andriana,andevo,côtier,merina : hifankatia dia hivady sy hifampisipa sa hifangarika ?

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana,andevo,côtier,merina : hifankatia dia hivady sy hifampisipa sa hifangarika ?

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 49)
  • Auteur
    Posts
  • #17264
    Anonyme
    Inactif

    io indray le resaka fa mipoitra ! ka tsy azo afenina tsinona fa misy foana ko ! tsy aleo ve potsirina ny vay toy izay kobonina ao ?

    #17647
    Anonyme
    Inactif

    ka tsotsorinao ilay problema koa !

    #17649
    Anonyme
    Inactif

    Tsy maintsy lazaina aloha fa maro karazana sady betsaka ny razambentsika malagasy ; tao ny indiana ,ny arabo ,ny maleziana ny afrikana, ireo no nifangaro ka nanome antsika.Taty aoriana dia niorina ny resaka andriana sy andevo , côtier sy merina, samy nanana ny mampiavaka azy ireo sady samy manana ny mahazatra azy sy ny fomba fiainany.Dia novolena avy eo hoe iretsy ambony razana ,iretsy ambony razana.Izaho tsy hilaza izay mahamarina na mahadiso izany fa izao fotsiny no tsapa aloha ary tsy azo lavina : raha vao MIKASA FOTSINY HIFAMPISIPA NA HIVADY IREO dia velona ny oaiaoay…..fa hoe tsy mitivy ,hono é!
    misy mikiry hivady ihany dia mety hisy probleme mitranga satria hita @ izay ilay zavatra tsy mampitovy @ fomba fiainana , ny fianakaviana koa mety hanilika dia ny zaza sy ny taranaka no sahirana satria rehefa mankary @ fianakavian-drainy izy dia » voailika », rehefa any @ fianakavian-dreniny dia iatakatahana satria  » hafa karazana « hono.
    Fehiny : aleo izay mba mitovi tovy ihany no mivady mba hisorohana ny problème mety hiseho, sa ahoana hoy ianareo , tsy fanavakavana ny ahy an ! fa samy gasy isika , aoka hangalana lesona ny zavatra miseho @ gasy manambady hafa firenena, mba manao ahoana ny fiainan’izy ireny , eo anoloan’ny fahasamihafana be !

    #17650
    Anonyme
    Inactif

    Izaho Gasy vavy, manambady frantsay, manana mari-pahaizana aho fa tsy olona notsiponina tetsy sy eroa…
    Mandeha tsara ny @ fianakaviam-badiko satria efa oharan’ny toetr’andro izany hoe mainty hoditra sy fotsy hoditra.
    Hatao mariage ara-piangonana izahay atsy ho atsy, ho avy ny iray tampo, ,ny nenitoa sy dadatoa’ny vadiko.
    Rehefa mifankatia, izay no zava-dehibe, fa tsy hoe mitovy karazana na tsia. Loha morona izany…

    #17651
    Anonyme
    Inactif

    Ho hita eo ny tohiny ary. Moa ve anaiky ny vadinao rehefa misy improvisation hoe andao dahalo akaro, andao daholo akary ? Fanaontsika gasy mantsy io ! Tsy ho tezitra ve izy hoe : hoay , tsy planifier zany ! Ohatra 1 iny.
    Ary mba ahoana moa ny fihetsiky io vadinao io rehefa tonga tsy nampilaza mialoha ny reninao ? ny anadahinao ? Tantinao ve rehefa hiteny izy hoe, telephonez avant de passer !

5 sujets de 1 à 5 (sur un total de 49)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: