy azy ireo?????

    Ny tiako mba hotenenina fotsiny dia hoe, aoka ny marina no habaribary fa tsy mamorina izao akanga tsy aman(orana rehetra izao….

    Hita eny ihany anie ny marina e! hoe ity ka trano fohiloha tsy mifangaro, ity iraika ity toa sadasada……

    Izay ary fa dia soava tsara daholo e!

    #21945
    mpijery
    Membre

    Fantatra mazava ilay andriandahy nalevina tao Ambatondratrimo t@ 1924, fantatra hoe iza no iza, iza sy aiza ny taranany.

    Tsotra ny tenin’ny olon-dehibe: mbola hafa lavitra ny fasana ankadivory tsy misy tranomanara toy izay ny fasana misy tranomanara ivelan-kady.
    Samy be lazao avokoa, Io anie ho’aho raha hifampizoviana @ fomba entitra be ny ho sahirana e! Misy tahiry mirakitra ny terak’Andriamasinavalona rehetra anie any ho any e!

    #21949
    ambodirano
    Membre

    Ny @ Ravololondrenitrimo dia diso ianao fa voalohany anabavin’Andriamasinavalona izy fa tsy zanany vavy izany, faharoa ny @ ifandraisan’Andriamangarira sy izy dia Rabenjamina androvakely no namoaka io saingy izao: tsy fari-taniny io ka tsy voafehiny.
    Ramboatrimo hoy izy no zana-dRavololondrenitrimo, nefa raha etsy Vatobe atsimo ianao dia mahalala tsara fa Andrianjakatrimo no tompom-bodivona eo ary io no zana-dRavololondrenitrimo. Efa noresahin’olondehibe t@ serasera taona vitsivitsy lasa izay fa ny terak’Andrianjakatrimo dia manana anjara fasana eo afovoan’ny an-Drabodozafimanjaka sy Ratsimisotry ao antampon’Antsahadinta saingy tsy misy milevina ao intsony izy ireo fa eny Androhibe sy Vatobe sns…
    Fahatelo farany diso koa Rabenjamina fa lazainy mpirahavavy Ravololondrenitrimo sy Rangorinimerina ary vady nampirafesan’Andrimaifonozozoro hono izy ireo kandrefa itsy farany dia zanaka raha mihoatra @Andrianjakatrimo, izany hoe mitovy laharana @ zafin-dRavololondrenitrimo

    Nenibe Ravololondrenitrimo Ambohimiakoja dia zanakavavin’Andriamasinavalona tsotra izao fa ahitsio ny tetiaranao , ianao koa angamba tsy tamingany tsinona !
    Aza AFANGARO @ dRavololondrenitrimo anabaviny izay nanambady an’Andriandambozozoro ary ireo niteraka an’Andriamifonozozoro Vatobe izay lasa vadin’i Nenibe. Ary ny niterahan’Andriamasinavalona an’i Nenibe dia ny zandriny @n’izy mirahavavy teo Morombato ampita atsinanan’Ambohimahamanina avaratra kelin’Antsahadinta. Samy ety AMBODIRANO daholo ireo . Hainao moa ‘lay tantara teo Morombato? Ary tera-behivavy mazava toa an-dRanavalotsimitoviaminandriana Anosimanjaka rahavaviny izy. Samy nomen’ny Mpanjaka zaratany onenany.

    Tohizanao hoe Andrianjakatrimo no zanak’i Nenibe fa tsy Andriamangarira : koa zanak’iza ary izy no ho lasa Mpanjaka nanorina an’Antsahadinta toy ireo zafin’Andriamasinavalona hafa tany @n’izay nisy azy avy ? Aza adino koa fa Andriandambozozoro dia nataon’ny Mpanjaka ho andriamasinavalona nifehy an’iny faritr’i Vatobe mianantsimo rehetra iny ary izany no nipoiran’Andriamangarira teo Antsahadinta zarataniny avy @ndraiamandreniny ! Izaho manokana dia tsy mahalala ireo Andrianjakatrimo satria tsy tetiaranay fa toa efa imbetsaka ianao no nanatsidika an’io tamiko .

    Marihiko ary fa tsy niandry an-dRabenjamina Androvakely akory ny tantarandrazanay teny vao fantatray fa ny tsy mahalala no mindrana azy. Sao ianao ary no diso fa mpirahavavy Nenibe Ravololondrenitrimo sy Rangorinimerina satria zanak’izy mianadahy Rampananambonitany sy Andriamasinavalona.

    Hamaranako an’izay resaka izay koa dia misy MANAFANGARO koa Andriandambozozoro noresahiko teo sy Andriandambozozoro zafiny nafenina eo Malaza izay rain-dRabodosambaina ihavian’ny andriana maro koa. Malaza dia mbola ety Ambodirano koa ary vohitr’Imerinatsimo daholo ireo (pi-maso ho an’ny namana Ampandrana angamba moa izy izay!).

5 sujets de 281 à 285 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: