Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana,andevo,côtier,merina : hifankatia dia hivady sy hifampisipa sa hifangarika ?
-
AuteurPosts
-
03/02/2012 à 9h08 #22872
Printsy
MembreMiarahaba antsika rehetra tompoko,
Tsara dia tsara tokoa ny toe-tsaina te hifangaro mba hampiray ny Malagasy nefa koa tsy manome tsiny izay tsy te hifangaro koa ny tenako fa manana ny antony mety mahatonga izany izy.Nefa ny manambany olona kosa dia tsy mety, fa rehefa tsy mety amin’ny tena izy dia avela fotsiny.
Amin’ny fomba fijery tsy miangatra dia mahatsikaritra angamba isika fa misy olana matetika ny fanambadiana raha toa ka tsy mitovy ny olona roa (oh: Andriana sy Mainty, Hova sy Tanindrana sns….). Ny anton’izany akory dia tsy volonkoditra fa tsy fitoviana tamin’ny fomba nitaizana sy ny fomba fiainana. Ka misy ilay antsoina hoe « choc culturel ».Misy ihany ny « exeption » satria hono ny fitiavan maharesy ny rehetra saingy tsy maintsy mipoitra foana io fahasamihafana io ao antokatrano sy amin’ny fianakaviana ka matetika miteraka fasimban’ny tokatrano sy fahasimban’ny fiainan »ny ankizyizany.Misaotra sy mankasitraka tompoko
03/02/2012 à 15h10 #22876volafotsy
Membreho anao ry Printsy! azafady mba hazao vao kely ny ohatrao eo ambony io oe Andriana sy maintsy?
mihevitra ve ianao fa ref mainty de andevo? diso kely ianao mba tsy tenenako hoe diso tanteraka ianao.04/02/2012 à 8h40 #22878Printsy
MembreMiarahaba anao ry Volafotsy,
-Teo amin’ny fiarahamonina Malagasy dia nisy karazany maro ny fiavian’ny andevo…. nefa misy koa ny olona afaka izay mainty no niantsoana azy ary misy koa ny antsoina hoe « Ngita avo razana » izay Andriana.Fa ny ankamaroan’ny mpanompo dia avy any Afrika. Izany hoe amin’ny ankapobeny dia mainty fiodirana ny andevo. (misy exeption foana ny zvtr rehetra ry Andriamatoa H.T. a) fa ny tena tiako ho resahina eto aloha dia ny « andevo ».
-Lava be raha toa ka hitantara ohatra eto ny tenako fa mijery eny amin’ny fiarahamonina ianao dia mahatsikaritra an’izany olana amin’ny fahasamihafana izany. Nefa ny ohatra akaiky indrindra dia eo amin’ny fomba fiteny.Misaotra indrindra
05/02/2012 à 7h36 #22882Ampandrana
MembreMiarahaba anareo rehetra
tsy hita @ endrika ivelany ny fiandrianana. raha eny @ fiaramonina dia mahita ianao andriana mainty sy ngita, andevo fotsy na zarazara. Tsy hita @ toetra sy fomba fiteny ian koa izy io satria misy andriana manao lohan’alika misy andevo mba manana classe ian.
06/02/2012 à 7h39 #22883Printsy
MembreMiarahaba anao ry Ampandrana,
Ny tiako ambara eto dia amin’ny ankapobeny fotsiny fa tsy maintsy misy foana wa ny « exception ».
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.