Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 746 à 750 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #22869
    Printsy
    Membre

    -hono wa ry zareo Andriana, fa firy % ny Merina kay no Andriana fa raha manontany olono 10 (tsy mainty fiodirana ) ianareo dia ny 9 aminireo hamaly hoe Andriana avy ary anaona izahay!
    -Ary ianareo ve afaka manavaka Andriana amin’ny jery ivelany fiotsiny ihany? mety misy afaka manome « critère morphologique » ahafantarana ny Andriana ve ianareo?
    -mikasika ny lohahevitra dia tsy fantatro na « d’actualité na tsia ny Andrianeté ».Fa miresaka an io daholo aloha ny rehetra na mody milaza aza fa mitovy ny Malagasy rehetra dia tsy manadino manatsidika fa Andriana izy na amin’ny fomba ahoana ny anehoany azy na amin’ny fomba ahoana (manao fausse modestie daholo).
    Manaraka izany mikasika ny fanambadiana, Izaho dia any amin’ny faritra Fianarantsoa iny no misy ny fasandrazako nefa izahay (ligné masculine) dia nanambady Andriana Merina hatrany hatrany. Izaho izao dia manambady Karazan’Andriana faran’izay lazaina ho Sarotiny indrindra(Andriantompokoindridra avy eny Ambatomanoina Ambohimalaza) ary tsy nanisy olana ny fianakaviany.Ka tsy fantatro hoe « d’actualité » ve sa tsia ny maha Andriana satria ny fanambadiana no tena mahasarotiny anareo indrindra hono.

    #22870
    tintin
    Membre

    Efa lany daty zany resaka Andriana zany ry leiry e.tamin’ny andron fahagola zany ry boy e.efa vola zao no miteny.firifiry moa ny olona milaza azy ho andriana fa andevozin’ny andevo ary hitsakitsahiny mintsy noho ny tsy fananana vola? Ary amiko matoa ialahy mbola miasa dia andevo ialahy e.na merina ialahy na tsia. Afaka miteny ny tenany ho andriana dôly ze te hiteny ary io tsy fantatra ety ivelany zany hoe iry olona iry andriana satria merina. Non, tsy any le izy boy e. Tsy voatery ho andriana refa merina ary izay le fisainana tena diso fa iza moa no hiteny hoe andevo kosa aloha refa anontaniana e? zay no mahasarotra azy.Tsy fantatra ivelany zany io. L’habit ne fait pas le moine leisy boy e. Ny fiteny haiko zao d hoe  » IL A VRAIMENT DE LA CLASSE  » fa tsy mbola naheno mintsy za aloha hatreto hoe  » ça c’est un andriana  » sa lisany efa naheno?
    Hamehezako azy, na andriana be farak’ze zokiny aza lisany, refa mbola mipepopepo miasa sy mitady vola à gauche à droite d aza miteny akory hoe andriana na indray mandeha aza satria ny mpampiasa an’ialahy isany @ zay fotoana izay no andriana fa lisany dia andevony avokoa. Refa retraité lisany dia mizestiava am zay hoe andriana e.

    #22871
    Printsy
    Membre

    Miarahaba anao Andriamatoa Tintin,

    misaotra anao namaly ny fanotaniako na indraindray aza tsy fantatro hoe izaho no valianao sa mireseka amindry zareo Andriana ianao.
    Tsy fantatro izay « clan » na « groupe social » misy anao fa ny fanontaniana aloha dia niantomboka tamin’ny hoe « hono wa ry zareo Andriana » ka noho izany ry zareo Andriana no andrasako hamaly ny faniontaniana na izany aza misaotra anao namaly.
    Niezaka namakimaky ny sasantsasany tato anatin’ity forum ity aho dia nahatsikaritra ihany fahasamihafana amin’ny fomba fanoratra sy teny lazaina eo amin’ireo milaza azy ho Andriana, Hova na koa Andevo.
    Koa dia mbola miandry valinteny avy aminareo Andriana ihany ny tenako.

    Mankasitraka tompoko, ary misaotra mialoha.

    #22875
    volafotsy
    Membre

    le temps est révolu. pour vous tous! na andriana , na hova, na andevo. tsy misy intsony zany satria efa narina ny malagasy taloha ela be izany vao tonga ny mpanjanan-tany. ka noho izany efa rava io toe-tsaina io fa misy ireo olona mieritreritra ny tenany ho ambony noho ny hafa. ra resaka fanambadina sy fitiavana indray dia rerakeo fotsiny reny olona manakana fiarahana am olona tsy mitovy saranga ireny (andevo/andriana/hova) fa ny fitiavana dia ambony ny tetiharana, ambony ny firazanana. «  »Fa ny fitiavana no lehibe indrindra » » »

    #22902
    tsinjo11
    Membre

    volafotsy>Miala tsiny,miala fondro,miala salohy fito re tompoko fa na tianao na tsy tianao dia misy foana ny Andriana ary mbola hisy raha mbola tany koa ny tany!!
    Ny Mpanjaka mitondra ny vahoaka angamba no hiarahana manaiky fa tsy misy intsony eto Imerina Fa raha nisy ny Andriana fahizay ka nitazona ny fiandrianany ireo taranany taty aoriana dia ahôna tokoa moa no ahasahianao milaza fa tsy misy intsony izany ankehitriny??!!

5 sujets de 746 à 750 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: