andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 291 à 295 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21961
    Ampandrana
    Membre

    Slt Mpijery.
    Sao dia fantatrao izany Amboasary izany. Tanàna iray any akaiky Ampitatafika izy io @ iny làlana mandeha any Antsahadinta iny. Sahala ny tsy misy tanàna intsny ilay izy fa saika anontany fotsiny izaho sao mba fantatrao io tanàna io . Misaotra tompoko!

    #21962
    ambodirano
    Membre

    « Namehana », vous vous referez au village d’Ambohimalaza comme étant un « village noble ». Pourquoi pas ? Mais cela ne sous-entend nullement que tout ceux qui se disent descendants d’Ambohimalaza sont nobles….

    A Namehena, « village noble » comme vous dites, je suis sûr que ce genre de distinction existe aussi. Nous ne remettons en cause la « noblesse » des descendants d’Andriambolanambo et des autres andriana du village. Mais tout les natifs de Namehana sont-ils leurs descendants ? Et surtout, Andriamihaja est-il un descendant des ces andriana ? Mpijery a déja répondu à la question.

    Oui il y a répondu mais Mpijery n’a pas forcément raison cher ami, vu ses sources généalogiques en l’occurence celle des andriana d’Antsahadinta.

    J’ajouterai que Andriampeno Andriambolanambo est le père de Rasoherimananitany grand-mère de Nampoina et ventre dynastique des futurs souverains de Madagascar .Le seigneur de Namehana est également l’initiateur d’immenses digues partant près du village à l’époque. Namehana était également un fief qu’Andrianjaka donna en apanage à Ramahazakafoloarivo , bien des siècles plus tard il revînt à la Princesse Ravero et au Prince Ratahiry vers la fin de la monarchie. Clin d’oeil à l’Histoire.

    #21963
    mpandalo
    Membre

    Oui il y a répondu mais Mpijery n’a pas forcément raison cher ami, vu ses sources généalogiques en l’occurence celle des andriana d’Antsahadinta.

    Izany ve ? Mahagaga ihany marina aloha ny fisian’ny anarana « Ravololondrenitrimo » roa ao amin’ny tetiarana. Andrianjakatrimo koa moa izany tsy dia hainao loatra satria tsy tetiaranao? Mitsidika kely fotsiny ao Antsahadinta anefa ianao, dia hita mazava ny filaharan’ny fitomiandalana. Ny voalohany ho an’ny za teraky Nenibe Rabodozafimanjaka. Ny manaraka ho an’ny terak’ireo zzm amin’i Ratsimisotry zanak’Andriantsiramanjaka ary ny manaraka ho an’ireo msv terak’Andrianjakatrimo. Misy razan’ny tena moa voatonona ka mba nijery tany mihintsy, f a raha mijery ny firaketan-dRavelojaona ianao, dia efa voarakitra ao daholo izany.
    Rehefa ao Antsahadinta ihany. Ny tena mahagaga ahy, dia eny avaratry ny fitomiandalana no misy ny fasana’Andriamangarira. Kanefa, rehefa nodinihina tsara, dia toa eny ivelanan’ny hadivory sy ivelan’ny rova no misy ilay vatolampy be itoeran’ilay « tranomanara ». Raha ny fahafantarako azy, indrindra moa tamin’ny andro faha gasy, toa tena misy dikany mihintsy ny fametrahana ny fasana ao anaty na ivelan’ny hadivory.

    #21964
    mpandalo
    Membre

    Hoy ilay rangaha izay tatsy ambadika tatsy. Fa inona moa no nahatonga an’ilay anarana Ravololondrenitrimo ? Renin’ iza moa izy io ? Tsy renin’ i Trimo ? Ka iza moa no Trimo fantatra tao Ambodirano tao tamin’izany andro izany ? Andriandambozozoro sa Andrianjakatrimo ????????

    #21965
    mpijery
    Membre

    Slt Mpijery.
    Sao dia fantatrao izany Amboasary izany. Tanàna iray any akaiky Ampitatafika izy io @ iny làlana mandeha any Antsahadinta iny. Sahala ny tsy misy tanàna intsny ilay izy fa saika anontany fotsiny izaho sao mba fantatrao io tanàna io . Misaotra tompoko!

    Saika tsy hisera intsony fa anontaniana dia hamaly ihany, tsy haiko ilay Amboasary ankilan’Ampitatafika izany, fa ny Amboasary any atsimo fantatro, dia
    Amboasary ao amin’ny zara-tanin’Ambohijoky akaiky indrindra raha avy aty Anosizato fa mbola miodina kosa raha avy any Ampitatafika fa tonga ihany koa, hodidin’ny hadivory, tanin’Andriana izy io, misy aviavy sy fasana ao, ary misy ny fiangonana.
    Ny Amboasary faharoa fantatro dia eny Alasora rehefa tafakatra eny antampony dia mikoriana midina indray toerana.
    Anarana nifandray ireo roa ireo.

5 sujets de 291 à 295 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: