Printsy

Toutes mes réponses sur les forums

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 5)
  • Auteur
    Posts
  • Printsy
    Membre

    Miarahaba anao ry Ampandrana,

    Ny tiako ambara eto dia amin’ny ankapobeny fotsiny fa tsy maintsy misy foana wa ny « exception ».

    Printsy
    Membre

    Miarahaba anao ry Volafotsy,

    -Teo amin’ny fiarahamonina Malagasy dia nisy karazany maro ny fiavian’ny andevo…. nefa misy koa ny olona afaka izay mainty no niantsoana azy ary misy koa ny antsoina hoe « Ngita avo razana » izay Andriana.Fa ny ankamaroan’ny mpanompo dia avy any Afrika. Izany hoe amin’ny ankapobeny dia mainty fiodirana ny andevo. (misy exeption foana ny zvtr rehetra ry Andriamatoa H.T. a) fa ny tena tiako ho resahina eto aloha dia ny « andevo ».
    -Lava be raha toa ka hitantara ohatra eto ny tenako fa mijery eny amin’ny fiarahamonina ianao dia mahatsikaritra an’izany olana amin’ny fahasamihafana izany. Nefa ny ohatra akaiky indrindra dia eo amin’ny fomba fiteny.

    Misaotra indrindra

    Printsy
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra tompoko,

    Tsara dia tsara tokoa ny toe-tsaina te hifangaro mba hampiray ny Malagasy nefa koa tsy manome tsiny izay tsy te hifangaro koa ny tenako fa manana ny antony mety mahatonga izany izy.Nefa ny manambany olona kosa dia tsy mety, fa rehefa tsy mety amin’ny tena izy dia avela fotsiny.
    Amin’ny fomba fijery tsy miangatra dia mahatsikaritra angamba isika fa misy olana matetika ny fanambadiana raha toa ka tsy mitovy ny olona roa (oh: Andriana sy Mainty, Hova sy Tanindrana sns….). Ny anton’izany akory dia tsy volonkoditra fa tsy fitoviana tamin’ny fomba nitaizana sy ny fomba fiainana. Ka misy ilay antsoina hoe « choc culturel ».Misy ihany ny « exeption » satria hono ny fitiavan maharesy ny rehetra saingy tsy maintsy mipoitra foana io fahasamihafana io ao antokatrano sy amin’ny fianakaviana ka matetika miteraka fasimban’ny tokatrano sy fahasimban’ny fiainan »ny ankizyizany.

    Misaotra sy mankasitraka tompoko

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22871
    Printsy
    Membre

    Miarahaba anao Andriamatoa Tintin,

    misaotra anao namaly ny fanotaniako na indraindray aza tsy fantatro hoe izaho no valianao sa mireseka amindry zareo Andriana ianao.
    Tsy fantatro izay « clan » na « groupe social » misy anao fa ny fanontaniana aloha dia niantomboka tamin’ny hoe « hono wa ry zareo Andriana » ka noho izany ry zareo Andriana no andrasako hamaly ny faniontaniana na izany aza misaotra anao namaly.
    Niezaka namakimaky ny sasantsasany tato anatin’ity forum ity aho dia nahatsikaritra ihany fahasamihafana amin’ny fomba fanoratra sy teny lazaina eo amin’ireo milaza azy ho Andriana, Hova na koa Andevo.
    Koa dia mbola miandry valinteny avy aminareo Andriana ihany ny tenako.

    Mankasitraka tompoko, ary misaotra mialoha.

    en réponse à : Etre Andriana, c'est d'actualité #22869
    Printsy
    Membre

    -hono wa ry zareo Andriana, fa firy % ny Merina kay no Andriana fa raha manontany olono 10 (tsy mainty fiodirana ) ianareo dia ny 9 aminireo hamaly hoe Andriana avy ary anaona izahay!
    -Ary ianareo ve afaka manavaka Andriana amin’ny jery ivelany fiotsiny ihany? mety misy afaka manome « critère morphologique » ahafantarana ny Andriana ve ianareo?
    -mikasika ny lohahevitra dia tsy fantatro na « d’actualité na tsia ny Andrianeté ».Fa miresaka an io daholo aloha ny rehetra na mody milaza aza fa mitovy ny Malagasy rehetra dia tsy manadino manatsidika fa Andriana izy na amin’ny fomba ahoana ny anehoany azy na amin’ny fomba ahoana (manao fausse modestie daholo).
    Manaraka izany mikasika ny fanambadiana, Izaho dia any amin’ny faritra Fianarantsoa iny no misy ny fasandrazako nefa izahay (ligné masculine) dia nanambady Andriana Merina hatrany hatrany. Izaho izao dia manambady Karazan’Andriana faran’izay lazaina ho Sarotiny indrindra(Andriantompokoindridra avy eny Ambatomanoina Ambohimalaza) ary tsy nanisy olana ny fianakaviany.Ka tsy fantatro hoe « d’actualité » ve sa tsia ny maha Andriana satria ny fanambadiana no tena mahasarotiny anareo indrindra hono.

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 5)
error: